“Tafiana amin’ny hery avy any ambony,” Liahona, mar. 2025.
Fomba fijery ara-tantara momba ny Tranon’ny Tompo
Tafiana amin’ny hery avy any ambony
Tahaka ireo mpianatra tao amin’ny Testamenta Vaovao, ny Olomasin’ny Andro Farany koa dia nampanatenaina fa hotafiana amin’ny hery avy amin’ny Tompo.
Tamin’ny lohataonan’ny 1836, i Charles Rich dia misiônera nitory ny fahafenoan’ny filazantsara tany Ohio atsimo. Tsy azo nihodivirana fa diso fanantenana izy raha tonga tany Kirtland, Ohio, tamin’ny 12 aprily, izay roambinifolo herinandro teo ho eo taorian’ ny nanokanana ny Tempolin’i Kirtland.
Nandeha sambo mandeha amin’ny alalan’ny etona izy nanaraka ny Reniranon’i Ohio ary avy eo nandeha an-tongotra saika ho 160 km. Hitany ny tranon’ny Tompo avy teny an-tampon’ny faritra avo teny amin’ny tontolo taza-maso izay miloko manga ny rindriny ary mena ny tafony. Saingy tara izy. Tsy nahatratra ny fanokanana, ilay fivoriana masina izy, ary, tsy nahatratra ny fanafiana amin-kery avy any ambony izay nampanantenaina, araka ny heviny.
Tamin’ny septambra 1830, volana vitsy monja taorian’ny nananganana ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, i Joseph Smith dia nandray fanambarana iray avy tamin’i Jesoa Kristy mba hiantso ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hiangona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–8). Nambaran’ny Tompo volana vitsy taty aoriana ny antony. Notakiana tamin’ireo Olomasina ny “[handehanany] any Ohio,” ka tany no nanambaran’i Jesoa Kristy fa “hanomezako anareo ny lalàko, ary any no hanafiana anareo amin-kery avy any ambony; ary na zovy na zovy sitrako avy amin’io toerana io, dia handeha any anivon’ny firenena rehetra izy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32–33; nampiana fanamafisana). Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nandre io fanambarana io dia ho nahafantatra fa avy ao amin’ny Testamenta Vaovao io fitenenana io.
Mpianatra tao amin’ny Testamenta Vaovao izay notafiana amin’ny hery
Miantomboka amin’ny fotoam-pahakiviana iray ny Lioka 24. Voahombo i Jesoa ary niverina tany amin’ny fasany ny andiany iray tamin’ireo vehivavy mpianany. Hitan’izy ireo fa nikodia niala ilay varavaram-bato ary izy ireo dia “tsy nahita ny fatin’i Jesoa Tompo” (andininy 3). Tsy ela dia nisy iraka izay anjely nanome fanantenana azy ireo: “Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (andininy 6).
Taorian’izay dia niseho tamin’ireo mpianany ny Tompo nitsangana tamin’ny maty ary nanompo azy ireo. Nomeny azy ireo ilay fantatry ny Kristiana manerana izao tontolo izao amin’ny hoe “Iraka lehibe” mba hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nohazavain’i Jesoa fa “hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra” (andininy 47).
Na dia izany aza dia nomeny toromarika ireo mpianatra mba tsy handeha avy hatrany: “Mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo” (andinininy 49). Ny hoe Endued (na “endowed” [notafiana] amin’ny fiteny anglisy maoderina) dia dikantenin’ny teny grika izay midika hoe “miakanjo.” Ireo mpianatr’i Kristy fahiny dia niandry tao Jerosalema mandra-pitafin’izy ireo amin’ny hery avy any ambony. Avy eo izy ireo vao notakiana hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao.
Talohan’ny niakaran’ny Tompo tany an-danitra dia izao no nolazainy tamin’ny mpianany: “Mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo” (Lioka 24:49).
Olomasin’ny Andro Farany izay tafiana amin’ny hery
Nanana faniriana nitovitovy tamin’io ireo Olomasin’ny Andro Farany tafangona tao Ohio tamin’ireo taona vitsivitsy taorian’ny 1830. Niandrandra ny “hanafiana [azy ireo] tamin-kery avy any ambony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32) izy ireo ary hitondra ilay hafatr’i Jesoa manerana izao tontolo izao. Nony farany dia nambaran’ny Tompo fa ny Olomasina dia tokony handray ny “fanafiana masina avy any ambony ao amin’ny tranoko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:33, nampiana fanamafisana; jereo koa ny andininy 11–12). Na dia izany aza dia maro tamin’ireo Olomasina tany amboalohany no tsy nahafantatra mazava tsara ny zavatra andrasana.
