Fampaherezam-panahy 2025
Fitantanan-draharaha amim-pahamarinana—mpianatr’i Jesoa Kristy


44:17

Fitantanan-draharaha amim-pahamarinana—mpianatr’i Jesoa Kristy

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora

4 mey 2025

Tonga soa ry namana maneran-tany! Mampientanentana ahy ity fahafahana hiaraka aminareo ity—mba hizarana ny fitiavako anareo sy ireo hetahetako aminareo. Ny antenaiko indrindra dia ny traikefa hiainanareo eto anio hariva, izay hahatsapanareo ny fitiavan’ Andriamanitra ka hotaomim-panahy ianareo hanatanteraka ireo faniriany lehibe indrindra ho anareo!

Eto amin’ny toera-manan-tantaran’ny Taberinakely eto Temple Square, Salt Lake City no misy antsika. An-jato taonany mahery talohan’ny nahaterahako no nanombohan’ny fanorenana an’ity trano lehibe ity. Lafo be ny fitaovam-panorenana teto amin’ny Faritr’i Utah tamin’izany, tsisy lalam-by hitaterana entana ary zara raha nisy ny vola, raha nisy akory aza. Saingy tia karokaroka ireo niasa tamin’io fanorenana lehibe io ka nanodina izay akora nisy. Ny sasany tamin’ireo hazo fisaka nampiasaina dia nalaina avy tamin’ireo toeram-ponenana namboarina taloha. Notefena avy tamin’ny kitron’omby tonta ny fantsika sy ireo vy fisaka boribory. Ireo pilatira dia nafangaro tamin’ny volom-biby mba ho mafy. “Avadika”, “averina ampiasaina” ary “aodina” no voambolana nalaza tamin’izy ireo talohan’ny nahalasa izany ho fiteny fampiasantsika.

Nanamboatra ny varavarana mafonjan’ity Tabernakely ity ny dadan’ny dadabeko faharoa sy fahatelo, izay mpiavy avy any Angletera. Tsy azon’izy ireo veroka mihitsy hoe hiteny eto amin’ity toerana manan-tantara ity ny taranak’izy ireo, dia ny zafikely vavy iray.

Ry rahavavy sy ranadahy, takatrareo ve ny fiantraikany entinareo eo amin’izao tontolo izao?

Feno fanamby eto amin’ny tontolo iainantsika. Ary taranaka vehivavy sy taranaka lehilahy natokana ho amin’izao andro izao ianareo: manana ny fahaiza-manao, toetra sy faniriana ary fahafahana ny hanovo amin’ny herin’ Andriamanitra ianareo mba hiatrehana sy hamahana ireo fanamby ireo. Masina ilay hery anaty anananareo.

Matoky anareo aho. Manambara ny fatokisany anareo ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Rehefa izy ireo no miteny izany dia toy ny Tompo mihitsy no milaza izany.

Miangavy aho, aza milavo lefona amin’ny fikaroham-bahaolana amin’ireo fanambin’ny androntsika. Mila anareo izahay!

Takatro fa mora ny voafitaky ny lafy ratsin-javatra, sy mifantoka amin’ireo olana misy maneran-tany izay ampitain’ny haino vaky jery. Mahavalaketraka ahy ny ady mpitam-piadiana, ny adilahy pôlitika, ny famoretana, ny loza voajanahary, ny fampijaliana olombelona. Mety hahatsapa ho tsy manan-kery hampisiana vahaolana maharitra ianareo.

Amim-pahatokiana kosa no anambarako fa amin’ny alalan’ny tanjaka sy herin’ Andriamanitra mitolotra aminareo rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana Aminy ianareo, ianareo dia afaka manohitra ny faharatsiana sy mampamirapiratra hazavana eny amin’izay misy haizina rehetra.

“[Isika] no fahazavan’izao tontolo izao” izay nambaran’ny Mpamonjy. Ary “ny fahazavana dia miraikitra amin’ny fahazavana.” Ny famelana ny fahazavan’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika hamiratra no endrika faratampon’ny angovo azo havaozina; angovo avy amin’ny loharano izay feno tsy tapaka. Ijoroako ho vavolombelona fa rehefa mitondra ny fanamaivanany sy ny fahazavany amin’ny hafa isika dia hahita ny fanamaivanana ho antsika ao Aminy.

Koa aoka ianareo ho mpampihavana any an-tokantranonareo sy ny fiaraha-moninareo ary any amin’ny serasera an-jotra ataonareo. Amaivano ny fahoriana eo amin’ny manodidina anareo.

Ny hahatonga antsika ho olona hetsehina no tanjon’i Satana. Mifanohitra amin’izany kosa, ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana dia manome antsika fahafahana hihetsika, hanao soa, hampisy fiadanana ary fanantenana.

Afaka manohitra ny fampielezam-baovao diso isika amin’ny alalan’ny fizarana vaovao mankahery sy feno fanantenana ary marina; ho lasa mpiaro ny fahamarinana fa tsy mpanjifa vaovao fotsiny. Azontsika atao ny mamaly ny faharatsiana amin’ny alalan’ny fanondrahana izao tontolo izao amin’ny fahazavana sy ny vaovao mahafalin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Araka ny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson malalantsika hoe: “I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny.” “Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany.”

Nanasa antsika ny Filoha Nelson mba hanao ny maha-mpianany antsika ho ny “laharampahamehana ambony indrindra”. Manamafy orina ny maha-mpianatra antsika isika rehefa mianatra amin’i Jesoa Kristy sy ny momba Azy. ‘Ndeha ary hozahantsika ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

Ny Matio toko 25 dia ahitana fanoharana telo, dia ireo izay noraketin’i Matio ho ireo fanoharana farany nampianarin’ny Mpamonjy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Tamin’ny fanomanako ny lahateniko farany tamin’ny fihaonambe sy tamin’ity fampaherezampanahy ity, ny Fanahy dia nitaona ahy hamerina handalina ireo tantara ireo sy hianatra avy amin’izany.

