Ny Paska fahiny sy ny Paska Kristianina
Jereo ny fomba ahafahan’ireo singa ao amin’ny Paska fahiny mampitodika antsika amin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra.
Ny Paska fahiny dia mankalaza ny fanafahan’ny Tompo ny vahoakan’i Isiraely tamin’ny loza nandrava farany tany Egypta. Tamin’ny alalan’i Mosesy ny Tompo dia nilaza tamin’izy ireo mba hanao fombafomba manokana mba handalo azy ireo fotsiny ilay anjely mpandringana ary hitsimbina ny lahimatoan’izy ireo. Avy eo ny Tompo dia nanafaka azy ireo tamin’ny fanandevozana ary nandefa azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina. (Jereo ny Eksodosy 12.)
Ireo singa isan-karazany amin’ny Paska fahiny dia maneho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho an’ny fahotantsika, ary koa ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra.
Zanak’ondry
Zanak’ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona.
Novonoina izany ary avy eo dia natsatsika tamin’ny afo, izy manontolo—tsy nisy taolana notapahana ary ny loha, ny tongotra sy ireo faritra azo hoanina rehetra mifatotra. Natao hohanina mandritra ny alinan’ny Paska izany, tsy misy sisa avela ho tra-maraina. Raha misy sisa tavela dia nodorana izany.
Ny mety ho dikany: I Jesoa Kristy tsy manam-pahotana ho sorona amin’ny fahotana; ny fahatsaran’ny fanatonana Azy dia mifanohitra amin’ny ngidin’ny fahotana; Ny fanolorantenan’i Kristy feno ho an’ny asa nanirahana Azy; ny fanolorantena takina amin’ireo izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra.
Ra eo amin’ny tolàna sy tataom-baravarana
Ny “Hysopa” (zavamaniry izay nampiasaina tamin’ny fombafomba fanadiovana taty aoriana) dia narotsaka tao anatin’ny bakoly misy ny ra avy tamin’ilay zanak’ondry, ary avy eo dia nosorana teo amin’ny tolàna sy ny tataom-baravarana ilay ra.
Ny mety ho dikany: Famantarana iray hamantarana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra; fanadiovana amin’ny alalan’ny ran’i Jesoa Kristy, izay nalatsany mba hanonerana ny fahotantsika.
Mofo tsy misy masirasira
Mofo natao tsy nisy lalivay na masirasira hafa, izay azo inoana fa avy amin’ny varimbazaha, na vary, na “sorgho” tany Egypta fahiny. Ny masirasira dia mampalefaka ny mofo saingy manamora ny fahasimbany ihany koa. Ny koba masirasira koa dia mila fotoam-pikarakarana, ka dia mitaky fotoana ela kokoa ny fanamboarana izany.
Nohanina nandritra ny fito andro izany. Ny masirasira (izay nifandray tamin’ny fahalovana) dia nesorina niala tamin’ny tokantrano tsirairay nandritra io fotoana io (jereo ny Eksodosy 12:19).
Ny mety ho dikany: Fahadiovana; fanafainganana ny fandosirana hiala amin’ny fahababoana; I Kristy no mofon’aina (jereo ny 1 Korintiana 5:7).
Anana mangidy
Tafiditra tao anatin’ izany ny anan-drano, “radisa”, “endive”, “raifort”, ary izay mety ho karazana anana mangidy rehetra.
Nohanina niaraka tamin’ilay zanak’ondry izany rehetra izany.
Ny mety ho dikany: Ny ngidin’ny fanandevozana sy ny fahababoana tany Egypta; Ny ngidin’ny fanandevozana noho ny fahotana; Ny ngidin’ny fijalian’i Kristy noho ny fahotantsika.
Andilana voasikina, tongotra mikapa, tehina eny an-tanana, mijoro eo am-pihinanana
Ny mety ho dikany: Fahavononana hiala faingana amin’ny fahababoana; faniriana hahazo fahafahana amin’ny fahotana.