Liahona
Indro, inty aho
Liahona martsa 2026


Avia, hanaraka Ahy

Genesisy 22:1–18

Indro, inty aho

Enga anie isika hamaly foana ny Tompo tahaka ny nataon’i Abrahama.

sarin’i Abrahama mamihina an’i Isaka

Sary nataon’i Julie Rogers

Indray mandeha i Joseph Smith dia nilaza hoe: “Rehefa mandidy ny Tompo dia ataovy izany”. Izany fanehoana finoana sy asa izany dia mitondra traikefa hafa ary mitovitovy amin’izany ato an-tsaiko.

Ohatra, rehefa nanontaniana i Adama hoe nahoana izy no nanolotra fanatitra, dia hoe tsy fantany akory no valinteny nomeny saingy fantany hoe iza no nandidy azy (jereo ny Mosesy 5:6). Tsaroako ihany koa ny fahavononan’i Lehia handao ny tranony sy ny fananany mba hanaraka ny torolalan’ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 2:2–4) na ny finoan’i Nefia rehefa nanaiky ny hiverina haka ireo takelaka (jereo ny 1 Nefia 3–4).

Afaka mitanisa ohatra mazava maro ao amin’ny soratra masina aho izay maneho ny fanahin’ny fankatoavana, saingy te hifantoka amin’ny zavatra niainan’i Abrahama aho.

Ny fankatoavan’i Abrahama

Nampanantena taranaka maro an’i Abrahama sy i Saraha ny Tompo. Naharitra izany fitahiana izany vao tonga, na koa hoe tonga tamin’ny fotoanan’ny Tompo izany. Na izany aza dia notsapain’ny Tompo ny finoan’i Abrahama rehefa nangataka azy hanao sorona an’i Isaka zanany lahy Izy, ilay fitahiana efa nivavahan’izy ireo sy nandrasan’izy ireo ela tokoa. Mety efa novakiantsika imbetsaka ity tantara ao amin’ny soratra masina ity, saingy impiry isika no nametraka ny tenantsika teo amin’ny toeran’i Abrahama?

Tena sarotra ny maka sary an-tsaina ny fahatsapan’ny raim-pianakaviana be fitiavana iray manoloana ny iraka toy izany. Kanefa dia mampitolagaga ahy foana ny fahavononan’i Abrahama hanapa-kevitra ny hankatò rehefa niomana ny handeha ho any amin’ny tendrombohitra iray tany Môrià izy ary hanatitra ilay sorona nangatahina. Ho fanehoana fahavononana sy fanoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra dia nijanona toy izao foana ny valinteniny: “Inty Aho”. (Jereo ny Genesisy 22:1–2.)

Ho valin’ny fankatoavany dia notahiana izy tamin’ny fitsimbinana ny ain’i Isaka, ary nahazo fitahiana mahavariana sy tsy manam-petra ho an’ny tenany sy ho an’i Saraha ary ho an’ny taranak’izy ireo izy (jereo ny Genesisy 22:15–18).

sarina ondrilahy kely

Ny fanoavan’ny Mpamonjy

Tsy isalasalana fa ny ohatra faratampony amin’ny fankatoavana sy ny fanoavana ny Ray any An-danitra dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Nampiseho ny fahavononany hankatò Izy tamin’ny alalan’ny fahatongavany teto amin’ity tany ity; tamin’ny alalan’ny fanaovana batisa, fijanonana ho madio sy tonga lafatra; ary tamin’ny alalan’ny fanomezana ny ainy ho toy ny fanatitra sy ny fandraisany teo Aminy ny fanaintainana, ny fahoriana, ny rofy, ny fahotana, ary ny fahafatesan’ny olony, mba hahafantarany ny fomba hanampiana antsika ao amin’ny nofo (jereo ny Almà 7:11–13).

Nahery vaika tokoa ny zavatra niainany, ka nisy fotoana izany nahatonga Azy hanontany raha toa ka nisy fomba hamelana izany kapoaka mangidy izany. Dia niteny avy hatrany Izy hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42)—raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe: “Inty Aho”—izay maneho ny fahavononany hanao ny sitrapon’ny Ray.

Fankatoavana sy fitiavana

Ahoana no ahafahantsika mikolokolo izany fahavononana izany ka hanolotra ny hoe “Inty Aho” ho valin’ny fangatahana rehetra ataon’ny Ray any An-danitra amintsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, na indraindray amin’ny lafiny eo amin’ny tena manokana?

Nampianatra ny Romana i Paoly hoe: “Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” (Romana 13:10). Raha hitady teny iray izay mitovy hevitra hasolo ilay andian-teny hoe “fahatanterahana ny lalàna”, dia ny teny hoe fankatoavana angamba no tonga haingana ato an-tsaiko. Noho izany afaka milaza isika fa ny fitiavana dia fankatoavana. Ary dia tena mitombina tsara ilay teny nambaran’ny Mpamonjy hoe “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona14:15).

Mety hamaly isika amin’ny alalan’ny hoe: “Inty Aho” na amin’ny tenin’i Nefia hoe: “Handeha aho ary hanao” (1 Nefia 3:7). Amin’ny fitenintsika mahazatra ankehitriny dia mety hiteny isika hoe: “Mazava ho azy fa vonona ny hanao izay andidian’ny Ray any An-danitra aho, na inona na inona toe-javatra misy”.

Ny zavatra tiako antitranterina anefa dia ny fifandraisan’ny fitiavana sy fankatoavana, izay midika fa mankatò ny Ray isika satria tia Azy. Mino aho fa ny fisafidianana ny hankatò no iray amin’ireo fomba tsara indrindra hanambarana mazava tsara ny fitiavantsika Azy. “Maty … ny finoana, raha tsy misy asa” (Jakoba 2:26), ary izaho manokana dia mieritreritra fa tsy velona ihany koa ny fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy raha tsy misy ny fankatoavana.