Amin’ity lahateniko ity dia tiako ny hanamafy ny lafiny fiomanana sy fitantanan-draharaha ao amin’ireo fanoharana ireo. Nasain’ny Filoha Nelson isika hanao an’ “izao … [ho] fotoana … hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroa an’[i] … Jesoa Kristy”. Ny fitantanan-draharaha dia ny fitantanana amim-pitandremana sy amim-pandraisana andraikitra ny zavatra izay nankinina mba hotandreman’ny tena. Amin’ireo fitantanan-draharaha ataontsika dia maka tahaka an’i Jesoa Kristy isika. Koa dia henoy ary ny lesona momba ny fiomanana sy ny fitantanan-draharaha azontsika tsoahina avy amin’ireo tantara ireo.

Voalohany, ny fanoharana momba ireo virijiny folo: ireo dimy hendry sy ireo dimy izay nofaritana ho adala.

Ao amin’ilay fanoharana ireo virijiny folo dia samy teo amin’ny toerana tokony ho izy, niandry ny mpampakatra. Nitondra fanala ny tsirairay avy tamin’izy ireo. Toa anareo rehetra. Eto ianareo, mampihatra finoana ary manamafy orina ny fijoroanareo ho vavolombelona.

Rehefa tonga tamin’ilay misasakalina tsy nampoizina ilay mpampakatra, izay maneho ny Mpamonjy, dia tsy ampy solika fitaiza ny fanalan’ny dimy tamin’ireo virijiny. Tsy noeritreretin’izy ireo angamba fa ny fananana solika fitaiza fanampiny dia manan-danja na ilaina. Na koa, tsy mpitantan-draharaha malina izy ireo tamin’ny solika fitaiza nananany. Mety ho varimbarina izy ireo ka tsy nahavita niomana araka ny tokony ho izy mba hampirehitra tsy tapaka ny fanalany.

Noho izany, ho valin’ny fangatahan’izy ireo mba havela hiditra ao amin’ilay fanasan’ny fampakaram-bady, dia niteny ilay mpampakatra hoe: “Tsy mahafantatra Ahy ianareo.” Midika izany fa tamin’ny alalan’ny fiomanany sy ny fitantanan’izy ireo tamim-pahendrena ny raharahany, ireo virijiny dimy hendry dia nahafantatra Azy.

Ilay solika fitaiza sarobidy, izay maneho ny fiovam-pon’ny tena manokana, dia namela ireo virijiny hendry handrehitra ny fanalany sy hiditra tao amin’ilay lanonam-panambadiana niaraka tamin’ilay mpampiakatra. Tsy azo nozaraina tamin’ny namany ilay solika fitaiza satria izany mihitsy ny fiovam-pon’ny tena manokana, an’ny tena manokana ilay izy. Afaka sy tokony hanainga ambony ny fanalantsika sy hampahery ny hafa isika saingy mpitantan-draharaha amin’ny fiovam-pontsika manokana ny tsirairay avy amintsika.

Araka ny nambaran’ny Mpamonjy hoe: “Koa aoka ho mahatoky, hivavaka mandrakariva, hanana ny fanalanareo voakarakara sy mirehitra ary solika miaraka aminareo, mba ho vonona ianareo amin’ny fiavian’ny Mpampakatra.”

Isika koa dia hahafantatra ny Mpamonjy sy hanana “fahatokian-tena amin’ny fanatonana an’ Andriamanitra izao ankehitriny izao rehefa miomana ny hitandro ny fanalantsika ho feno ny solika fitaizan’ny fiovam-po sy mamela ny fahazavan’ilay fiovam-po hamiratra. Ary tahaka ny asehon’ilay sary sokitra eo amin’ny Temple Square,isika dia afaka sy tokony hanohana sy hampahery ny hafa ao anatin’izany rehetra izany: manasa ny hafa hankeo amin’ilay fahazavana, dia ilay Fahazavan’izao tontolo izao, i Jesoa Kristy.

Momba ireo talenta ny fanoharana faharoa notantarain’i Matio. Ao amin’ilay tantara, ilay tompo, ho fanomanana ny dia lavitra nataony, dia nanome talenta an’ireo mpanompony. Vola ny talenta iray ao amin’ny Testamenta Vaovao. Saingy antenaiko fa ho fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao ary fitahiana nomen’ny Ray any An-danitra antsika no hiheveranareo ireo talenta. Nomeny talenta dimy ny mpanompo iray, nomeny roa ilay iray hafa ary nomeny iray ny iray hafa. Avy eo dia lasa nandeha ilay tompo.

Rehefa niverina izy dia nahita fa nahatoky sy mpitantan-draharana tsara ireo mpanompo nomeny talenta dimy sy talenta roa ary nampiasa tsara ny talentan’izy ireo. Nampitombo avo roa heny ny talenta nampiandraiketina azy ireo izy tsirairay avy. Koa nahatoky tamin’ny kely izy ireo dia nomen’ilay Tompo bebe kokoa, ka hoy Izy: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.”

Mifanohitra amin’izay kosa, ilay mpanompo nomena talenta iray dia nandevina ny azy: angamba satria variana izy ary nanemotra ny fotoana hampiasana tsara ny talentany. Na koa nahasorena azy ny fahafantarana ny fomba hanombohana na matahotra ny tsy hahomby izy. Mety ho nampitaha ny tenany tamin’ireo mpanompo hafa izy ka nanakana azy tsy hanandrana ny fisalasalany momba ny fahaiza-manaony. Tsy niomana tamin’ny fiverenan’ny tompony izy, tsy niaina ny fifaliana nentin’ny fitantanan-draharaha amim-pahatokiana ka very ny talentany.

Fanoharana mitovy tantana ilay fanoharana momba ireo virijiny adala sy ilay fanoharana momba ireo talenta. Samy manamafy izy roa fa tompon’andraikitra manokana amin’ny fiovam-pontsika isika ary tsy maintsy manomana ny tenantsika handray ny fanomezan’ny fisandratana atolotry ny Tompo; ary mpitantan-draharaha sy tompon’andraikitra manokana isika amin’ny zavatra izay nitahiana antsika.

Farany, Matio 25 dia mitantara momba ireo izay manana “fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra.” Nofaritana ho ny ondrin’ny Mpiandry ondry Tsara, hita eo ankavanany, mianoka ilay lanonam-pampiakarana miaraka Aminy ary notahiana mba ho mpanapaka amin-javatra be dia be, hoy Izy:

“[Noana] aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomazina Aho, dia novangianareo.”

Maneho izany amin’ny fomba kanto ity horonan-tsary ity.

[horonan-tsary (sous titre)]

“Nasehon’i Jesoa antsika ny fomba itiavana ny namantsika. Manaraka ny ohatra nasehony isika rehefa mampitraka ireo totraka[,] mikolokolo ny ankizy[,] Mampionona ny manodidina antsika[,] mamahana ireo noana[,] mitady ireo izay sahirana. Isan’andro dia fotoana hahafahana ho tonga tahaka Azy, manompo tahaka Azy, mikarakara tahaka Azy. Isan’andro dia manomboka aminao ny fikarakarana. Tsidiho ny CaringSummary.ChurchofJesusChrist.org

[tapitra ny horonan-tsary]

Izany no angatahana amintsika. Amin’ny maha-mpianany antsika dia manomana ny tenantsika ho amin’ny Fiaviany Fanindroany isika ary mitantana amim-pahatokiana sy tsara ny zavatra nitahiana antsika isika. Ny fangorahana, fiantrana, hatsarana ary ny fitantanan-draharaha amim-pahatokiana no mahatonga antsika ho mendrika ny hiaina hiaraka Aminy sy hanana fahatokian-tena eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny. Araka ny nampianarin’i Môrmôna hoe ireo izay feno fiantrana, ny fitiavana madion’i Kristy, dia “ho soa ho [azy ireo] izany” amin’ny andro farany. Ho tahaka an’ny Mpamonjy izy ireo, hahita Azy tahaka ny maha-Izy Azy sy ho feno fanantenana ary ho madio tahaka Azy izay madio. Nambaran’ny Filoha Nelson hoe: “Ny fiantrana sy ny hatsaram-panahy no fomba hahazoana fahatokiana eo anatrehan’ Andriamanitra!”

Ireo fanoharana telo rehetra ireo dia mampianatra ny fomba tokony hiomanan’ireo mpianany, ny fomba tokony hiomanantsika, amin’ireo andro mahory izay mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Ireo andro iainantsika izany! Mila mitandro ny fanalan’ny fiovam-pontsika hirehitra hazava tsara isika, mamela ny fahazavantsika hamiratra, mampiasa sy mampivelatra ny talentantsika, mikarakara ireo izay sahirana, izany hoe manana fiantrana, dia ny fitiavana madion’i Kristy.

Ireo fanoharana telo ireo dia mampianatra antsika momba ny fitantanan-draharaha:

Fitantanan-draharaha ho an’ny fiovam-pontsika manokana.

Fitantanan-draharaha ho an’ireo fanomezam-pahasoavana, talenta, fananana ary fanampiana izay nitahiana antsika, anisan’izany mihitsy ny tany.

Fitantanan-draharaha ho an’ireo mpiara-belona izay noana, tsy manan-kialofana, voaratra sy trotraka.

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Krisy antsika, ahoana no hampiharantsika fitantanan-draharaha tsara?

Mety hanampy angamba ny firesahana misimisy momba ny fitantanan-draharaha. Aleo aloha hofaritana ny fitantanan-draharaha. Dia inona no atao hoe mpitantan-draharaha?

Ny mpitantan-draharaha dia mitantana ny fananan’ny tokantrano lehibe iray na ny taniny. Ny mpitantan-draharaha dia tsy tompon’ny fananana fa nanankinana ny fitantanana izany eo amin’ny toeran’ny tompony. Ny mpitantan-draharaha tsara dia mahatoky amin’ny fananan’ny tompony, mikarakara ireo harena amim-pahendrena sy amin-kalalahan-tanana. Ny fitantanan-draharaha izany, dia ny fitantanana amim-pitandremana sy amim-pandraisana andraikitra an’ireo zavatra izay nankinina tamintsika mba hokarakaraintsika.

Nampianatra ny dikan’ny fikolokoloana ny tany ny Eveka Gérald Caussé ao amin’ny Episkôpà Mpiahy. Hoy izy: “Ao amin’ny filazantsara, ny teny hoe fitantanan-draharaha dia manondro ireo andraikitra masina ara-panahy na ara-batana mba hikolokolo zavatra izay an’ Andriamanitra, izay maha-tompon’ andraikitra antsika.”

Diniho anie ny halehiben’io hevitra io e! Mpitantan-draharaha amin’ireo fananan’ny Ray any An-danitra izay nankininy tamintsika isika. Izany dia fitokisan’ Andriamanitra momba ny tany sy ny harena ao aminy; ireo zanany, ireo fanomezam-pahasoavantsika sy ireo talenta ary fitahiana azontsika. Ary andraikitra masina ny mikarakara ireo fananana ireo amim-pitandremana.

Inona sy ho an’iza no maha-mpitantan-draharaha anareo?

Mpitantan-draharaha amin’izay rehetra voaharin’ Andriamanitra eto amin’ity tany ity mihitsy isika. Mpitantan-draharaha amin’ny vatanareo sy ny sainareo manokana ianareo. Mpitantan-draharaha amin’ny fahaiza-manao, talenta, fanomezam-pahasoavana ara-panahy ary ny fanampiana nitahiana anareo ianareo. Mpitantan-draharaha ho an’ity tany ity ianareo. Ary mpitantana ny raharaha ho an’ny tsirairay avy aminareo ianareo.

Nohazavain’i Eveka Caussé hoe: “Ny zavatra faratampony indrindra amin’ny fitantanantsika ireo zavaboarin’ Andriamanitra dia ahitana ny adidy masina mba hitia sy hanaja ary hikarakara ireo olombelona rehetra miara-miaina amintsika eto an-tany. Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izy ireo, anabavy sy rahalahintsika, ka ny fahasambaran’izy ireo mandrakizay no tena tanjon’ny asan’ny fahariana.”

Ho mpitantan-draharaha tsara ve ianareo? Izany hoe, hikolokolo amim-pahendrena sy amin-kalalahan-tanana an’ireo zavaboaharin’ Andriamanitra ve ianareo?

Tiako ny hamelabelatra momba ny fitantanan-draharaha mahakasika an’ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta nomena antsika, ny fitantanan-draharaha momba ny tany sy ny fitantanan-draharaha mikasika ny mpiara-belona amintsika. Tsarovy fa porofon’ny maha-mpianatra antsika ny fitantanan-draharaha amim-pahamarinana.

