“Niova ho fifaliana ny alaheloko”, Liahona, mar. 2026.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Niova ho fifaliana ny alaheloko
Ny fomba fijery vaovao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nanampy ahy hiroso amim-pinoana sy amim-panantenana.
Sary nataon’i Briana Kranz
Fony aho 18 taona dia nindaosin’ny fahafatesana ny raibeko avy amin-dreniko. Tamin’izay fotoana teo amin’ny fiainako izay dia tsy mbola namoy olona akaiky ahy mihitsy aho. Fantatro fa tsy maintsy hitranga izany indray andro any, saingy tsy nieritreritra izany hitranga tampoka aho.
Salama tsara ny dadabeko, saingy tapaka lalan-dra tsy nisy fampitandremana izy. Nentin’ny renibeko haingana tany amin’ny hôpitaly izy, saingy nodimandry efatra andro taty aoriana.
Tena mandratra ny vao sambany mamoy olona tampoka toy izany. Hafahafa ny hoe nanatrika ireo zava-nitranga manan-danja indrindra tamin’ny fiainako foana ny raibeko kanefa avy eo dia nanjavona izy.
Taorian’ny fandevenana dia nahita fomba iray hanomezam-boninahitra ny fahatsiarovana ny dadabeko sy ny fotoana niarahanay aho. Tiany ny nikarakara ny fiarany, ary koa nanao tetikasa hafa. Raha ny marina, tamin’ny fotoana nahatapaka ny lalan-drany, dia tao amin’ny garazy teo ampihazonana kile fanamboarana fiara izy, niasa toy ny mahazatra.
Nanapa-kevitra ny hikarakara fiara ihany koa aho. Manampy ahy hahatsapa ho akaiky azy ny fanaovana izany. Nitodika tany amin’ny vavaka sy ny soratra masina koa aho, izay nahitako fiadanana handroso tamim-pinoana sy fanantenana amin’ny tsy maha-eo azy.
“Misy ny fitsanganana amin’ny maty”, hoy ny fampahatsiahivan’ny mpaminany Abinadia ahy, “koa tsy manana fandresena ny fasana, ary ny fanindronan’ny fahafatesana dia voatelina ao amin’i Kristy” (Môzià 16:8).
Ny fahafatesan’ny raibeko dia nanampy ahy hahazo fomba fijery izay nahatonga ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho manan-danja kokoa eo amin’ny fiainako. Tahaka ny nanomezako voninahitra ny dadabeko tamin’ny alalan’ny fikarakarana fiara, dia tsapako fa manome voninahitra an’i Jesoa Kristy isika—ary afaka mahatsapa ho akaiky Azy—rehefa miezaka ny hiaina tahaka ny niainany, mandalinana ny teniny, mizara ny filazantsarany ary manao “ny asan’ny Rai[ny]” (Jaona 10:37). Ny fanaovana izany dia manome lanjany lalina kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy mampitombo ny fitokiantsika Azy.
“Rehefa [manandra-peo] noho ny alahelo na fifaliana isika dia mahatakatra tanteraka ny fahatsapantsika i Jesoa Kristy”, hoy ny nampianarin’ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Afaka ny ho eo Izy amin’ireo fotoana izay ilantsika indrindra ireo fanomezana lehibe maharitra mandrakizay: dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny Fitsanganana amin’ny maty, ary ny famerenana amin’ny laoniny”.
Nanova ny alaheloko ho fifaliana i Jesoa Kristy. Noho Izy sy ny Sorompanavotany dia fantatro fa hahita ny dadabeko indray aho.