“Maso mahita ny zavatra tsara”, Liahona, mar. 2026.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Maso mahita ny zavatraTsara
Rehefa nanomboka nihena ny fahitan’ny vadiko dia nitodika tany amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izahay mba hahazoana fanamaivanana.
Sary nataon’i Briana Kranz
Tamin’ny janoary 2025 dia nanomboka sahirana tamin’ny fahitany i Kayla vadiko. Narary an-doha sy nahatsapa fanaintainana tsy tapaka teo amin’ny masony havia izy. Tsy nahita tsara izy ary nanomboka natahotra izahay.
Rehefa nanatona mpizaha maso iray izahay dia hitany fa voatery mafy ny masony havia. Nasainy nanatona mpitsabo maso iray izahay mba hitiliana glaucome. Tena natahorana ny fahitan’i Kayla. Niantso mpitsabo maro izahay, saingy maro ireo birao no mbola nikatona noho ny vanin’andro fialan-tsasatra. Ny sisa azonay natao dia niandry.
Nameno tanteraka ny sainay ny tahotra. Nitodika tany amin’ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny vavaka izahay mba hangataka fanampiana, nitalaho mba handeha araka ny drafiny ny zava-drehetra. Nahazo fanohanana izahay ary nahatsapa ny fitiavany. Fantatray fa hizotra araky ny tokony ho izy ny zava-drehetra.
Nahafandrika fotoana izahay nony farany, tao anatin’ny efatra andro monja, tamin’ny manam-pahaizana manokana iray izay manana lisitra fiandrasana amam-bolana maromaro raha ny tokony ho izy. Hitan’ilay mpitsabo maso fa nihena ilay fanerena tao amin’ny mason’ i Kayla. Nampividy fanafody atete amin’ny maso izy ary dia nandeha izahay.
Tsy nisy zavatra niova teo amin’ny mason’ny vadiko, saingy nianatra nahita lafin-javatra tsara izahay tamin’ny alalan’ny fitodihana tamin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Manampy antsika hijery lafin-javatra tsara sy ho faly ny Mpamonjy na dia eo aza ireo fitsapana. Fantatsika fa afaka manasitrana antsika amin’ny fotoanany sy amin’ny fombany manokana Izy.
Tsy nanefa ny saran’ny fahotantsika fotsiny i Jesoa Kristy—Niaritra ireo “fanaintainantsika sy fahoriantsika rehetra ihany koa Izy … isan-karazany; … mba ho feno famindram-po araka ny nofo ny ao anatiny mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:11–12).
Nahatsapa fankaherezana izahay satria fantatray fa nahatakatra ny alahelonay i Jesoa Kristy. Satria niantoraka taminy izahay dia nahita “fitsaharana ho an’ny fanahi[nay]” (jereo ny Matio 11:28–30).
Ny Filoha Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nampianatra toy izao:
“Afaka manamaivana ny entantsika i Jesoa Kristy.
“Afaka mitondra ny enta-mavesatsika i Jesoa Kristy. …