Voalohany, ny fitantanan-draharaha momba ireo fanomezam-pahasoavana sy talentantsika.

Izao no fahamarinana ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–12:

“Fa ny tsirairay dia tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra tsirairay omena azy; fa misy maro ireo fanomezam-pahasoavana, ary ny olona tsirairay dia omen’ny Fanahin’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray.

“Ny sasany dia omena iray, ary ny hafa dia omena iray hafa mba hahazo tombontsoa amin’izany ny rehetra.”

Ny fanomezam-pahasoavana ara-panahintsika dia fahaiza-manao nomen’ Andriamanitra ho an’ny tsirairay avy amintsika. Omena araka ny sitrapony sy ny fotoanany ireny, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ary natao hitahiana sy ho tombontsoan’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Ireo mpitantan-draharaha mahatoky dia mikatsaka sy manasa fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho eo amin’ny fiainan’izy ireo ary mampiasa izay nomena azy hampitrakana sy hanompoana ny hafa. Ny tsirairay avy aminareo, zanak’ Andriamanitra, dia nomena fanomezam-pahasoavana sy talenta miavaka.

Ny Loholona Marvin J. Ashton, mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia namariparitra momba ana fanomezam-pahasoavana sy toetra ary fahaiza-manao tsy dia miharihary firy izay mety tsy noeritreretinareo. Eo am-pitanisako izany dia azonareo atao ve ny manomban-tena ka mamantatra iray na roa amin’izy ireo izay nomena anareo? Rehefa manana ilay fanomezam-pahasoavana dia hevero avy eo ny fomba hampiasanareo izany amin’ny maha-mpitantan-draharaha mahatoky anareo mba hitahiana ny hafa.

“Ny fanomezam-pahasoavan’ny fangatahana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahenoana sy fampiasana feo tony sy malefaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana mitomany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny fifandirana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana mifanaraka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny famerimberenana fahatany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fikatsahana izay marina; ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra mba hahazo fitarihana; ny fanomezam-pahasoavan’ny maha-mpianatra, [ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana mampitony]; ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misaintsaina; ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona … matanjaka; ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”

Eo am-pandinihanareo ny fanomezam-pahasoavanareo dia mba hanolotra fampitandremana aho. Aza ampitahaina na afatra mitaha amin’ny an’ny hafa ny fanomezam-pahasoavanareo. Aza mandray anjara amin’ny “fanombanan-tena manambany tena”. “Mandroba ny fifaliana ny fampitahana ny tena amin’ny hafa.” Ekeo sy ampiasao ny fanomezam-pahasoavanao ary ifalio izay ananan’ny hafa. Tsarovy fa ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia omen’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy mba hahazo tombontsoa amin’izany ny rehetra.

Mpampianatra teny anglisy ny renibe malalako ka nosafidiany tsara ireo voambolana nampiasainy. Tiany ery ny miteny hoe: “Mahatsiravina ny fampitahana ny tena amin’ny hafa.” Teny mahery tokoa ny mahatsiravina. Midika izy io hoe: “maharikoriko sy tena manafintohina.” Nahoana ny renibeko no nampiasa teny mahery tahaka an’io rehefa manoro hevitra ny amin’ny loza ateraky ny fampitahana ny tena amin’ny hafa? Satria mahalana no mitondra soa ny fampitahana ny tenantsika amin’ny hafa. Rehefa mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika dia manavaka ny tenantsika amin’izy ireo. Raha tokony hahatsapa ho isan’ny vatan’i Kristy manontolo aho dia maka ny toeran’ny ankihikely sy mandrefy ny lanjako amin’ny hafa izay heveriko fa soroka sy tanana ary tratra. Amin’ny ankapobeny, rehefa mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika dia mahatsapa ho ambany na ambony ary sady tsy ambany no tsy ambony. Zanaka tian’ny ray aman-dreny any an-danitra isika rehetra, nomena fehezana fanomezam-pahasoavana ara-panahy, toetra sy talenta ary tanjaka.

Koa manasa anareo aho hamboly ny fanomezam-pahasoavan’ny famoizana ny fampitahana. Angataho ny Rainareo any An-danitra mba hanampy anareo hamantatra ny fanomezam-pahasoavana sy ny talentanareo sy ny fomba azonareo hampiasana izany amin’ny maha-mpitantan-draharaha mahatoky anareo.

Ity misy ohatra iray.

Taona vitsy lasa izay i Jean, tanora nipetraka tany Pays-Bas, no nisaintsaina ny didy voalohany nomena an’i Adama sy i Eva mba hihamaro sy hameno ny tany. Rehefa niaina fahamombana izy mivady dia nikatsaka ny hahatakatra ny fihatran’io didy io tamin’izy ireo tamin’izany. Miaiky izy fa tamin’izany fotoana izany dia tsy nanan-janaka i Adama sy i Eva, namboly sy nikolokolo ny saha nomen’ Andriamanitra mba hotantanan’izy ireo izy ireo. Rehefa nandinika ny toe-javatra niainany izy dia nieritreritra momba ireo saha izay nisy azy: ny sahan’ny tany, ny sahan’ny fireneny, ny sahan’ny fianakaviany ary ny sahan’ny paroasiny.

Tonga saina izy fa na dia tsy nonina tao amin’ny Saha Edena aza izy dia ireo no saha nametrahan’ny Tompo azy. Afaka mikatsaka ny hihamaro sy hameno amin’ny sehatra izay nomeny mba hotantanany izy. Nieritreritra i Jean hoe:

  • “Ahoana no ahafahako mampitombo ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo ahy sy ny hafa?

  • Ahoana no ahafahako mampitombo ny fitiavako ny zanak’ Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafahako mampitombo ny fotoanako sy ny ezaka ataoko mba hanompoana ny hafa?

  • Ahoana no ahafahako mameno ny vovo ara-panahiko?

  • Ahoana no ahafahako mameno ny zavatra verin’ny hafa na ara-batana izany na ara-panahy?

  • Ahoana no ahafahako mameno fanantenana sy finoana izay toa very amin’ny olona maro eto amin’izao tontolo izao?”