Tsy ela taorian’ny niantsoana sy nanokanana ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 1835 dia niara-nivory tamin’izy ireo momba ny tranon’ny Tompo i Joseph Smith. Hitan’i Joseph fa “sahiran-tsaina” ireo Roambinifololahy ary tsy afaka nahatakatra izay zavatra ho avy. Nohazavainy fa nila fanafiana izy ireo mba hahafahan’izy ireo “ho vonona sy afaka ny handresy ny zava-drehetra” ka hampianatra ny filazantsara amin-kery. “Rehefa mahazo fanafiana ianareo” hoy izy nanazava, ireo Apôstôly dia “hitory ny filazantsara amin’ny firenena rehetra, ny foko sy ny samy hafa fiteny rehetra.”
Tsy ela taorian’izay i Joseph Smith dia nanambara fombafomba masina nitovy tamin’ny fanokanana ireo mpisorana tao amin’ny tempoly Israelita fahiny. Ho fiomanana amin’ilay fanafiana, ireo manana andraikitra rehetra ao amin’ny fisoronana dia nosasana sy nosorana “tamin’ny karazana menaka sy tamin’ny fomba nitovy tamin’ny an’i Mosesy sy i Aharôna, ary ireo izay nijoro teo anoloan’ny Tompo tamin’ny andro fahiny.”
Tamin’izany fotoana izany, ny fanafiana amin’ny hery dia fitosahana hery ara-panahy tamin’ny fomba miezinezina nandritra ny fivoriana iray izay fivoriana masina miavaka. Tahaka an’i Elijah Able, Fitopololahy mainty hoditra voalohany tato amin’ny Fiangonana, ireo nanana anjara fanompoana tao amin’ny fisoronana dia nifady hanina sy nivavaka ary nihinana ilay fanasana nandritra ny Fanasan’ny Tompo ho toy ny sakafo niaraha-nihinana. Nijoro ho vavolombelona sy naminany izy ireo ka dia nomen’ Andriamanitra hery. Ireo izay nahazo fanafiana avy eo dia nanainga mba hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsra naverina amin’ny laoniny. Na dia teo aza ny fanoherana, izy ireo dia narovana nandritry ny dian’izy ireo, nohatanjahana tamin’ny fitoriana nataon’izy ireo ary notahiana ny fianakavian’izy ireo.
Tao Kirtland dia ireo lehilahy ihany no nandray anjara tamin’ilay fivoriana izay fivoriana masina ka tamin’izany no nanafiana azy ireo tamin’ny hery avy any ambony. Na izany aza, tao anatin’ny taona vitsy, dia nanangana ny Tempolin’i Nauvoo ireo Olomasina. Tao no nanambaran’i Joseph Smith ireo fombafomba masin’ny tempoly mivelatra kokoa izay fototry ny zavatra iainantsika any amin’ny tempoly ankehitriny. Tao Nauvoo ireo vehivavy sy ny lehilahy dia samy notafiana tamin’ny hery.
Raha niresaka tamin’ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana i Joseph Smith dia nampanantena izy fa mandritry ny fanafiana ao amin’ny tempoly “ireo fanalahidin’ny fanjakana” dia “homena azy ireo,” mitovy amin’izay “nomena an’ireo Loholona.” Na dia am-polo taonany maro taty aoriana aza vao nantsoina ho misiônera mitory filazantsara ny vehivavy, dia ampahany feno tamin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra teto an-tany ny vehivavy sy ny asany.
Na dia tsy nahatratra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland aza i Charles Rich dia nianatra izy fa izy sy ireo misiônera maro hafa izay tara fahatongavana tao Kirtland dia hahatsapa ny zavatra iainana amin’ilay fanafiana. Araka ny fomba fanaon’ireo mpisorona Isiraelita fahiny (jereo ny Eksodosy 29; 40), dia nosasana sy nohosorana izy. Niara-nivory tamin’ireo hafa, nifady hanina sy nivavaka ary nivoky tamin’ny Fanasan’ny Tompo izy.
“Naminany izahay ny alina manontolo,” hoy i Charles nanoratra. “Naminaniana fa ny fanavotana dia voasoratra teo amin’ny rantsam-batana sy ny famavany rehetra” teo amin’ny vatany. “Heniky ny fanahin’ny faminaniana aho ary notafiana tamin’ny hery avy any ambony.”
Nolaniany tamin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fiasana mafy tamin’ny naha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ny androm-piainany sisa, eny, dia 47 taona izany.
Hatramin’io fotoana io, ireo Olomasin’ny Andro Farany nanerana izao tontolo izao dia nankany amin’ny tranon’ny Tompo mba hotafiana amin’ny hery avy any ambony. Ary tahaka ny tamin’ireo Olomasina tany amboalohany, ny fanafiana dia manomana antsika hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika ka handraisantsika ny fisandratana amin’ny alalan’ny famindram-pony sy ny fahasoavany indray andro any.