Liahona
Ny toetra maha-Andriamanitra: ilay fahamarinan’ny filazantsara nanova ny fiainako
Liahona martsa 2026


“Ny toetra maha-Andriamanitra: ilay fahamarinan’ny filazantsara nanova ny fiainako”, Liahona, mar. 2026.

Avy amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro

Ny toetra maha-Andriamanitra: ilay fahamarinan’ny filazantsara nanova ny fiainako

Mahafantatra anao tanteraka Andriamanitra ary fantany izay tsara indrindra ho anao.

sarina tendrombohitra

Nivavaka fatratra aho mba hahatakatra ny toe-javatra niainako. Tonga taorian’ny fiandrasana ela ny antsoko hanao asa fitoriana, ary dia kivy aho: Misiônan’ny Les Alpes Germanophone.

Ny fonenako.

Inona?

Tsy te hanompo eo amin’ny toerana fonenako aho! Nanantena ny handeha any amin’ny toerana hafa tahaka ny maro amin’ireo namako aho. Io vaovao io dia nahatonga ahy hahatsapa ho toy ny tsy atokisan’ny Ray any An-danitra ho afaka manompo Azy.

Saingy rehefa nivavaka mafy aho, nanontany Azy raha toa ka niraharaha ahy Izy ary raha toa ka fahadisoana ity antso hanao asa fitoriana ity, dia nahatsapa vesatra ara-batana niala ny soroko aho. Nahatsapa ny Fanahy nanome toky ahy aho fa mahafantatra ahy tanteraka Andriamanitra ary mahafantatra izay tsara indrindra ho ahy.

Tamin’izay fotoana izay dia nanamafy tamiko ny Fanahy fa zanak’ Andriamanitra aho.

Izany no iray tamin’ireo fotoana voalohany nahatsapako ny herin’ny toetra maha-andriamanitra ananako.

Fahamarinana manan-danja indrindra

Fahamarinana manova fiainana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny hoe zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra isika.

Ny loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba “Ny fanomezan’ny fahamarinana mandrakizay mahafaoka ny zavatra rehetra, izay mampitombo ny fahaizantsika mandray ny zavatra hafa rehetra irian’ny Ray omena antsika—fanomezan’ny fahalalana tena manan-danja, izay rehefa ekena tanteraka sy raisina lalina ao anaty dia manazava ny sahan-kevitry ny fifaliana sy ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana, ary ireo fanontaniantsika tsy voavaly: dia ny hoe tena zanak’ Andriamanitra marina tokoa isika.”

Nanomboka tamin’io zavatra niainako tamin’ny antsoko hanao asa fitoriana io dia nahatsapa ny fahamarinan’ireo teny ireo aho. Tsy hadinoko velively ny fanomezan-toky sy hery tsapako rehefa tonga saina aho fa mahafantatra ahy sy tia ahy Andriamanitra.

Mifantoka amin’ny fiiziko

Na dia eo aza izany fahamarinana izany dia tsy ahitana firy zavatra mampahatsiahy ahy ny fiaviako masina ny tontolo manodidina ahy. Tsapako fa mila manana finiavana amin’ny fahatsiarovana ny toetra maha-andriamanitra ananako sy ny hery izay tonga amin’izany aho.

Ho ahy izany dia ahitana zavatra toy ny fisaintsainana ny fahagagan’ny vatako sy ny zavatra azoko atao sy iainana isan’andro.

Mahatsapa ho mifandray amin’ilay Mpahary ahy ihany koa aho rehefa ao anatin’ny fahatsoran’ny zavaboary. Ny fahitana ny hatsaran’ireo tendrombohitra na ny masoandro milentika dia mampahatsiahy ahy fa tsy voatery hanatsara ny tany Andriamanitra. Saingy nanao izany ho antsika Izy sy i Jesoa Kristy satria tian’ Izy Ireo isika hankafy ireo zava-mahagaga eto amin’ity izao tontolo izao ity, sy hahatsiahy ny fitiavan’ Izy Ireo antsika (jereo ny Mosesy 6:63).

Ary ny fivavahana amin’ny Ray any An-danitra isan’andro—ny famelana Azy hahafantatra ny zavatra tsapako sy ny mahatsapa fa te hihaino sy hiresaka amiko Izy—dia manampy ahy hampitombo ny fifandraisako masina Aminy. Mampahatsiahy ahy ny vavaka fa tsy irery aho ary mitarika ahy Izy na dia tsy mitranga eo noho eo aza ny zavatra iriako. Matoky aho fa Izy, izay Ray be fitiavana, dia mahafantatra hoe oviana no fotoana tsara hahazoako ny fitahiana eo amin’ny fiainako.

Ny fanomezana ny fiainana an-tany

Ny asa fitoriana nataoko dia tsy araky ny nieritreretako azy, saingy niaina zavatra izay nanampy ahy hahita ny antony tian’ny Ray any An-danitra nijanonako teo amin’ny faritra niaviako aho. Ny fizarana ny fahamarinan’ny toetra maha-andriamanitra amin’ireo izay tsy mbola nahafantatra izany mihitsy taloha dia nameno fifaliana ahy.

Tsy azoko sary an-tsaina mihitsy izany fiainana tsy mahafantatra hoe iza marina moa aho izany—hahatsapa ho foana sy ho very aho.

Rehefa mandinika ny tanjon’ny fiainako aho dia manome fanantenana be ahy ny fahafantarako fa ny fiainana an-tany dia ampahany kely fotsiny amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho ahy. Mila manao, sy mianatra, ary mivoatra mihoatra noho izaho amin’izao fotoana izao aho noho ilay fanomezana masin’ny fiainana izay nomeny ahy amin’ny maha-zanany ahy. Feno fankasitrahana aho noho ny nanolorany ny Zanany malalany ho Mpamonjy ahy ary navelany hisafidy ny hidina amin’ny fiainana an-tany aho mba ho tonga tahaka Azy sy hiverina any indray.

Na inona na inona omanin’izao tontolo izao ho anao, dia manantena aho fa hotsaroanao mandrakariva hoe iza marina ianao. Izany fahamarinana izany dia hanome anao ny hery hiatrehana ny zavatra rehetra izay ho tonga eo amin’ny lalanao.

Tahaka ny nandrenesan’ Andriamanitra ahy tao anatin’ny fotoanan’ny fahakiviana mihitsy, dia fantatro fa maheno sy tia anao foana ihany koa Izy.

Monina any Liestal, Soisa ny mpanoratra.