Rehefa nifantoka tamin’ireo fanontaniana ireo i Jean dia voatahy izy ka afaka namantatra fahafahana azony noararaotina mba hampitombo sy hameno amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta nananany. Nampianatra teatira ny zatovo avy amin’ny firenena maneran-tany izy. Nanompo tao amin’ny zatovavy izy. Noararaotiny ny ora malalaka tamin’ny asany mba hanampiana amin’ny fikarakarana ny zanaky ny namany. Nandany fotoana misimisy kokoa tamin’ny fandalinana ny filazantsara izy ary nahatsapa ho nahatakatra kokoa ny fomba itondrana ny enta-mavesatry ny hafa sy ampiononana ireo izay mila fampiononana. Nampitombo ny fijoroany ho vavolombelona sy ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izany. Ny manan-danja indrindra dia nahatakatra manokana ny drafitr’ Andriamanitra ho azy izy.

Hampitombo sy hameno ny fananan’ny Tompony mandrakariva ny mpitantan-draharaha tsara.

Na dia tsy araka ny niheverany azy tamin’ny voalohany aza izany dia niainany tamin’ny fomba kanto ny porofon’ny fampanantenan’ny mpaminany Jeremia izay niteny hoe:

“Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovahho tompony.

“Ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.”

Faharoa, fitantanan-draharaha mikasika ny tany sy ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Noho isika mpisitraka ireo tombontsoa avy amin’ny Fahariana nataon’ Andriamanitra, dia inona no tokony hataontsika? Tokony hikarakara ny tany isika, ho mpitantan-draharaha hendry ary hiaro izany ho an’ny taranaka ho avy.”

Fantatro fa ity dia lohahevitra izay mampiasa saina be ny taranaka misy anareo. Manana fahatapahan-kevitra lehibe ianareo ary manana fanahiana ny sasany aminareo. Mamelà ahy hanome toky anareo fa nanomana lalana Andriamanitra mba hisian’ny fiainana mahasoa ho an’ny rehetra eto amin’ity planeta ity raha vonona ny hampiasa ny fanomezam-pahasoavana sy ny talentantsika ho amin’izany zava-tsoa izay isika, mitoetra ho mendrika handray fanambarana ary malina amin’ny fampiasana ireo harena sesehen’ny tany mba hifampikarakarana.

Hoy ny Tompo:

“Izaho … namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, izay tena asan’ny tanako; ary ny zavatra rehetra eo aminy dia Ahy.

“Fa feno ny tany ary manana ny ampy sy ny hotehirizina aza; eny, nomaniko ny zava- drehetra ary efa nomeko ny zanak’olombelona ny hisafidy ho an’ny tenany.”

Ahoana no hampiasanareo ny fahafahanareo misafidy izay nomena anareo, ny fitantanan-draharahanareo, mba hitahiana amin’ny fomba manetriketrika ny tany?

Nohazavain’ny Tompo ao amin’ny andininy manaraka fa isika dia tsy maintsy “maka amin’ny habetsahana izay efa [nataony] ary [manome] amin’ny anjarany, araka ny lalàn’ny [filazantsarany], ho an’ny mahantra sy ny sahirana.” Misy ambim-bava ampy raha zaraintsika ireo fitahiam-bentsika ary ampiasaintsika mba hikolokoana ny tany amin’ny fomban’i Kristy ny fahafahantsika misafidy.

‘Ndeha iverenantsika ilay teny nambaran’ny Filoha Nelson momba ny fitantanantsika ny tany. Hoy izy: “Noho isika mpisitraka ireo tombontsoa avy amin’ny Fahariana nataon’ Andriamanitra, dia inona no tokony hataontsika? Tokony hikarakara ny tany isika, ho mpitantan-draharaha hendry, ary hiaro izany ho an’ny taranaka ho avy.”

Notohizan’ny Filoha Nelson avy eo hoe: “Ary mifankatia sy mifampirakarakara isika.”

Manan-danja ny manaiky ny fifandraisana misy eo amin’ny fikolokoloana ny tany sy ny fikokoloana ny mpiara-belona amintsika. Rehefa mikolokolo ny tany isika, manatsara ny tontolo iainana misy antsika sy manampy ny fiarahamonintsika ho lasa lovain-jafy dia mitantana amim-pahendrena ny tany mba hitahiana ny fiainan’ireo mpiarabelona amintsika isika. Izy ireo no ireo izay nandidiana antsika mba hotiavintsika. Tahaka an’ny ondry ao amin’ilay fanoharana, isika dia mamahana ireo noana, manome rano an’ireo mangetaheta, mampitafy ireo tsy manan-kotafiana, mamangy izay marary sy trotraka. “Mamonjy ny osa isika, mampiakatra ny tanana miraviravy ary manatanjaka ny lohalika malemy.”

Manao izany ireo rahavavy sy anadahinareo maneran-tany. Lehibe tany amin’ny nosy lavitra be tany Marakei, Kiribati i Eritai. Taorian’ny fiverenany avy nitory ny filazantsara dia nianatra tao BYU–Hawaii izy, ka nandray anjara tao amin’ny SWAT, ekipan’ny Hetsika ara-teknôlôjia ho an’ny tontolo lovain-jafy, ka nianarany momba ny fambolena anaty rano, fomba izay hambolena zava-maniry tsisy tany fa mampiasa otrikaina mineraly ao anaty rano. Rehefa vita ny fianarany dia niverina tany Kiribati i Eritai nanampy ny olony.

I Kiribati dia firenena nosy ahitana nosina haran-dranomasina miendrika peratra 32 misy helodrano eo afovoany, izay antsoina hoe nosikely, sy nosinankorandriaka. Noho izy eny amin’ny ekoatera dia mampahory ny toetrandro. Ny rivotra mafana be sira sy ny fidiran’ny ranon-dranomasina dia manimba ny voly sy mandoto ny rano. Koa dia tsy misy loatra tany sy toerana hambolena sakafo mahavelona any. Lasa nihanaka teo anivon’ny mponin’ny nosin’i Kiribati ny tsifanjariantsakafo sy aretina noho izy ireo niantehitra tamin’ny ampahany be tamin’ny sakafo nafarany avy any ivelany sy ny sakafo indostrialy.

