Liahona martsa 2026 Ireo lahatsoratra misy ato Dieter F. UchtdorfMitahy ny firenena rehetra ambonin’ny tanyMijoro ho vavolombelona ny Loholona Uchtdorf fa ny drafitry ny Ray ho an’ny fianakaviana dia manana anjara asa manan-danja amin’ny fitahiana antsika mandritra ny fiainana an-tany sy aorian’izany. Vehivavy manao fanekempihavananaCamille N. JohnsonMpitantan-draharaha marina—Mpianatr’i Jesoa KristyMisy fanoharana telo ao amin’ny Matio izay maneho ny fomba hanamafisana ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika. Avia, hanaraka AhyTaylor G. GodoyIndro, inty ahoMampianatra ny fomba azontsika anehoana fankatoavana sy hamaliana ny Tompo tahaka ny nataon’i Abrahama ny Loholona Godoy. Ho an’ny vanim-potoanan’ny Paska Kimmy BadalHevitra 20 ho anao amin’ny vanim-potoanan’ny PaskaIndreto misy fiaraha-mientana tsotra miisa 20 mba hanatsarana sy hampivelarana ny Paska ho an’ny isambatan’olona sy ny vondrona ary ny mpiangona. David A. EdwardsNy Paska fahiny sy ny Paska KristianinaJereo ny fomba ahafahan’ireo singa ao amin’ny Paska fahiny mampitodika antsika amin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra. Nahafantatra ny Mpamonjy izy ireoShaun StahleIreo mpianatra teny an-dalana ho any Emaosy: Dia feno fanambarana sy fahafantaranaMitovitovy amin’ny zavatra niainan’ireo mpianatra izay nandeha nankany Emaosy, ny fontsika dia afaka mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Nahafantatra ny Mpamonjy izy ireoMichelle Dennis ChristensenTomasy: Mandeha eo amin’ny lalan’ny finoanaNy tantaran’i Tomasy dia mampiseho amintsika fa ireo fanontaniana sy faharetana ary fahazoana fijoroana ho vavolombelona dia tafiditra ao anatin’ny fampitomboana ny finoantsika sy ny faharesen-dahatra ananantsika. Nahafantatra ny Mpamonjy izy ireoKatie LambertKaiafa ilay mpisoronabeJamban’ny zavatr’izao tontolo izao i Kaiafa ilay mpisoronabe ka tsy nino an’i Kristy; afaka mino anefa isika. Nahafantatra ny Mpamonjy izy ireoKimmy BadalJosefa avy any Arimatia: Ireo faniriana marina sy ireo fahagagana ataon’ AndriamanitraIza no mpianatra tsy dia fanta-daza, ary inona no azontsika ianarana avy aminy amin’ity vanim-potoanan’ny Paska ity? Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany Travis AlexanderMaso mahita ny lafiny TsaraRehefa nanomboka nihena ny fahitan’ny vadin’ilay mpanoratra dia nitodika tany amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ireo mpivady mba hahazoana fanamaivanana. Andrea BetancurIlay vaovao mahafalyMitonfra ny fijoroany ho vavolombelona ny mpanoratra fa noho ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia hahita indray ilay namana tsara izay nitondra azy ho ao amin’ny Fiangonana izy. Jason EllicoIraky ny TompoNijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ny manamboninahitra polisy iray rehefa nampahafantatra fianakaviana iray ny amin’ny fahafatesan’ny mpikambana iray amin’ny ankohonan’izy ireo tamina lozam-piarakodia. Bradley L. SalmondNiova ho fifaliana ny alahelokoNy fahafatesan’ny raiben’ny mpanoratra dia nanampy azy hanana fomba fijery izay nahatonga ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho manan-danja kokoa teo amin’ny fiainany. Avy amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro Sinja HugNy toetra maha-Andriamanitra: ilay fahamarinan’ny filazantsara nanova ny fiainakoTsapanao ve ny herin’ny fahafantaranao ny toetra maha-andriamanitra anananao? Tori StoneMpamonjy iray tonga lafatra ve dia afaka mahatakatra izany hoe sahirana izany?Rehefa mahatonga Azy ho toa tsy azo takarina ny fahatanterahan’i Kristy dia afaka mahatsiaro isika fa mahatakatra tsara ny ady atrehantsika Izy. Maddy PollTorolalana iray avy ao amin’ny Testamenta Taloha hanekena ny toetra maha-andriamanitraIanaro ny fomba nampianaran’ny Ray any An-danitra ny toetra maha-andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha.