“Iraky ny Tompo”, Liahona, mar. 2026.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Iraky ny Tompo
Tsy fantatro ny fomba hilazana tamin’ny fianakaviana iray ny amin’ny fahalasanan’ny zanaka vavin’izy ireo raha tsy efa nanampy ahy ny Fanahy Masina.
Sary nataon’i Briana Kranz
Raha toa ka ny fiaretana ny famoizana mampalahelo sy tsy nampoizina olon-tiana iray no zavatra iainana mandratra ny fon’ny olona indrindra, dia mino aho fa ny zavatra iainana faharoa sarotra indrindra no mitranga rehefa mijery ny mason’ny reny sy ray iray ny mpamonjy voina iray ary milaza amin’izy ireo fa maty ny zanany.
Indray maraina dia voatendry aho mba hampahafantatra fianakaviana iray fa maty ny zanaka faravavin’izy ireo rehefa nitondra fiara nody avy tany amin’ny oniversite. Resin-tory teo am-pamiliana izy ary maty teo no ho eo rehefa niala ny lalana ny fiarany ka nidona mafy. Alahadin’ny Paska tamin’izay.
Nanahy mafy ny amin’ny fanaintainana izay ho tsapan’io fianakaviana io aho. Mahagaga fa rehefa nampahaketraka ity fianakaviana ity tamin’io vaovao io aho dia tena nahatsapa ho toy ny tompon’andraikitra izany.
Nampanenoiko ny kiririokam-baravarana dia nisy lehilahy iray nanatona. Nifampijery teo amin’ny fitaratry ny varavarana izahay Tsy nahetsika izy, valaketraka ny endriny. Fantany fa nanazava ny tsy maha eo ny zanany vavy ny fahatongavako. Tampoka teo dia naharay bitsiky ny fanahy aho:
“Jason, hadinoy ny tenanao. Irako ianao ary manana ny heriko. Ampiasao izany. Itokiso izany. Hitarika anao ny Fanahy Masina mba hitondra fahatakarana sy fanapahan-kevitra ho an’ireo izay miady na mikorotan-tsaina”.
Nosokafan’ilay lehilahy tamin-tahotra ny varavarana. Nisolo fahatokian-tena ara-panahy ny fisalasalako rehefa nampahafantatra ny tenako aho ary nangataka ny hiditra. Na dia nampatanjahan’ny Fanahy aza aho, dia nahatsapa alahelo lalina ho azy ny foko. Naniry ny hifampizara ny enta-mavesany aho, sy niara-nalahelo taminy ary nitomany niaraka taminy (jereo ny Môzià 18:8–9), ary nahatsapa fa mety hampihena ny fijaliany ny fanaovana izany.
Nidina tao amin’ny efitrano iray izay nivondronan’ny vadiny sy ny zanany izahay. Noho ny herin’ny Fanahy Masina dia nahatsapa fahatokian-tena sy fahazavan-tsaina aho. Namaly ny fanontanian’izy ireo aho ary avy eo dia nijoro ho vavolombelona fa noho i Jesoa Kristy, sy ny sorona nataony ary ny Fitsanganany tamin’ny maty dia afaka ny hahita ny zanany vavy indray izy ireo.
Tamin’ny alalan’io zavatra niainana io no nampiova ny finoako ny Tompo ho fitokisana. Nanantena aho fa toy izany ihany koa ny an’izy ireo.
Nampianatra ny Loholona Paul B. Pieper ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Indraindray ny matoky an’Andriamanitra no fomba tsara indrindra hianarana ny fitokiana Aminy”.
Nanampy ahy hanana hery hanampiana ny hafa ny fitokiana ny Tompo. Nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako ihany koa izany ary nanoritra ny lalana ho an’ireo fahafahana tsy voatanisa hanompoana ny hafa ho Azy.