2025
Ny famerenana amin’ny laoniny ny fanasan’ny Tompo
Martsa 2025


“Ny famerenana amin’ny laoniny ny fanasan’ny Tompo,” Liahona, mar. 2025.

Avia, hanaraka Ahy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20; 27

Ny famerenana amin’ny laoniny ny fanasan’ny Tompo

Fanasan’ny Tompo nozaraina tamin’ny fotoana nananganana ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny.

Rehefa natsangana tamin’ny 1830 Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny ny ôrdônansy masin’ny fanasan’ny Tompo. Nandidy ny vahoakany Izy mba “hiarahan’ny fiangonana mivory matetika mba handray ny mofo sy ny divay ho fahatsiarovana an’i Jesoa Tompo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75).

Ity tsipika maneho ny fizotry ny tantara ity dia maneho ny fomba nampiorenana ny fanasan’ny Tompo tamin’ny vanim-potoana samy hafa. Na dia miova aza ny olona sy ireo toerana, ny fanasan’ny Tompo dia nanampy mandrakariva ireo mpianatr’i Jesoa Kristy tamin’ny vanim-potoana rehetra mba hahatsiaro Azy sy hananana ny Fanahiny miaraka aminy.

Testamenta Vaovao

Bokin’i Môrmôna

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ny androntsika

Rehefa tonga indray i Jesoa Kristy

Iza

I Jesoa Kristy sy ireo mpianany tany Jerosalema

I Jesoa Kristy sy ireo Nefita

I Joseph Smith sy ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny

Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao

I Jesoa Kristy sy “ireo rehetra izay nomen’ny [Rainy Azy] avy tamin’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:14)

Inona

Mofo sy divay ho fahatsiarovana ny vatana sy ny ran’i Jesoa (jereo ny Matio 26:26–28; Marka 14:22–24; Lioka 22:17–20)

Mofo sy divay ho fahatsiarovana ny vatan’i Jesoa sy ny rany (jereo ny 3 Nefia 18)

Hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79 ny fanamasinana amin’ny alalan’ny vavaka manokana ny mofo sy ny divay

Mazàna ny mofo sy ny divay no amasinina amin’ny alalan’ireo vavaka manokana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79

Fivoriana iray notarihan’i Jesoa Kristy, ary tamin’izany Izy no niteny hoe: “[hisotro) ny vokatry ny tany miaraka [amintsika] eto an-tany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5)

Rahoviana

Nanomboka nanodidina ny 33 tamin’ny taonan’ny Tompontsika, ny alina talohan’ny Fanomboana an’i Jesoa Kristy

Nanomboka nanodidina ny 33 tamin’ny taonan’ny Tompontsika, taorian’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty

Nanomboka rehefa tafatsangana tamin’ny 6 aprily 1830 ny Fiangonana

Isan-kerinandro mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo

Rehefa tonga ety an-tany indray i Jesoa Kristy

Aiza

Ao amin’ny “efitrano malalaka ambony rihan[n’]” ny trano iray ao Jerosalema (Marka 14:15)

Ao amin’ny “tanin’i Soafeno” (3 Nefia 11:1)

Tao an-tranon’ny fianakaviana Whitmer tao Fayette, New York, Etazonia

Any amin’ireo trano fiangonana manerana izao tontolo izao

Ety an-tany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:5)

Nahoana

Mba hanomezana ny olona fahafahana mahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy “manavao ny fanekempihavanana nataony mba hitondra eo amin’izy ireo ny anaran’ny Mpamonjy, sy ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny.”

Saintsaino

Mampahatanjaka ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo?

Fanamarihana

  1. Nanorina ny fanasan’ny Tompo teo anivon’ireo mpianany i Jesoa Kristy nandritra ny fankalazana ny Paska, izay ahitana sakafo ara-tandindona misy mofo mba hahatsiarovana fa Andriamanitra no nanafaka ny Isiraelita avy tany Egypta (jereo ny Marka 14:12; jereo koa ny Eksodosy 12:17). Ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nanontany hoe: “Raisintsika ho toy ny paska antsika ve ny [ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo ataontsika isan-kerinandro], ho fahatsiarovana ny fiarovana sy ny fanafahana ary ny fanavotana antsika? … Tokony ho fotoana mahery vaika, feno fanajana, fotoana isaintsainana izany” (“This Do in Remembrance of Me,” Ensign, Nov. 1995, 68).

  2. Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 29.2.1, Médiathèque de l’Évangile.