Liahona
Hevitra 20 ho anao amin’ny vanim-potoanan’ny Paska
Liahona martsa 2026


“Hevitra 20 ho anao amin’ny vanim-potoanan’ny Paska”, Liahona, Mar. 2026.

Hevitra 20 ho anao amin’ny vanim-potoanan’ny Paska

Manomboka amin’ny mahazatra mankany amin’ny vaovao dia maro ireo fomba hamoronana fomba amam-panao mifototra amin’i Kristy.

zavatra isan-karazany mifandray amin’ny Paska

Sary nataon’i Christina McMaster

Nandritra ny lahateniny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2023 ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanontany hoe: “Ahoana no fomba hampitoviantsika ny fampianarana sy ny fankalazana ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ny tantaran’ny Paska, amin’ny fifandanjana sy fahafenoana ary fomba fanao ara-pivavahana mitovy, amin’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, ilay tantaran’ny Krismasy?”

Mifantoka bebe kokoa amin’ny vanim-potoanan’ny Paska ireo mpikambana maneran-tany amin’izao fotoana izao. Indreto misy fiaraha-mientana tsotra mahasoa mba hanatsarana sy hampivelarana ny Paska—sy ny fitsaohana ny Mpamonjy—ho an’ny isam-batan’olona sy ny vondrona ary ny mpiangona.

Hevitra ho an’ny isambatan’olona sy ny fianakaviana

  1. Mamoròna rojo amin’ny taratasy misy soratra masina na teny nindramina mifantoka amin’i Kristy ary mieritrereta iray amin’izany isa-maraina ao anatin’ilay volana manatona ny Paska.

  2. Ny zavatra azo tsapain-tanana dia mety maneho ireo lafiny samihafa amin’ireo zava-nitranga tamin’ny Paska ao amin’ny soratra masina. Ohatra, misy olona sasany mampanidina papango kilalao maroloko mba hahatsiarovana ny fitsanganan’i Kristy avy tao am-pasana. Mitadiava zavatra izay mampahatsiahy anao ny Mpamonjy mandritra ilay vanim-potoanan’ny fety.

  3. Ny fanaovana karatra momba ny Paska dia mety ho fomba enti-mamorona entina hizarana ny fahazavan’i Jesoa. Hevero ny hanolotra ireo zavatra noforonina ireo amin’ny namana na mpifanolobodirindrina izay tompoinao.

  4. Nampiasa zava-manitra ireo mpanara-dia an’i Kristy ho fanajana Azy nandritra ny fandevenana Azy (jereo ny Jaona 19:39–40). Afaka mitarika ny eritreritrao amin’izany fotoana masina izany ny fampiasana zava-manitra amin’ny sakafonareo amin’ny Paska.

  5. Nanompo ny hafa i Kristy teo amin’ny fiainany, ary afaka mahatsiaro Azy isika amin’ity Paska ity amin’ny alalan’ny fanaovana toy izany koa. Asaivo maka anaran’olona iray ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana ary mandany ny Herinandro Masina hanompoana mangingina izany olona izany.

  6. Ny olona sasany dia mampiasa sampana oliva sy menaka oliva ho fampahatsiahivana ny fiadanana sy ny sorompanavotan’i Kristy. Azon’ny mpikamban’ny Fiangonana atao ny mampiditra ireo singa ireo ao amin’ny fanaingoana na ny sakafo mba hanehoana ny fiadanana atolotry ny Mpamonjy.

  7. Ny lohahevitra sasantsasany avy amin’ny Paska dia masina kokoa, ary ny fakana fotoana mandritra ny Herinandro Masina mba handalinana sy hisaintsainana mangina dia fomba iray hahatsiarovana izany lafiny izany.

  8. Ny Paska dia fankalazana ho fisaorana noho ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Mitadiava fotoana mandritra ilay vanim-potoana, hamenoana rindrina na peta-drindrina amin’ny fomba hanehoanao ny fankasitrahanao ny Mpamonjy.

