2025
Ny lalana nodiaviko mba ho lasa maharitra amim-paharetana
Martsa 2025


“Ny lalana nodiaviko mba ho lasa maharitra amim-paharetana,” Liahona, mar. 2025.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny lalana nodiaviko mba ho lasa maharitra amim-paharetana

Nanontany tena aho hoe nahoana aho no tokony hanompo amin’ny foko sy ny fanahiko manontolo raha toa ka nitondra fitsapana ho ahy fotsiny ny fanaovana izany.

Tanora vehivavy mitsiky

Sarin’ny mpanoratra nalain’i Shaun Sutton

Rehefa nody tany Filipina atsimo aho tamin’ny 2016 taorian’ny nanaovako asa fitoriana tamim-boninahitra tany Filipina avaratra, dia niandrandra ny hianatra tao amin’ny Oniversite an’i Brigham Young–Hawaii sy ny hiaina ireo zavatra mampientanentana hafa rehetra miandry ireo tanora.

Tampoka teo anefa dia nanomboka nihena aho. Hitan’ny dokotera fa voan’ny hyperthyroïdie aho. Nampitahoriny aho ny amin’izay mety ho vokatr’izany raha toa ka tsy voatsabo.

Na dia teo aza ny fitsaboana ahy dia nanomboka niova ny vatako. Nanomboka nivonto ny masoko ary lasa nahia be aho. Nalaviriko ny fakana sary ahy, eny fa na dia ny mijery fitaratra aza noho ny endriko.

Nanomboka nanampy tsikelikely ny fanafody. Saingy telo taona taty aoriana dia nahitana aretina iray faharoa tao amiko, tsy fahatomombanana ateraky ny fahaketrahana. Nandroba ny fahatokisantenako ireo aretina roa ireo. Sahirana aho ny miala teo am-pandriana mba handeha hianatra ary nahatsapa ho tsy afaka nanompo tao am-piangonana aho.

Tezitra aho fa navelan’ Andriamanitra hitranga izany. Nanontany tena aho hoe nahoana aho no tokony hanompo amin’ny foko sy ny fanahiko manontolo raha toa ka nitondra fitsapana ho ahy fotsiny ny fanaovana izany? Nampionona ahy anefa ireto teny nataon’ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ireto: “Azo sitranina ny saina simba, tsy misy hafa amin’ny fanasitranana taolana tapaka sy fo maratra.” Nitomany aho rehefa nandre ireo teny ireo. Nanana saina simba izay nila fanasitranana aho.

Nobeazina tao amina fianakaviana mahatoky iray aho ary ny finoako an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia nitoetra ho tsy nisy tomika na dia teo aza ny fanaintainana sy ny fisalasalana. Nanaiky sy zatra tsikelikely ireo toe-javatra vaovao niainako aho.

Ankehitriny, valo taona taty aoriana, dia tsy nataoko nahasakana ahy intsony ireo aretiko. Ekeko ho anisan’ny fiainana izy ireo. Nahatsapa ho sitrana aho. Afaka manompo sy miaina tanteraka ny fiainana aho, na dia hitohy mandritry ny fiainako manontolo aza ireo olana ara-pahasalamana. Nianatra aho fa tafiditra ao anatin’ny fiainana an-tany ny faharetana amim-paharetana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8). Mianatra misotro ny kapoaka mangidiko aho ary mijanona ho matanjaka.

Ankehitriny aho dia miasa ao amin’ny departemanta miandraikitra ny mpiasa ao amin’ny orinasa iray momba ny ilon-tsaina artifisialy ary mianatra an-jotra ao amin’ny Brigham Young Universtity–Pathway Worldwide amin’ny alina. Natsahatro ny nanontany hoe “Nahoana no izaho?” ka nanomboka nontany hoe “Inona no azoko ianarana? Ahoana no ahafahako mahazo tombontsoa avy amin’ito zavatra iainana ito?”

Rehefa manao jery todika aho dia hitako fa niaraka tamiko hatrany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Amin’ny hoavy dia fantatro hoe iza no azoko itokisana (jereo ny Ohabolana 3:5–6; 2 Nefia 4:34).