Liahona
Mitahy ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany
Liahona martsa 2026


“Mitahy ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany”, Liahona, mar. 2026.

Mitahy ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany

Raha manaraka sy mizara ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fianakaviana isika dia hiaraka amintsika Izy, hanohana antsika, ary hiaraka amintsika amin’ny diantsika hiverina any Aminy.

sarin’i Jakôba mahita fahitana

Jacob’s Dream at Bethel [Ny nofin’i Jakoba tao Betela], nataon’i J. Ken Spencer

Vao haingana izaho sy Rahavavy Uchtdorf no nanatrika ny batisan’ny zafikelinay iray. Rehefa nijery taranaka maromaro nankalaza io tranga io izahay dia nahatsapa fankasitrahana lalina ny Raintsika any An-danitra noho ny drafitry ny famonjeny ho an’ireo zanany. Tsapanay ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana sy ny fanekempihavanana masina nataonay Taminy hatramin’ny voalohany indrindra.

Izany lanjany izany dia hita ao amin’ny tantaran’i Jakoba mahatoky ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nanao dia lava sy mafy mba hitady vady, sy hanambady ao anatin’ny fanekempihavanana, ary hanorina fianakaviana. Indray hariva dia nijanona i Jakôba mba hiala sasatra nandritra ny alina saingy tsy nahita afa-tsy vato izy hatao ondana. Tena reraka be mihitsy izy matoa mbola nahita tory—ary nanofy.

Niaraka tamin’ireo tanjona mendrika; dia ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny fanekempihavanana, nananany izay azo antoka fa tao an-tsainy, Jakoba dia nahita “tohatra niorina tamin’ny tany, ka nipaka tamin’ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

“Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama rainao sy Andriamanitr’i Isaka” (Genesisy 28:12–13).

Avy eo ny Tompo dia nanao fampanantenana manan-danja vitsivitsy tamin’i Jakoba—fampanantenana izay nataony ihany koa tamin’i Isaka rain’i Jakoba sy i Abrahama raibeny, izay ahitana ny:

  • Fampanantenana fa i Jakoba dia ho lasa rain’ny “firenena maro” (Genesisy 28:3; jereo koa ny andininy 14).

  • Fampanantenana tany ho an’ny taranak’i Jakoba (jereo ny Genesisy 28:4, 13).

  • Mampanantena fa amin’ny alalan’i Jakoba sy “ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 28:14; nampiana fanamafisana).

Tena masina tokoa ny zavatra niainan’i Jakoba ka nanambara izy hoe: “Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah. … Tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra”. (Genesisy 28:16–17). Ary noho izany dia nantsoin’i Jakoba hoe Betela ilay faritra, izay midika hoe “tranon’ Andriamanitra” (Genesisy 28:19, ambany pejy a).

Ireo fitahiana nampanantenaina nomena tao amin’ny nofin’i Jakoba dia nitaky ny hanaovan’i Jakoba fiakarana sary an’ohatra amin’ny tena fiainana. Amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany dia tsy sarotra ny mahita fifandraisana eo amin’ny nofin’i Jakoba, sy ny fanekempihavanan’ny Tompo, ary ny tranon’ny Tompo. Ny tempoly dia tena mitovy amin’izany tohatra hitan’i Jakoba izany. Ireo fampianarana sy ôrdônansy ary fanekempihavanana ao amin’ny tranon’ny Tompo dia mampifandray ny lanitra sy ny tany. Ireo fanekempihavanana dia azo ampitahaina amin’ny zana-tohatra iray izay mampanakaiky antsika ny Tompo. Ary amin’ny alalan’ny asa masina atolotsika any amin’ireo tempoly masina dia mitahy “ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany” isika—taloha, sy ankehitriny ary ho avy.

“Tena zava-baovao izany!”

Indray mandeha ny Loholona Bruce C. Hafen, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy nisaorana tamim-boninahitra, dia nahazo antso an-tariby avy tamin’ny tompon’andraikitry ny tonian-dahatsoratry ny gazetiboky nasionaly iray. Naniry hiresaka momba ny boky vao haingana izay niresaka momba ny tantaran’ny finoana mahakasika ny lanitra manerana ny fivavahana isan-karazany ilay tompon’andraikitra.

“Hitan’ireo mpanoratra fa ny mpamaky dia mahatsapa hanoanana miely patrana ho an’ny lanitra—sy ny fianakaviana any an-danitra,” hoy ny nosoratan’ny Loholona Hafen. Saingy na dia mbola nino ny fiainana aorian’ny fahafatesana sy ny fitiavana mandrakizay ary ny fiombonan’ny fianakaviana indray any an-danitra aza ny ankamaroan’ny olona, “ny ankamaroan’ireo fiangonana Kristianina dia manome valiny kely an’io hanoanana anaty io”—ankoatra ny: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany iray ihany.

Ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny dia manana ny tempoly masina isika. Manatanterzka ny fanambadiana mandrakizay isika, miaraka amin’ny fahefan’ny famehezana izay mitahy mihoatra ny fahafatesan’ny vatana. Manana ny fampanantenana ny hoavy mandrakizay miaraka amin’ireo olon-tiana isika eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka. Rehefa izany rehetra izany dia nofaranan’ireo mpanoratra fa ny hevitry ny Olomasin’ny Andro Farany momba ny lanitra no tena feno indrindra—ary dia hampiako hoe, ny sambatra indrindra.

“Tena zava-baovao izany!” Hoy ny Loholona Hafen. “Maniry fianakaviana mandrakizay ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, ary ny [filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny] no manatanteraka izany faniriana izany tsara kokoa noho ireo andian-kevitra [na faharesen-dahatra ara-pivavahana] hafa fantatra. Mba tiako ho ren’izao tontolo izao ireo zana[tsika] mihira ilay vaovao mahafaly hoe: -Fianakaviana mandrakizay-”.

Tsy fandaminana ara-piarahamonina mampety fotsiny ny fianakaviana. Izy ireo no lamina mandrakizain’ny lanitra. Izy ireo no “fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany”. Araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson antsika hoe: “[Ny Tompo] dia nahary ny tany [mba] hahafahantsika mahazo vatana sy manorina fianakaviana. Nanorina ny Fiangonany izy mba hanandratana ny fianakaviana. Manolotra tempoly Izy mba hahafahan’ny fianakaviana hiaraka mandrakizay”.

Saingy ny fahalianantsika hanana fianakaviana matanjaka dia tsy mikasika ny hoavintsika mandrakizay fotsiny ihany. Manana anjara asa manan-danja ao anatin’ny fahasambarantsika eto an-tany ihany koa ny fianakaviana. Ny Raintsika any An-danitra, izay mahafantatra tsara ny zavatra mitondra fahasambarana ankehitriny sy mandrakizay, dia mandefa ireo zanany ao anatina fianakaviana—mety ho tsy lavorary izy ireo—ary manasa antsika hanorina sy hikolokolo fianakaviana matanjaka. Mazava ho azy fa “ny kilema, ny fahafatesana, na ny toe-javatra hafa dia mety ilàna fifandaminana hafa“. Saingy tsy misy na inona na inona afaka manolo ireo andraikitra manan-danja sy voatendrin’ Andriamanitra ho an’ny mpivady, ray sy reny.

Ny fikarohana mikasika ny “fianakaviana ahitana ray sy reny niteraka izay mivady” dia mbola maneho hatrany fa tena ilaina ny fianakaviana amin’ ny fihazonana “ny fatoram-pitiavana sy firaiketam-po lalina.” Izy no “fototra ipoiran’ny olona miorina tsara sy milamina ary tompon’andraikitra eo amin’ny fiarahamonina”.

Mpiaro mavitrika ny Fianakaviana

Mazava ho azy fa tsy tokony hahagaga antsika ny hoe zavatra tena manan-danja amin’ny drafitr’ Andriamanitra toy izany dia hiatrika fanoherana. Tsy mba mpandala ny fianakaviana izany mihitsy i Satana, ary vao mainka mihamafy hatrany ny ezaka ataony “satria fantany fa kely sisa ny androny” (Apokalypsy12:12). Araka ny nolazain’ny Filoha M. Russell Ballard (1928–2023), Filoha Mpisolo toerana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, hoe: “Fantatr’i Satana fa ny fomba azo antoka sy mahomby indrindra hanakorontanana ny asan’ny Tompo dia ny fampihenana ny fahombiazan’ny fianakaviana sy ny fahamasinan’ny tokantrano”.

Ny fahafantarana ny zavatra fantatsika momba ny fianakaviana mandrakizain’ Andriamanitra, sy ny drafiny ho an’ireo zanany, ary ny maha-zava-dehibe mandrakizay ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana dia tokony ho anisan’ireo mpiaro mavitrika indrindra maneran-tany ny fianakaviana isika.

Ahoana no hanaovantsika izany?

Nanome izao torohevitra izao ny Loholona Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Ny fanambarana momba ny fianakaviana … dia fanamafisana indray avy amin’ny Tompo ireo fahamarinan’ny filazantsara izay ilaintsika mba hanohana antsika amin’ireo olana mihatra amin’ny fianakaviana ankehitriny”.

Eo amin’ny fiainantsika manokana isika dia afaka manao ireo “zava-madinika sy tsotra” (Almà37:6) izay manamafy orina ny fifandraisan’ny fianakaviana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarahana ireo fitsipiky ny fianakaviana sy ny fanambadiana mahomby voalaza ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana: “ny finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy”. Na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika amin’izao fotoana izao dia afaka maneho amin’ny alalan’ny zavatra ataontsika isika fa manan-danja mandrakizay amintsika ny fifandraisan’ny fianakaviana.