Ny fomba hampitomboana ny fitiavantsika sy ny fankatoavantsika

Ahoana no hampitomboantsika ny fitiavantsika Azy sy ny fankatoavantsika Azy? Hoy Mpamonjy hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy—sy ny Ray amin’ny alalany—dia manome fahafahana antsika hahafantatra ny fitiavan’ Izy Ireo antsika sy ireo zavatra tsy hay lazaina izay nataon’ Izy Ireo ary mbola hataony ho antsika, anisan’izany ny mandritra ireo fotoana sarotra izay iainantsika eto amin’ity fiainana an-tany ity. Manova ny fontsika ny fahafantarana Azy Ireo, ka mamporisika antsika hanaraka ny ohatra nasehon’izy ireo eo amin’ny zavatra ataontsika sy ho vonona ny hiteny amin’ny teny sy ny asa hoe: “Inty Aho”. Izany fahavononana izany dia hita taratra amin’ny faniriana hamaky ny soratra masina na amin’ny firesahana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka.

Ny hoe “Inty Aho” dia mety ho valin’ny antso iray mba hanao asa fitoriana na hanolo-tena bebe kokoa amin’ny fankatoavana ireo didy toy ny fitandremana ny Sabata ho masina, na ny fanajana ny ray aman-drenintsika, na ny fikatsahana ny hiaina fiainana ara-pitondran-tena madio. Ny hoe “Inty Aho” no fiteny miaraka tsy tapaka amin’ireo mpianatr’i Kristy, eny fa na dia misy fiantraikany amin’ny zavatra iriantsika indrindra na izay nandoavantsika sarany ambony aza ilay sorona nangatahina.

Tena sarobidy izany fahavononana hankatò izany, indrindra ny mahakasika ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny fotoana nanaovana batisa antsika na nidirantsika tao amin’ny tempoly. Azonareo sary an-tsaina ve hoe hanao ahoana ny fiainantsika raha toa ka mieritreritra tsy tapaka isika hoe, “Inty Aho”, rehefa mitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy na mba hahatsiarovana Azy mandrakariva sy hitandremana ny didiny? Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia manasa antsika hanavao izany fanoloran-tena izany, izay tokony ho hita taratra amin’ny zavatra ataontsika mandritra ny herinandro. Mihatra ihany koa izany rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika rehefa manao na mahatsiaro ireo fanekempihavanana izay ataontsika any.

Ohatra nasehona vehivavy tanora manambady iray

Tsaroako ny resaka nifanaovako tamin’ny mpivady vao iray taona maro lasa izay fony aho eveka. Indray alina dia niady hevitra ela sy nafana mikasika ny fandoavana fahafolonkarena izy ireo. Nandalo herinandro sarotra tany am-piasana ilay lehilahy ary naniry ny hampirina ny vola azony ho amin’ny sasany amin’ireo fandanian’izy ireo manokana. Tsaroako anefa ny tenin’ilay vehivavy rehefa niteny teo anoloan’ny vadiny izy hoe: “Eveka a! Vonona ny tsy hanao ireo fandaniana ireo aho ary hitsahatra tsy hihinana mihitsy aza, raha ilaina, fa te handoa fahafolonkarena sy hankatò ny Tompo aho”.

Tena nanakoako tokoa izany “Inty Aho” izay nambaran’ilay vehivavy tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona lehibe toy izany, ka nahatsapa fanahy matanjaka izaho sy ilay vadiny nandritra ilay resaka. Tamin’ny farany dia tsy fantatro raha noho ny faniriany manokana izany na satria resin’ny vadiny lahatra izy, fa nandoa ny fahafolonkarenany ilay lehilahy tamin’io faran’ny herinandro io.

Ny alahady manaraka izany, talohan’ireo fivoriana dia nangataka ny hiresaka kely tamiko ilay lehilahy. Tamin’ny tarehy izay tsy nitovy amin’ny tamin’ny herinandro lasa dia nilaza tamiko izy hoe: “Eveka a! Fantatrao fa tamin’ny herinandro lasa teo aho dia nandoa ny fahafolonkarenako amin’izay, ary natahotra ny tsy ho ampy vola ho an’ny sakafo aho, saingy tiako ho fantatrao fotsiny fa tamin’ity herinandro ity dia nanana volan-tsakafo indroan’ny mahazatra izahay. Fahagagana izany ry eveka, ary te hahita fahagagana toy izany foana aho eo amin’ny fiainako”. Ho ahy dia toy ireny niteny tamiko ireny ilay lehilahy hoe: “Eveka, vonona ny hamaly hoe -I-nty aho aho na inona na inona angatahan’ Andriamanitra amiko”.

Ny fampanantenantsika

Nilaza ny Tompo fa voafatotra Izy rehefa manao izay lazainy isika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10). Moa ve tena mino ny fahamatoran’izany fampanantenana izany isika?

Mety tsy ho tonga araka ny fotoanantsika na amin’ny fomba itiavantsika azy ireo fitahiana, saingy mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tena misy sy marina ilay fampanantenana. Mitaky fitiavana Azy, fanoavana, faniriana hanao ny sitrapony ary hiaina amin’ny maha-mpianatr’i Kristy izany. Hanampy antsika Izy ary hitahy antsika mba hahatakatra sy hitandrina ireo fanekempihavanantsika. Amin’izay fotoana izay, rehefa mangataka antsika Hanao ny sitrapony Izy, dia enga anie isika hamaly amin’ny feo mafy hoe: “Inty Aho, Tompo!”

Fanamarihana

  1. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 160.