“Te hiresaka aminao ny Ray any An-danitra,” Liahona, martsa 2025.
Te hiresaka aminao ny Ray any An-danitra
Avelao ny finoanao ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Malala hanampy anao hahazo ny fanampian’ny lanitra ka handre ny feon’ny Ray.
Isika dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra, miara-monina eto an-tany, lavitry ny fonenantsika any an-danitra. Izao no fiainana iainantsika ety an-tany, fotoana handraisantsika ny vatantsika, hisafidianana ny tsara toy izay ny ratsy, “[hanandramantsika] ny mangidy mba hahaizan[tsika] mankamamy ny tsara” (Mosesy 6:55), hampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Sorompanavotana masina nataony ary hankamamiana ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana. Eto isika mba ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa.
Noho isika tsy mahatadidy ny fiainantsika talohan’ny fiainana an-tany, dia indraindray isika no mahatsapa ho manirery noho ilay tontolo nilaozantsika. Nomen’ny Raintsika any An-danitra fanomezam-pahasoavana ara-panahy isika mba tsy ho tapaka fifandraisana Aminy sy handray torolalana sy fitarihana ary fampiononana avy Aminy. Fantatsika tsara io fanomezam-pahasoavana io; antsoina hoe vavaka izany.
Mivavaha amin’ny Rainao any An-danitra
Nanome toromarika toy izao an’i Adama sy i Eva ary ireo rehetra izay hanaraka azy ireo ny anjely iray: “Hibebaka ianao ary hiantso an’ Andriamanitra amin’ny anaran’ny Zanaka hatrizao” (Mosesy 5:8).
Nampianatra i Jesoa hoe: “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dòndòny, dia hovohana ianareo” (Matio 7:7). “Raha mivavaka, … dia mivavaha amin’ny Rainao … ao amin’ny mangingina” (Matio 6:6). “Koa amin’izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao” (Matio 6:9).
Nivavaka tsy tapaka tamin-dRainy i Jesoa. “Lasa nankany an-tendrombohitra Jesoa mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’ Andriamanitra nandritra ny alina Izy” (Lioka 6:12). “Ary … lasa [Izy] nankany an-tendrombohitra hivavaka” (Marka 6:46). “Ary tonga tany amin’ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesoa tamin’ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako” (Mark 14:32). Raha teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa dia nivavaka toy izao ho an’ireo miaramila izay nanombo Azy: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).
Manoro hevitra antsika ny soratra masina mba “[hivavaka] mandrakariva” (Lioka 21:36; 2 Nefia 32:9; 3 Nefia 18:15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5; 19:38; 20:33; 31:12). “Milà hevitra amin’ny ataonao rehetra dia hotarihiny amin’ny tsara ianao” (Almà 37:37). Ankoatra izany isika dia “manatitra ny fisaorana sy ny fiderana rehetra araka ny hery ananan’ny fanahin[tsika] manontolo” (Môzià 2:20), ho fiaikena ny zava-drehetra ataon’ny Raintsika ho antsika.
Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny fiheveran-tena ara-panahy dia miantomboka amin’ny fahatongavan-tsaina fa ny maraim-baovao tsirairay dia fanomezana avy amin’ Andriamanitra. … Mitahiry antsika isan’andro isan’andro Izy ary manohana antsika ombieny ombieny (jereo ny Môzià 2:21).”
Hoy i Nefia: “Raha mety mihaino ny Fanahy izay mampianatra ny olona hivavaka ianareo, dia ho fantatrareo fa tsy maintsy mivavaka ianareo; satria tsy mampianatra ny olona hivavaka ny fanahy ratsy fa mampianatra azy kosa tsy hivavaka izany” (2 Nefia 32:8).
Antsipiriany avy amin’ny Christ Raising the Daughter of Jairus [Manangana ny zanakavavin’i Jairo i Kristy], nataon’i Greg K. Olsen
Amin’ny alalan’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjitsika sy ny torohevitr’ireo anjely ary ireo mpaminany an-jato taonany maro, dia haintsika ny mivavaka isan’andro mba hanehoana fankasitrahana ny amin’ireo fitahiana azontsika sy ny mivavaka tsy tapaka ao am-pontsika. Manana andraikitra isika ny hifandray amin’ny Raintsika.
Kanefa mbola be voninahitra noho izany aza, ny Raintsika any An-danitra dia mamaly ireo vavaka ataontsika. Fanontaniana iray mila eritreretina eto amin’ity tontolo eto an-tany ity ny hoe: ahoana no ahafahantsika mandray sy mahatakatra tsara kokoa ireo valim-panontaniana sy fitarihana ary fampiononana avy amin’ny Raintsika?
Nandritra ireo fitopolo taona mahery niainako aho dia nahafantatra fa miresaka amintsika ny Raintsika. Tsy irery isika. Miambina sy manampy antsika ireo olon’ny lanitra eo am-pikatsahantsika ny hanaraka ny Mpamonjy.
