“Ilay lalana ho any Emaosy: Dia feno fanambarana sy fahafantarana”, Liahona, mar. 2026.
Nahafantatra ny Mpamonjy izy ireo
Ireo mpianatra teny an-dalana ho any Emaosy: Dia feno fanambarana sy fahafantarana
Mitovitovy amin’ny zavatra niainan’ireo mpianatra ireo, dia afaka ny ho mangorakoraka ny fontsika ho vavolombelon’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.
Sary nataon’i Laura Serra, tsy azo adika
Ny alahady tolakandron’ny Fitsanganana amin’ny maty dia nisy mpianatra roa nandeha an-tongotra telo ambin’ny folo kilaometatra niala an’i Jerosalema nankany Emaosy. Andro nampihetsi-po izany—andro vitsivitsy nampihetsi-po.
Navesatra ny fon’izy ireo. Feno fitalanjonana sy alahelo ny sain’izy ireo. Niresaka momba an’i Jesoa avy any Nazareta izy ireo—ny fahafatesany, ny tsaho momba ny fitsanganany tamin’ny maty, ary ny fisalasalana mahavalalanina ny amin’ny dikan’izany rehetra izany.
Raha mbola nandeha izy ireo dia nisy olon-tsy fantatra niditra tamin’ny resaka nifanaovan’izy ireo. I Jesoa ilay izy, na dia tsy fantatr’izy ireo aza Izy. Notakonana voaly ny mason’izy ireo ary nampanjavozavoina ny sain’izy ireo. Nanontany azy ireo ilay olon-tsy fantatra hoe: “Ahoana izao teny resahinareo ety am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy”. (Lioka 24:17).
Tsy nino ny iray tamin’ireo mpianatra, i Kleopasy, raha namaly, hoe mbola nisy olona tsy nahalala, tsy nahafantatra mihitsy ireo tranga nampihetsi-po izay nanaitra an’i Jerosalema tamin’io faran’ny herinandro io. “Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’izao andro izao?”
“Zavatra manao ahoana moa izany?” Hoy Jesoa nanontany.
Avy any am-po ary teo noho eo ny valintenin’izy ireo: “Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra” (Lioka 24:18–19). Nilaza izy ireo fa natoky an’i Jesoa hanavotra an’i Isiraely, kanefa efa hateloana izay no nahafatesany. Ary na dia nisy vehivavy sasany aza nitatitra fa notsidihin’ny anjely izay nanambara fa velona Izy, dia tsy nahita Azy ireo Apôstôly izay nandeha nanadihady.
Avy eo dia niteny i Jesoa—tsy toy ny olon-tsy fantatra, fa mpampianatra. “Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany” (Lioka 24:25). Nanazava ny soratra masina tamin’izy ireo Izy, nanomboka tamin’i Mosesy ka hatramin’ireo mpaminany rehetra, izay nanambara ireo zavatra mikasika ny Tenany. Alaivo sary an-tsaina izany hoe mandeha mandritra ny ora maro miaraka amin’ny Zanak’ Andriamanitra izany, ilay Tompon’ny fiainana, mihaino Azy manazava ireo faminaniana momba ny Mesia. Nihanisinda ny alahelon’izy ireo, niova ho fahatalanjonana sy fihetsehampo lalina tao anaty.
Mitoera atỳ aminay
Rehefa nanakaiky an’i Emaosy izy ireo dia toa nanao handeha lavitra kokoa i Jesoa. Fa nanery Azy izy ireo hoe: “Mitoera aty aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro”. (Lioka 24:29). Nijanona niaraka tamin’izy ireo Izy, nipetraka ary namaky ny mofo.
Mahakasika ny zava-nitranga taorian’izay dia nanoratra ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mety nisy zavatra tao amin’ny herin’ilay tsodrano, na tamin’ny fomba nanapahana sy nizarana ny mofo, izay namelombelona ny fahatsiarovana ny andro taloha; na, mety nahita ny tanany nisy loaka izy ireo; saingy na inona na inona antony nahatonga izany tampoka teo, dia nijery tsara an’ilay vahininy izy ireo, -dia nahiratra ny mason’ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany- [Lioka 24:31]”.
Tamin’izay fotoana izay dia nifampijery izy ireo ka nanao hoe: “Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?” (Lioka 24:32). Tsy fisafotofotoana na tahotra akory izany fangorakorahana izany, fa fahafantarana. “Ny fahatsapana izay voafaritra toy izany dia ny fijoroana ho vavolombelona manamafy ny maha Zanakalahin’ Andriamanitra”, hoy ny nampianarin’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
Ny lalantsika manokana mankany Emaosy
“Inona no holazainy aminao raha toa ka afaka mandeha sy miresaka miaraka Aminy ianao?” hoy ny nanontanian’ny Loholona Patricio M. Giuffra ao amin’ny Fitopololahy.
Tahaka ireo mpianatra, dia mety tsy hahatsikaritra isika hoe miara-mandeha amintsika ny Mpamonjy, hoy izy. “Mety tsy hitantsika ny fomba itoerany eo amintsika, hiadiany miaraka amintsika, iarahany miasa amintsika, ary iarahany mitomany amintsika.” Ireo zavatra mahavarimbariana eo amin’ny fiainana, na ny fitsapana na ny fandresena, dia afaka manakona ny maha-eo Azy.
Samy mandeha amin’ny lalantsika manokana mankany Emaosy isika tsirairay avy. Eny an-dalana isika dia miatrika aretina, fahalemena, olana ara-bola, hatramin’ny avonavona izay mety ho tonga noho ny fahombiazana mihitsy aza. Kanefa tsy mila mandeha irery na oviana na oviana isika, hoy ny Loholona Giuffra. “Afaka mangataka ny Mpamonjy isika mba hiaraka amintsika.”
Rehefa mianatra ny amin’i Kristy isika, mankatò ny didiny, mivavaka, mandalina ny soratra masina, manaraka ireo mpaminany velona, ary manasa Azy hitoetra ao amintsika, dia manomboka mahafantatra ny fitaomany isika. Ny fiangavian’ireo mpianatra hoe “Mitoera aty aminay”, dia tokony ho antsika manokana, hoy ny Loholona Giuffra. Ary rehefa izany, hangorakoraka ihany koa ny fontsika.