“Ahoana no ahafahan’ireo fanekempihavanana antaontsika manampy antsika hanovo amin’ny herin’ Andriamanitra?,” Liahona, mar. 2025.
Vehivavy manao fanekempihavanana
Ahoana no ahafahan’ireo fanekempihavanana antaontsika manampy antsika hanovo amin’ny herin’ Andriamanitra?
Amin’ny maha vehivavy manao fanekempihavanana antsika, ny herin’ Andriamanitra dia manova sy mampahatanjaka ary manome antsika fahatokian-tena.
Sary nalain’i Connor Johnson
Manana fahafahana hanao fanekempihavanana amin’ilay Andriamanitry ny lanitra mihitsy isika tsirairay avy. Manao ireo fanekempihavanana ireo isika rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia homeny ny heriny.
Andeha hiaraka hahatsiahy amiko ny torolalana avy amin’ny mpaminany izay nomen’ny Filoha Russsell M. Nelson mikasika ny fomba hanovozana amin’ny herin’ Andriamanitra: “Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana, manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra.” Io fahafahana manovo mivantana amin’ny herin’ Andriamanitra io dia fanomezana zarainy amin’ny fomba malala-tanana amin’ireo zanany.
Toy ny ahoana no fiasan’io hery izay mitosaka avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana io eo amin’ny fiananao an-davanandro? Ahoana no ahafahan’ny vehivavy iray manao fanekempihavanana manovo amin’io herin’ Andriamanitra io?
Manantena aho fa ny ohatra iray momba ny tenako manokana dia hanampy anao rehefa manao ireo asa mamelombelona ny fanahy ianao mba hianatra ho an’ny tenanao manokana ny dikan’izany hoe mitafy ny herin’ Andriamanitra izany.
Indray andro aho dia nahazo hafatra an-tsoratra avy tamin’i Amy vinantovaviko manao hoe: “Ento am-bavaka i Dottie.”
Tsy nahita tory i Dottie zafikeliko vavy ny alina talohan’io. Niari-tory niaraka taminy i Amy ny alina manontolo ary nilaza fa nanavy i Dottie. Nomen’i Amy fanafody izy saingy mbola nahamay sy tsy tony. Ary i Connor zanako lahy dia nanao dia momba ny asany ka tsy ho tafody raha tsy afaka roa andro.
Rehefa tonga ny maraina nony farany dia hitan’i Amy fa mangana ny molotr’i Dottie. Mangana toy izany koa ireo tanany ary mangatsiaka rehefa notsapaina. Nahazo fitaomam-panahy avy hatrany i Amy nanao hoe: “Ento any amin’ny pédiatre i Dottie.” Nohainoiny io fitaomam-panahy io ka niantso ny tany amin’ny biraon’ny pédiatre izy ary nahazo toky fa handray an’i Dottie izy ireo.
Soa ihany fa teo ampitan’ny lalana avy teo amin’ny tranon’ny reniko ny biraon’ilay pédiatre. Nahatsapa ho notaomim-panahy hitondra ny fiarany hankao amin’ny tranon-dreniko i Amy. Teo am-pikarakarana zaridaina ny reniko ka dia faly ny hikarakara an’i Goldie, efa-taona, rahavavin’i Dottie mandritra ny nitondran’i Amy an’i Dottie tany amin’ny pédiatre. Izany no valin’ny fanahian’i Amy ny amin’ny ilàna ny sady manara-maso an’i Goldie no mikarakara an’i Dottie.
Hitan’ilay pédiatre fa tratran’ny tevika i Dottie, izay raha ny tombatombana dia noho izy tafatelina ny rano avy nandroiny andro vitsivitsy talohan’izay. Notsaboina tamin’ny alalan’ny antibiôtika i Dottie ary teny an-tsandrin-dreny ny manontolo andro, natraka mba hanokafana ireo lalan-drivony sy mba hanamorana ny fitrohany rivotra.
Nanolo-tena ny hividy sakafo hariva azy aho teny an-dalana nandeha nody. Ary navelan’i Amy nanao izany aho; zavatra izay nahavelom-pankasitrahana ahy. Nanontany tena aho hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’i Amy nanao izany taorin’ny alina iray tsy nahitan-tory, ny rarin-tsaina noho ny fananana zazakely marary ary ny filana nikarakara an’i Goldie.
Niditra ny tokantranon’izy ireo aho niaraka tamin’ny sakafo azo entina mody avy tany amin’ny toeram-pisakafoana ka nahita an’i Amy sy ireo zazavavy kely tony. Nisy hery hafa tao amin’i Amy ary nisy hazavana teny amin’ny endriny. Tony izy na dia hiatrika alina iray hafa irery miaraka amin’i Dottie izay marary aza. Tsy natahotra Izy. Nahatoky tena izy. Fiadanana mihoatra noho ny fahalalana rehetra izany. Te hifantoka tamin’io fotoana io aho ary hianoka amin’izany.
Nilofo tamin’ny fitandremana ireo fanekempihavanany tamin’ Andriamanitra i Amy koa dia voatahy tamin’ny alalan’ny heriny mampahatanjaka. Nitaona azy ny Fanahy mba hanao asa izay nataony mba hikarakarana an’i Dottie. Ary ny herin’ny Tompo dia nampitombo ny fahafahany namaly ireo filan’ny ankohonany tamim-paharetana sy tamim-pitiavana ary tamin’ny alalan’ny toky feno fahatoniana fa hilamina ny zava-drehetra.
Izany no fitahiana avy amin’ny herin’ Andriamanitra izay mitolotra amintsika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana masina sy noho ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy. Io hery io dia manova antsika, mampahatanjaka antsika, mampitony antsika, manome antsika fahatokian-tena, sy mitondra fiadanana ho antsika ary mampitombo ny fahafahantsika manatanteraka ireo andraikitra masina nanendrena antsika amin’ny maha vehivavy antsika.