Manomboka amin’ny finoantsika an’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ny fandraisana ny valin’ireo vavaka ataontsika. Hoy i Jesoa: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany” (Marka 5:36). Mitoky Aminy isika, manao izay tsara indrindra vitantsika mba hitandremana ireo didy ary mitady ny fanampiany amin’ny zava-drehetra. “Tsy misy na inona na inona ataon’ny olona ka manafintohina an’ Andriamanitra … afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tanany amin’ny zava-drehetra ary tsy mankatò ny didiny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21).
Ny fisian’ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia tsy midika fa Izy no mahatonga ny faharatsiana na ireo loza mahatsiravina izay misy eto amin’ity tontolontsika ity. Kanefa midika izany fa ao anatin’ireo fotoan-tsarotra lalovanao sy ireo zavatra tsy rariny manjo anao, Izy dia hanampy anao, hanamafy orina ireo fahaiza-manaonao sy hampionona anao ary “hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao” (2 Nefia 2:2).
Mandre ny feony
Rehefa manam-pinoana Azy sy mitandrina ireo didiny isika dia lasa mianatra ho azy ny handre tsara kokoa ny feony.
Tamin’ny septambra 1993, taona voalohany naha Manampahefana Ambony ahy, ny Filoha James E. Faust (1920–2007), izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nanasa ahy sy i Kathy vadiko mba hanatrika fivoriana fampaherezam-panahy iray an’ny Brigham Young University niaraka taminy. Tsarovy fa ny taona 1993 dia talohan’ny nisian’ny fiparitahan’ny smartphones (telefaonina raitra) sy ny tamba-jotran-tserasera ary ny internet.
Tao amin’ilay lahateniny mitondra ny lohateny hoe “Ny feon’ny Fanahy,” ny Filoha Faust dia nampitandrina hoe: “Amin’ny fotoan’andronareo ianareo dia halaim-panahy amin’ireo feo maro be milaza aminareo ny fomba tokony hiainana, hanaovana izay hampanarana ny fahafinaretanareo sy ny fomba hahazoana izay iriana rehetra. Hanana fantsona fahitalavitra mihoatra ny dimanjato isa ianareo izay azonareo kirakiraina mora foana. Hisy izao karazana rindram-baiko rehetra izao, fitaovana maro azo ampiasaina amin’ny solosaina, lahatahiry maro ary famoaham-baovao; hisy Publication Assistée par ordinateur (PAO) sy fitaovam-pandraisana mampiasa zanabolana ary tambajotram-baovao isan-karazany izay hanototra anareo amin’ny fampahalalana. … Ny feo tsy maintsy ianaranareo ny mampandry sofina aminy, dia ny feon’ny Fanahy.”
Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015), Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nampianatra momba ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy raha nitantara ny zavatra niainan’i John Burroughs, mpandinika zavaboary, raha izy nandehandeha niaraka tamin’ny namany nitety zaridaina iray feno olona. Ireto no tenin’ny Filoha Packer:
“Ankoatra ireo feo re eo amin’ny fiainana an-drenivohitra, [Andriamatoa Burroughs] dia nandre ny hiran’ny vorona iray.
“Niato izy ary nihaino! Tsy nandre izany ireo niaraka taminy. Nijery ny manodidina izy. Tsy nisy olon-kafa nahatsikaritra izany.
“Nanahirana ny sainy ny hoe tsy nahatsikaritra zavatra kanto fatratra toy izany ny olon-drehetra.
“Naka vola vy avy tao am-paosiny izy ka natsipiny ambony. Nilatsaka teo amin’ny sisin-dalana ilay izy ka naneno ary tsy avo kokoa noho ny hiran’ilay vorona ny feony. Nitodika daholo ny rehetra; afaka nandre izany izy ireo!
“Sarotra ny manavaka ny hiram-boronkely amin’ireo feo rehetra mifanaretsaka ao an-tanàn-dehibe. Saingy afaka mandre izany ianao. Afaka mandre tsara izany ianao raha zarinao ho amin’izany ny tenanao.”
Ny fampianaran’ny Filoha Packer momba ny Fanahy Masina dia nitranga tamin’ny 1979, fotoana izay mbola nahatony lavitra kokoa ny fiainana ka nampangina lavitra ny kotaban’izao tontolo izao raha oharina amin’ny ankehitriny.
Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Raha toa ianareo miraika kokoa amin’ireo zavatra ao amin’ny tambazotra ifaneraserana noho ny amin’ny bitsiky ny Fanahy, dia lasa mametraka ny tenanareo amin’ny loza ara-panahy ianareo.”
Hoy ny Filoha Faust hoe: “Raha te hihaino ny feon’ny Fanahy isika dia tsy maintsy manokatra ny sofintsika ihany koa isika, mampitodika ny masom-pinoantsika any amin’ilay loharanon’ilay feo ary mibanjina tsara ny lanitra.”