Saingy i Eritai dia nanana hery sy vina, talenta izay nampiasainy hamoronana fandaharanasa lovain-jafy mba hampianarana ny fianakaviana tao Kiribati ny fomba hambolena voankazo sy legioma mahavelona amin’ny alalan’ny fambolena anaty rano. Ny zaridaina famboly anaty rano dia azo afindrafindra, mahaleo tena sy vokatra vetivety ka mamokatra ao anatin’ny 30 andro.

Noho io asa fampivoarana sy mamonjy aina nataony io dia nomen’ny Firenena Mikambana ny amboaran’ny Tompon-dakan’ny Tany ho an’ny Azia Pasifika izy.

I Eritai dia ohatra mahatalanjon’ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta tamin’ny fikolokoloany ny tany sy ny mpiarabelona aminy. Rehefa mamahana ireo noana isika dia voaisa ao anatin’ireo ondry eo amin’ny tanan-kavananan’ Andriamanitra.

Ary manome rano fisotro an’ireo izay mangetaheta isika. Ny fitahiana ny mpiarabelona amintsika amin’ny alalan’ny rano madio sy toeram-pidiovana ary ny fitaovam-pidiovana dia manan-danja amin’ny fivoaran’ny olombelona. Mba hanatanterahana an’io asa io, ny Fiangonana dia miara-miasa amin’ny fikambanana hafa sy ny vondrom-piarahamonina eo toerana maneran-tany mba hampivoarana ny fisitrahana an’ireny tolotra ireny ary hanamafisana orina ny rafitra amin’ny ankapobeny, amin’ny alalan’ny fakana antoka fa ireo vahaolana dia maharitra sy mampiroborobo ny fizakan-tena. Asa manan-danja izany! Ary manan-danja hatrany izany noho ny fihanaky ny haintany maneran-tany ary tsy mitsaha-mitombo ny mponina.

I Alexandra, tanora any Cascas, Pérou, dia nanontany tena hoe: “Inona no tsy ampy amintsika eto?” Fantatr’i Alejandra fa 20 isan-jaton’ny fianakaviana eo amin’ny fiarahamoniny dia tsy ampy tolotra toeram-pidiovana ka miteraka fitomboan’ny loza ateraky ny aretina avy amin’ny rano toy ny kôlerà. Mba hamahana io olana io dia nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny orinasa mikasika ny toeram-pidiovana izay nomen’ny ekipan’ny Water for People tao Pérou i Alexandra.

Nanangana orinasa izy ary namatsy ny toeram-pivarotana keliny tamin’ny entana toy ny lavabo, robinets, lava-piringa, taila, ary fitaovana hafa izay nilain’ireo fianakaviana mba hamitana ny toeram-pidioavan’izy ireo. Ankehitriny ireo fianakaviana any Cascas dia afaka mahazo ireo fitaovana ilain’izy ireo hanamboarana toeram-pidioavana ao an-trano.

Azonareo atao ihany koa ny mamantatra ireo filàna rano madio sy toeram-pidioavana eo amin’ny fiarahamoninareo sy ny fomba hahafahanareo manampy.

Niombon-kevitra tamin’i Jeremia namany tamin’ny fotoanandrony i Isaia mpaminany rehefa nilaza hoe:

“Ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory hianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao. …

“Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sy hahavoky ny fanahinao ao amin’ny tany karankaina … dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.”

Mazava ho azy fa i Jesoa Kristy no loharanon’ny ranovelona rehetra. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manome hosotroina an’izay mangetaheta isika, dia voatahy mba hisotro amin’ny rano velony dia ilay “loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” Rehefa mikolokolo ny tany sy ny mpiarabelona amintsika isika dia manakaiky kokoa ny Mpamonjy sy maniry ny hanana fifandraisana ara-panekempihavanana Aminy izay mamela antsika ho lasa tahaka Azy kokoa. Ho mpitantan-draharaha tompon’andraikitra sy faly koa isika. Handroso hery isika ary elatra no hiakarantsika tahaka ny voromahery sady tsy ho sasatra.

Tamin’ny herintaona ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nanambara ny fitohizan’ny hetsika maneran-tany mba hanatsarana ny fahasalamana sy ny zava-mahasoa ny zaza amam-behivavy. Noho ny fangatahan’ny Fiadidiana Voalohany dia ny Fikambanana Ifanampiana no mitarika io ezaka io.

Te hanome hery ny vehivavy sy ny fianakaviany isika amin’ny alalan’ny fahatakarana lehibe kokoa sy loharanom-pitaovana mba hahafahan’izy ireo hampisy fiovana izay hisy fiantraikany maharitra eo amin’ny tokantrano sy ny fiarahamonina ary ny firenen’izy ireo. Rehefa mahazo hery ny vehivavy iray noho izy salama sy nandalo fianarana, dia fianakaviana maro no ho voatahy, misondrotra ny fiainam-piarahamonina ary matanjaka ny firenena. Rehefa mitahy ankizy iray ianao dia manomana hoavy tsara kokoa. Noho izany ny asantsika dia mifantoka amin’ny fanjariantsakafon’ny ankizy latsaky ny dimy taona, fikarakarana ny reny sy ny zaza vao teraka, ny vaksiny ary ny fianarana.

I Alaina dia tanora monina ao Georgia, Etazonia. Manohy fianarana hahazoana marim-pahaizana doctorat momba ny fitsaboana manokana izy omban’ny tanjona mba hiasa ao amin’ny sampan-draharahan’ny hôpitaly misahana ny zaza vao teraka mila fikarakarana mafy, ho an’ireo zaza vao teraka izay mila fikarakarana fanampiny aorian’ny nahaterahany, indrindra fa ireo teraka tsy tonga volana. Tena niantraika tamin’i Alaina ny hetsika maneran-tany karakarain’ny Fikambanan Ifanampiana. Nentanin’ilay fanasana handray anjara amin’ilay hetsika maneran-tany i Alaina ka nataony ho lohahevitry ny tetikasa lehiben’ny fianarana ambony norantoviny ny “fitaizana kangoroa”, na fitaizana manolo-koditra ho an’ireo zaza teraka tsy tonga volana.

Mananika ny 15 tapitrisa ireo zaza teraka tsy tonga volana isan-taona maneran-tany. Ary any Atlanta, Georgia, izay toeram-ponenan’i Alaina, dia ambony ny tahan’ny fahaterahana tsy tonga volana sy ny taham-pahafatesan’ny zaza raha mitaha amin’ny salanisa nasiônalin’i Etazonia.

Mamorona fandaharanasa fampianarana i Alaina mba hahafahan’ny olona hahalala kokoa ny amin’ny tombontsoan’ny fitazaina manolo-koditra ataon’ny reny amin’ny zaza teraka tsy tonga volana. Ampanaovina salaka fotsiny ny zaza dia atao mifanolo-koditra eo an-tratran-dreniny ka asiana lamba arakotra azy mianaka. Io fifampikasohana io dia mitazona hafanana, manena rarin-tsaina, mandamina ny hormones, mampitombo fifandraisana, mandrisika ny fampinonoana, manatsara torimaso ary mitondra tombontsoa maro hafa. Saintsy tsy fenitra fampihatra tao amin’ny rantsana misahana ny zaza vao teraka mila fikarakarana mafy izany. Ny tanjon’ny tetikasan’i Alaina dia ny hanatsara ny fampiharana izany.

Tsapany ho manana lafiny ara-panahy be ny fikarohana nataony. “Ny famakiana momba ny siansa … sy … ny fianarana momba ny vatantsika izay noforonina mba hanao ireo zavatra ireo” dia nitombina taminy noho ny fahafantarany ny amin’ny drafitry ny famonjena.

Ny fitaizana manolo-koditra ho an’ny zaza teraka tsy tonga volana dia nampihetsi-po ahy noho izaho manana zafikely lahy teraka tamin’ny febroary, izay teraka saika ho 7 herinandro nialoha. Teo amin’ny 1,5 kilao teo ho eo ilay miaramila kelinay no voatazona saika ho iray volana tao amin’ny rantsana misahana ny zaza vao teraka mila fikarakarana mafy. Ary isan’andro ilay vinantovaviko sy ilay zanako lahy no nitrotro azy nifanolo-koditra teo an-tratran’izy ireo. Hitanareo, ny “fitaizana kangoroa” dia natao ho an’ny raim-pianakaviana koa. Nohalefahan’ireo fotoana ireo fikorontanan-tsaina nateraky fahaterahana tampok’ilay zafikelinay sy ny alahelo vokatry ny fisarahana nifandray tamin’ny famelana azy tany amin’ny hôpitaly.

Avelan’i Alaina hamiratra ny fahazavan’ny fiovam-pony; ampiasainy ny talenta nomena azy, ary mikolokolo an’ireo sahirana izy amin’ny alalan’ny fianarana sy fampahafantarana ny lanjan’io fomba fanao io. Ny ezaka ataony dia mamaly ilay antson’ny Mpamonjy manao hoe: “Narary Aho, dia notsaboinareo.”

I Eritai, i Alexandra ary i Alaina dia mpianatr’i Jesoa Kristy manomana ny tenan’izy ireo ho amin’ny Fiaviany Fanindroany eo am-panaovan’izy ireo amim-pahatokiana sy tsara ny fitantanan-draharahany amin’ireo izay nitahian’ny Tompo azy ireo.

Araka ny nolazain’ny Mpamonjy hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” Azo antoka fa ireo tanora ireo dia solontenan’ireo izay nofaritan’ny Mpamonjy hoe ondriny, izay ho eo ankavanany, mendrika ny hianoka ny fanatrehany.

Mpikambana ao amina fiangonana izay manao soa lehibe maneran-tany isika, mitahy ny fiainan’ireo mpiarabelona amintsika fa tsy ireo mpikambana ao amintsika fotsiny. Tamin’ny 2024 dia ora 6,6 tapitrisa no nanoloran-tena, 1,45 dôlara lavitrisa no lany. Firenena sy faritra 192 no notompoina. Tafiditra tao amin’ny ezaka fanasoavam-bahoaka maneran-tany ataon’ny Fiangonana ny rano madio, ny fidiovana, tetikasa momba ny toeram-pidiovana, ny fanampiana vonjy taitra, fitsaboana ary tetikasa fanamafisana ny fahampiana ara-tsakafo. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo mpikambana ao aminy dia mamela ny fahazavany hamiratra ho fanomezam-boninahitra ny Ray any An-danitra.

Na dia afaka sy hampiasa ny fanampiana maneran-tany ataony mba hanentanana ny hetsika hamahanana ny noana, hanome fisotro ny mangetaheta, hampitafy ny tsy manan-kotafiana ary hikarakara ny marary aza ny Fiangonana sy ny Fikambanana Ifanampiana, ny asa lehibe sy misy fiantraikany indrindra dia ny ataon’ny tsirairay ho an’ny tsirairay.

Eo am-piezahantsika haka tahaka an’i Jesoa Kristy dia mikatsaka ny hamantatra ireo filàna maika manodidina antsika isika ary mamaly am-pitiavana. Miezaka isika ny hitantana ny fananany amim-pahatokiana; anisan’izany ireo talenta sy fahafahana izay nomena antsika, ny tany sy ny hakantony ary ny olona manodidina antsika.

Tahaka i Namàna tao amin’ny Testamenta Taloha, ianao koa dia mety hiandry ny hotenenina mba hanao “zavatra lehibe”manontany tena hoe ahoana no hahatongavanao any amin’ny faritra mitokana any Afrika na any amin’ny nosin-dranomasina mba hikarakara ireo mpiarabelona aminao maneran-tany.

Ry rahavavy sy anadahy, manasa anareo aho hampiasa ny fanomezam-pahasoavanareo sy ny talentanareo mba hanaovana zavatra vitsy sy tsotra eo amin’ny faritry ny fitantanan-draharahanareo. Na aiza na aiza misy anareo dia misy ankizy tratry ny tsifanjariantsakafo. Na aiza na aiza misy anareo dia misy olona tsy mahay mamaky teny. Na aiza na aiza misy anareo dia misy sakana amin’ny fikolokoloana ara-pahasalamana. Na aiza na aiza misy anareo dia misy olona noana, mangetaheta, tsy manan-kotafiana sy marary ary any am-ponja, na ara-bakiteny izany na ara-kevitra.

Ry namana, mila anareo izahay! Antenaiko fa hikatsaka fanambarana maro ianareo ary hampiasa ny fanomezam-pahasoavanareo sy ny talentanareo mba hitadiavana vahaolana hanampiana hitahiana ny hoavin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Azo antoka fa anisan’ny fitantanan-draharaha masinareo izany.