Amin’ny maha “olom-pirenena mahatsiaro ny adidiny” antsika eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika dia afaka ny “hampandroso ireo fepetra natao hiarovana sy hanamafisana orina ny fianakaviana” ireo isika.

Isika no vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo amin’ny andro farany. Mpandova ireo fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba isika—fampanantenana mahakasika betsaka ny fianakaviana. Ireo fampanantenana ireo dia tonga miaraka amin’ilay antso masina mba hitahy “ireo fianakaviana rehetra ambonin’ny tany”. Ary ny fomba iray manan-danja hanaovantsika izany dia amin’ny alalan’ny fiainana sy fiarovana ary fizarana ilay fahamarinana mandrakizay hoe “ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra” ary “ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina misy any amin’ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay”.

“Izaho momba anao”

Rehefa mijery ireo olona ao amin’ny fianakavianay manao fanekempihavanana masina amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy mandrakizay izaho sy Rahavavy Uchtdorf dia feno fifaliana fatratra sy fankasitrahana ny fonay. Tsy mifaly ao amin’ireo zanatsika sy ireo zanany fotsiny isika fa amin’ny ray aman-drenintsika sy ny ray aman-dreniny ihany koa. Misaintsaina amim-pitiavana lalina isika ny amin’ny fomba hampiraisan’ireo fanekempihavanan’ny filazantsara antsika manerana ireo taranaka mifandimby. Izany dia traikefa iray tsy tena hafa tamin’ny fahitana “tohatra niorina tamin’ny tany, ka nipaka tamin’ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy” (Genesisy 28:12).

Ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Jakoba tao amin’ny nofiny dia mipaka amin’ireo zanany rehetra ao amin’ny fanekempihavanana—anisan’izany ianao sy izaho. Tahaka ny nataon’ny Tompo tamin’i Jakoba dia hamaly antsika Izy “amin’ny andron’ny fahorian[tsika]” (Genesisy 35:3) raha misafidy Azy isika.

“Indro,” hoy ny Tompo, “Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra, … fa tsy handao anao Aho” (Genesisy 28:15).

Tahaka an’i Jakoba, dia manana tany foana hodiavina isika rehetra. Indraindray dia toa lavitra ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa misy olana na fanamby goavana mitranga dia mety hisalasala ny amin’ny fitiavan’ny Tompo isika. Mety hahatsapa mihitsy aza isika fa nahafoy antsika Andriamanitra. Na dia eo aza ny ezaka tsara indrindra ataontsika ho mpianatra mahatoky dia mety hahatsapa isika fa tsy mandray ireo fitahiana izay nantenaintsika.

Ry rahalahy sy anabavy, ry namana malala, ny lalan’ny fanekempihavanana dia lalana feno fifaliana, na dia mety ho voapentimpentin’ny ranomaso aza izany indraindray. Raha tsapanao fa tsy tanteraka eo amin’ny fiainanao ankehitriny ireo ampahany amin’ny drafitry ny fahasambarana, dia matokia fa miahy ny aminao ny Tompo ary hitahy anao amin’ny fotoana mahamety izany Aminy, araka ny fahendreny.

Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ireo fampanantenany dia mitaona antsika hiandrandra ny hoavy fa tsy ny lasa. Noho Izy, ny hoavintsika dia tsy tokony ho voagejan’ny zavatra rehetra nitranga tany aloha na manakana ny fijerintsika amin’izao fotoana izao. Eny, isika rehetra dia voaratra na ho voaratra na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa. Saingy mino ilay Mpanasitrana Lehibe isika. Matoky Azy isika—matoky be, raha ny tena marina, ka manaiky ny fampanantenany, “resy lahatra tanteraka amin’izy ireo”, na dia mbola “lavitra” aza izany (Hebreo 11:13).

“Aoka hotsaroantsika rehetra fa amin’ny fomba sy fotoan’ny Tompo manokana dia tsy hisy fitahiana holavina amin’ireo Olomasiny mahatoky”, hoy ny Filoha Nelson. “Hotsarain’ny Tompo sy homeny valisoa arakaraka ny fanirian’ny fony ary koa ny zavatra nataony ny olona tsirairay”.

Mampanantena aho fa raha manaraka sy mizara ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fianakaviana isika dia homba antsika Izy, hanohana antsika, ary hiaraka amintsika amin’ny diantsika. Tsy hamela antsika irery na oviana na oviana Izy, indrindra rehefa tonga eo amintsika na amin’ireo olon-tiantsika ireo fitsapana. Hitondra antsika Izy, hampitraka antsika, ary hitondra antsika any amin’ny tany nampanantenaina feno fifaliana miaraka Aminy, miaraka amin’i Jesoa Kristy Zanany, ary miaraka amin’ny fianakaviantsika—mandrakizay.