Io feon’ny Fanahy io dia mankao an-tsaintsika sy mikasika ny fahatsapantsika. “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2). Henoy ny feon’ny fieritreretanao. Matetika no ao no fiandohan’ny fanambarana.
Nandritry ny fitsidihana ny Girls’ Home Boys’ Town Complex [Akany fikolokoloana ny ankizivavy sy ankizilahy sahirana] tany amin’ny Tanànan’i Markina, Filipina, tamin’ny volana febroary 2024, ny Loholona Andersen dia nampianatra ny zatovo fa izy ireo dia zanak’ Andriamanitra: “Tiany ianareo. Ary afaka mitalaho Aminy ianareo. Hohenoiny ny vavaka ataonareo.”
Mivavaha omban’ny fo mino
Tsy azo atao tery vay manta ny valim-bavaka sy ny fitaomam-panahy. Mila mivavaka sy miandry omban’ny fo mino isika. Ny sasany amin’ireo valiny dia tsy ho tonga eto amin’ity fiainana ity saingy ho an’ireo marina, ny Tompo dia hanome ny fiadanany mandrakariva (jereo ny Jaona 14:27). Matetika ireo valiny no tonga rehefa mivavaka isika mba hanampiana an’ireo olona manodidina antsika. Indraindray izy ireny dia tonga amin’ny alalan’ny “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12).
Mety ho tonga amintsika amin’ny fotoana tsy ampoizina sy amin’ny toerana tsy ampoizina ny feon’ny lanitra saingy any amin’ireo toerana mangina sy toerana masina no hahitantsika ireo fahafahana miavaka indrindra. Ao anatin’ny fahatonian’ireo vavaka sy fisaintsainana ataoko vao maraina aho no mahita fitahiana tsy mahazatra. Ny famakiana soratra masina isan’andro tsy tapaka, izay toa lasa fahazarana indraindray, dia mitondra ny feon’ny Fanahy mankao am-pontsika toy ny afo amin’ny fotoana hafa.
Indraindray ireo fitaomam-panahy no mipoitra avy amin’ireo zavatra vakintsika manokana, ary amin’ny fotoana hafa, dia ireo zavatra saintsainintsika no mitondra valiny ho ana olana iray hafa mihitsy. Tsarovy ireo tenin’ny Loholona Robert D. Hales manao hoe: “Rehefa te hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika.”
Rehefa misafotofoto manodidina antsika ireo kotaba sy fanelingelenan’izao tontolo izao, ny Tompo dia nanome toromarika ny mpaminaniny mba hanangana tempoly be dia be hatrany. Ao amin’ireo trano masin’ny Tompo ireo isika, rehefa mamela ireo olantsika any kanefa miditra ao miaraka amin’ireo vavaka sy fanahiantsika, dia ampianarina ireo fahamarinan’ny mandrakizay.
Herintaona lasa izay, ny Filoha Nelson no nanome antsika ito fampanantenana miavaka ito: “Ry rahalahy sy ranabavy malalako, indro ny fampanantenako. Tsy misy na inona na inona hanampy anareo kokoa hifikitra mafy amin’ilay anja-by mihoatra noho ny fitsaohana tsy tapaka ao amin’ny tempoly araka izay hamelan’ny toe-java-misy iainanareo. Tsy misy na inona na inona hiaro anareo kokoa rehefa tojo ny zavon’ny haizin’izao tontolo izao ianareo. Tsy misy na inona na inona hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Sorompanavotany na hanampy anareo hahatakatra kokoa ny drafitr’ Andriamanitra mahatalanjona. Tsy misy na inona na inona hampitony kokoa ny fanahinareo mandritra ny fotoam-pahoriana. Tsy hisy hanokatra ireo lanitra kokoa. Tsy misy!”
Mitondra fitahiana sesehena fanampiny ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tsirairay. Amin’ny volana aprily ho avy izao indray isika dia hotafavory ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba hihaino ny feon’ny Tompo. Tonga ao amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany isika efa avy nivavaka sy niomana. Ho an’ny tsirairay avy amintsika dia misy tahotra manery sy fanontaniana tiana ho voavaly faingana. Tonga isika mba hanavao ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy hampahatanjaka ny fahafahantsika manohitra fakam-panahy. Tonga isika mba handray fampianarana avy any an-danitra. Mampanantena anareo aho fa rehefa miomana sy tonga ombam-bavaka manatrika ireo fivorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ianareo dia hahatsapa ireo valin’ireo zava-manahirana anareo ary ho fantatrareo fa omba anareo ny “tananan’ Andriamanitra.”
Manàna finoana fa ny Rainareo any An-danitra dia miresaka aminareo. Tena manao izany Izy! Avelao ny finoanareo Azy sy ny Zanany Malala hanampy anareo hahazo ny fanampian’ny lanitra ka handre ny feon’ny Rainareo. Mijoro ho vavolombelona aho fa eo Izy ary tsy misy teny mahalaza ny fitiavany anareo.