[horonan-tsary (sous titre)]

“Midadasika izao rehetra izao. Vahindanitra arivo tapitrisa maro sy kintana, tany, rano, zava-maniry, biby an-tapitrisany. Kanefa fantatr’ Andriamanitra amin’ny anarany sy tiany avokoa ny zavaboariny. Anisan’izany ianao.”

[tapitra ny horonan-tsary]

Faranako amin’ny tantara manokana momba ny an’i Lydia namako malala izay nanao ny vavaka fanombohana tamin’ity takariva ity. Nifankafantatra tamin’i Lydia aho fony izy misiônera mpanao asa fanompoana tao amin’ny Tranon’ny Fikambanana Ifanampiana taona maro lasa izay. Niakanjo volomparasy foana i Lydia satria, ilay vehivavy voalaza fa olona niova fo voalohany tamin’ny fampianaran’i Paoly dia i Lydia, izay mpivarotra ravin-damba volomparasy.

Voan’ny arthrite i Lydia fony izy efa-taona monja. Ary na dia nanaintaina aza izy isan’andro dia navelany namirapiratra tamim-pifaliana ny fahazavan’ny fiovam-pony tamin’i Jesoa Kristy. Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana dia izany rehetra izany izy!

Tafiditra ao anatin’ity andraikitra ity, ny miresaka aminareo rehetra, dia nasaina aho hisafidy ireo olona izay hivavaka anio hariva. Lydia avy hatrany no tonga tao an-tsaiko. Nahavita ny asa fanompoany tamin’ny fotoana feno izy, nanomboka ny fianarany tao BYU, ary voaray tao amin’ny Oniversiten’ny mpitsabo mpanampy. Ary satria namako tiako izy dia nifandray hatrany izahay. Tiako i Lydia.

Andraikitro ny nangataka azy hivavaka saingy tsy afaka niantso azy aho. Avy eo tamin’ny 31 martsa dia naharay hafatra avy tamin’i Lydia aho hoe:

“Miarahaba Filoha Johnson!!!

“Tena tiako be ianao!

“Azoko nofy ianao tamin’ny alina. Natahotra be sy sahiran-tsaina tamin-javatra iray nila nataoko aho dia tsikaritrao. Nosakambininao aho ary nosintoninao aho ka nikaona teo amin’ny lohako ny lohanao sady nibitsibitsika ianao hoe: Tsy maninona fa vitanao io Lydia a. Ataovy fotsiny ireo zava-madinika.- Ny fankaherezanao sy ny fampahatsiahivana feno hatsaram-panahy nataonao mba hamita izany tsikelikely no zavatra nila henoko androany. Ary tena nila ny fihin’ny Filoha Johnson aho! Heveriko fa indraindray ny Ray any An-danitra dia mandefa hafatra ho antsika amin’ny alalan’ireo olona ankamamiantsika sy atokisantsika tahaka anao.

“Enga anie ianao ka hahatsapa ireo anjely hanohana anao amin’ity herinandro ity. Fihina mafy be ho anao, ry namana malala.”

Novaliako hoe: “Tsy andriko izay hilazana anao ny anton’ny nofinao!”

Nantsoiko i Lydia ny harivan’io mba hangatahako azy raha toa ka vonona ny hivavaka mandritra ity fampaherezam-panahy ho an’ny tanora maneran-tany ity izy. Mazava ho azy fa nanaiky izy ka notohizany notantaraina tamiko ny zavatra tsy nozarainy tao amin’ilay hafany. Antsipiriany kely tsy noheveriny ho manan-danja ilay izy rehefa nanoratra ho ahy izy. Tao anatin’ilay nofy izy dia natahotra be ny hivavaka teo anoloan’ny vondron’olona marobe.

Endrey ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo! Nahemotro tsy taman’antony ny nangataka an’i Lydia mba hivavaka. Saingy nila nanonofy ilay nofiny Lydia. Fanomezan-toky izany fa ny Tompo dia mahafantatra azy sy maniry ny hananany io fahafahana io.

Eny, midadasika izao rehetra izao. Vahindanitra arivo tapitrisa maro. Kintana an-tapitrisa. Tany, rano, zava-maniry, biby nasainy notantananao. Ary fantatr’ Andriamanitra amin’ny anarany sy tiany avokoa ny zavaboariny. Anisan’izany ianao.

Nampahafantatra ny fanompoany teto an-tany ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fitenenana fa Izy dia nalefa mba “hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo; … hanasitrana fo maratra, hitory fandefasana amin’ny mpifatotra … sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina.” Raha izany no nanirahana Azy ary isika dia mpianany, dia iray tanjona Aminy isika.

Ianareo, ry namako, dia voaomana manokana sy notendrena mialoha mba hanampy Azy. Ianareo dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Fantany ianareo. Mifandray ara-panekempihavanana Aminy ianareo. Tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po aminareo. Ary rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonareo Taminy ianareo dia hotahiana amin’ny “heriny manasitrana sy mampatanjaka.” Hampitombo sy hampivelatra ny fahaiza-manaonareo sy ireo talenta nomena anareo ny herin’ Andriamanitra ary hanampy anareo hahita Azy ao amin’ireo noana, mangetaheta, malahelo ary marary.

Amin’ny maha-mpianany antsika dia handeha isika hanomana ny tenantsika ho amin’ny Fiaviany Fanindroany amin’ny alalan’ny fitantanantsika amim-pahatokiana sy tsara izay nitahiany antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mitondra ny fanamaivanan’i Jesoa Kristy amin’ny hafa ianareo dia hotahiana mba hahita ny fanamaivanana ho an’ny tenanareo ao Aminy.

Azoko antoka fa velona i Jesoa Kristy. Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara Izy. Azoko antoka fa ny Filoha Russell M. Nelson no mpitondrateniny eto an-tany ankehitriny.

Ny asa sy ny voninahitry ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia ny hahita antsika any amin’ny toeram-ponenantsika, vonona sy mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ Izy Ireo, izay tsy misy noana, mangetahetra, malahelo na malemy, satria efa nositranina sy sitrana tanteraka. Mpiara-miasa manan-danja amin’ Izy Ireo ianareo. Tiako ianareo. Tia anareo Izy Ireo.

Amin’ny anarana masin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy, amena.