  9. Any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao dia ankalazaina amin’ny vanim-potoanan’ny lohataona ny Paska, noho izany dia ilay vanim-potoana mihitsy no fampahatsiahivana hita maso ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Mitadiava toerana malalaka handehanana mamakivaky ny natiora ary hankafizana io tandindona io.

  10. Ny zanak’ondry dia sakafo nentim-paharazana maneho an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Zanakondrin’ Andriamanitra Azy, izay manatanteraka ny Paska, izay taloha, naneho ny fanafahana tamin’ny alalan’ny sorona (jereo ny Eksodosy 12; Jaona 1:29). Ny fandrosoana zanak’ondry dia fomba iray hahafahan’ny fianakaviana mahatsiaro ny anjara asan’ny Mpamonjy tamin’ny fanafahana antsika tamin’ny fahotana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

fakan-tsary, naotina mozika, ary zavatra hafa

Hevitra ho an’ny paroasy sy tsatòka

  1. Ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia fomba mahery vaika hifandraisana amin’i Kristy. Hevero ny hanokana fotoana hanaovan’ny paroasy fifadian-kanina mandritra ny Herinandro Masina ho amin’ny zavatra iray izay manan-danja ho an’ny fiarahamonina eo an-toerana.

  2. Mandritra ny Krismasy dia ankafizin’ny olona ny mamerina milalao ny tantaran’ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy. Noho ny fanajana dia tsy mamerina milalao ireo zava-nitranga tamin’ny Paska isika, saingy afaka manao fampaherezam-panahy ireo paroasy izay manasongadina ireo fampianaran’ny Mpamonjy avy amin’ny Herinandro Masina ary mifanakalo hevitra momba ny dikan’ireo tranga ireo.

  3. Noho ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia fotoanan’ny fanavaozana ny Paska. Ny fandrafetana vondrona iray mba hanadio trano na tokotanin’olona iray na ny tokotany dia mety ho fampahatsiahivana tena manampy an’io lohahevitra io.

  4. Any amin’ny faritra sasany eto amin’izao tontolo izao dia misy afon-dasy mirehitra mandritra ny fotoanan’ny Paska mba hanehoana ny fahazavana mandresy ny haizina. Ny fampirehetana afo na labozia dia afaka maneho ny Mpamonjy ho ilay Fahazavan’izao tontolo izao izay nandresy ny fahafatesana sy ny fahotana.

  5. Zarao ao anatin’ny lesona iray ny tonon’ireo hira ao amin’ny fihirana momba ny Paska. Resadresaho ny fotopampianarana sy ny tenivavolombelona ao anatin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay.

  6. Asao ireo mpikambana hampiseho hosodoko na sary izay maneho ireo lohahevitry ny Paska.

  7. Manana anarana fiantso sy anaram-boninahitra maro i Jesoa, ary samy manambara zavatra hafa momba ny toetrany ny tsirairay avy amin’izy ireo. Mety ho fomba tsara hifantohana amin’ny lafiny samihafan’i Kristy ho an’ny Paska, ny fiarahana amin’ny paroasy mba hampisehoana zavakanto momba azy ireo.

  8. Hevero ny hamorona fomba fitsaohana amin’ny alalan’ny mozika, amin’ny fampiasana soratra masina sy hira mba hisaintsainana ny sorona sy ny fitiavan’ny Mpamonjy. Afaka mivory ny paroasy na tsatòka iray mba hianatra sy hihira ireo hiran’ny Paska ary hizara soratra masina mifandray amin’ny Paska.

  9. Afaka ny ho mandrakizay ny fianakaviana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ny fanomanana fiaraha-mientana momba ny tantaram-pianakaviana na dia mankany amin’ny tempoly dia afaka mampahatsiahy ireo mpikambana io fitsipika io mandritra ny Paska.

  10. Ny fanaovana sary amin’ny tsaoka dia fiaraha-mientana mahafinaritra ho an’ny sokajin-taona rehetra, ary ny fanaovana hetsika zavakanto amin’ny tsaoka momba ny Paska iraisan’ny rantsana dia mety ho fomba tsara hizarana sy handraisana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy.