“Fomba 7 hankafizana hira manentana ny fanahy,” Liahona, mar. 2025.
Avia, hanaraka Ahy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25
Fomba 7 hankafizana hira manentana ny fanahy
“[Mifantena] … hira masina. … Fa finaritra amin’ny hiran’ny fo ny fanahiko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:11–12).
Sary nalain’i David Green
Teo amin’ny tantara, ny hira dia nitana anjara manan-danja teo amin’ny fitsaohana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy.
Maro amin’ireo salamo ao amin’ny Testamenta Taloha no hira fiderana ny Tompo. Mirakitra ny Testamenta Vaovao fa i Jesoa sy ireo Apôstôliny, talohan’ny nankanesan’izy ireo tany Getsemane, dia niara-nihira hira (jereo ny Matio 26:30). Ary ny hira dia manatsara ny fitsaohantsika mandritra ireo fivorian’ny fanasan’ny Tompo ankehitriny.
Mampientanentana ny famoronana ilay boky fihirana vaovao ary afaka miandrandra hira vaovao isika eo amin’ny fandrosoan’izany dingana izany. Saingy tsy ny fihirana ihany no karazan-kira izay afaka manentana ny fanahintsika. Ny Médiathèque de l’Évangile an’ny Fiangonana sy ny application Musique sacrée dia manana karazan-kira azo henoina, ao anatin’izany ny hira ana amboaram-peo sy hira mampientanentana, hira maoderina (tsy voatery hoe zatovo ianao vao afaka mankafy ireo raki-kira Stribe to Be!). Ao anatin’ireo applications ireo ianao dia afaka mahita raki-peo mampiorina sy mitaona fanahy, ary ny ankamaroan’izy ireo dia ahitana taratasy misy ireo mari-peon’ny hira azonao tendrena na hiraina manokana.
Indreto misy hevitra vitsivitsy hanampy anao hampiditra hira mitaona fanahy ho anatin’ny fitsaohana ataonareo ao an-tokantranonao, eny fa na dia tsy manana traikefa ara-mozika aza ianao:
-
Henoy mandritry ny herinandro ireo raki-peon’ny fihirana sy ireo hira hafa mitaona fanahy. Afaka hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile na ny application Musique sacrée na ao amin’ny Musicothèque ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana.
-
Karohy ireo tantara ao amin’ny fihirana ary ianaro ny zavatra mitaona fanahy fonosin’izy ireo.
-
Hirao ireo hira fihirana ary ianaro ireo andininy samihafa amin’ny alalan’ny fampiasana ny safidy Partitions interactive ao amin’ny application Musique sacrée na ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana.
-
Henoy ao amin’izay sehatra fihainoana tianao indrindra (toy ny YouTube, Spotify, Apple Music, Pandora) ny hiran’ny Ampoaram-peon’ny Tabernakely na ny Strive to Be.
-
Mianara mitendry amin’ny piano na gitara ireo hira fihirana na hira hafa manentana ny fanahy amin’ny alalan’ny fampiasana taratasy misy mari-peon’ny hira ho an’ny piano na gitara izay hita ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana.
-
Halalino sy saintsaino ireo tonon-kiran’ireo hira sy hira fihirana mampiorina.
-
Hirao ny tonon-kira eo am-pihainoana ny seho ataon’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely avy ao Temple Square. Hita ao amin’ny chaîne YouTube an’ny amboaram-peo ireo seho.