2025
Tena afaka miantehitra amin’ny fitarihan’ny mpaminany ve aho?
Martsa 2025


“Tena afaka miantehitra amin’ny fitarihan’ny mpaminany ve aho?,” Liahona, mar. 2025.

Tanora

Tena afaka miantehitra amin’ny fitarihan’ny mpaminany ve aho?

Nisafidy mandrakariva ny hanaraka ny mpaminany aho kanefa afaka ny hatoky azy ve aho amin’ity tranga ity?

Rahavavy misiônera eo amin’ny seranam-piaramanidina

Fanehoana an-tsary nataon’i Kylee Bodily

Rehefa nandray antso aho izay nilaza fa nesorina niala ny misiôna nisy ahy aho dia tezitra sy sahiran-tsaina.

Volana maromaro talohan’ny tokony hisaorana ahy dia nanapa-kevitra ny Fiadidiana Voalohany ny handefa hody ahy sy ireo misiônera maro hafa noho ny antony izay noheveriko hoe tsaho fotsiny ny amin’ny mety hisian’ny ady maneran-tany. Tsy nisy porofo naneho fa hisy zavatra hitranga.

Tsy nihevitra aho hoe nisy zavatra mampanahy.

Misalasala momba ny fitaomam-panahy

Niriako efa hatry ny ela ny hanao asa fitoriana ka niasa mafy be aho mba hanatrarana izany tanjona izany. Zara raha nanam-bola aho saingy nahita asa izay nanampy ahy hahazo ny vola ampy hanefako izay sarany lany amin’ny asa fitoriana hataoko aho. Rehefa nosokafako ny antsoko dia tsapako fa natao ho ahy mihitsy io antso io ary fantatro fa avy tamin’ Andriamanitra izany.

Kanefa, noho ny fisian’ny COVID-19, dia nafindra tao amin’ny misiôna iray tao Utah aho mba hanompo nandritra ny sivy volana mialoha ny niampitako ranomasina nankany amin’ny toerana nanendrena ahy voalohany. Nahatsapa ho maivamaivana sy dibo-kafaliana aho fa tody tany amin’ny toerana niantsoan’ Andriamanitra ahy ihany nony farany.

Afaka volana vitsy monja taorian’ny naha-tany ahy avy eo dia nesorina manta niala teo anivon’ireo olona sy ny firenena nankamamiako aho. Tsapako ho toy ireny hoe nesorina teny amiko ireny ny zava-drehetra.

Nahatsapa ho nivadihana aho. Nisalasala tamin-kitsim-po aho raha toa ka safidy nentanim-panahy izany.

Nody tsy sazoka tany Texas aho. Tampoka loatra ilay famindran-toerana ahy ka tsy tonga niarahaba ahy tongasoa an-tanindrazana ny dadako sy ireo iray tampo amiko.

Fitahiana miendrika fiarovana

Andro vitsy monja taorian’ny nandaozako ny misiôna nisy ahy dia taitra aho raha nisy ady nipoaka teo akaikin’ny toerana nanompoako. Tamin’izay fotoana izay no nahatonga saina ahy fa ny fanarahana ny mpaminany no niaro ahy tamin’ny fomba nibaribary. Heniky ny fankasitrahana aho ny amin’ny mpaminany sy ny fitaomam-panahy azony.

Nampanantena ny tenako aho fa hanaraka mandrakariva izay lazain’ny mpaninany aho, eny fa na dia tsy azoko eo no ho eo aza izany.

Vao haingana ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no niteny izao: “Ny fananana mpaminany dia mariky ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany. Mampahafantatra ireo fampanantenana sy ny toetoetra marin’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny olon’izy ireo.”

Tena inoako fa ny Filoha Russell M. Nelson dia mpitondratenin’ny Tompo. Miara-miasa mivantana amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy izy mba hitarika antsika ho amin’ny fiarovana sy hanome antsika fanantenana sy fitarihana mandritra ireo fotoan-tsarotra.

Fitahiana avy amin’ny fanarahana ny mpaminany

Raha mbola manontany tena ianao raha toa ka nantsoin’ Andriamanitra na tsia ny mpaminany, ny torohevitro dia ny mba hanarahana ireo fanasany. Andramo averina vakina ireo lahatenin’ny Filoha Nelson nandritra ny fihaonambe farany ary alalino ireo soratra masina amporisihany mba hohalalinina. Manaova asa mifanaraka amin’ny fanasany ary halalino ireo fitahiana nampanantenainy miaraka amin’ireo fanasana ireo.

Nampianatra ihany koa ny Loholona Soares hoe: “Rehefa manaraka [ireo mpaminany] isika dia hisy fifaliana kokoa sy tsy dia ho sarotra ny fiainantsika, mora kokoa ny mizaka ireo olantsika, ary manorina fitaovam-piarovana ara-panahy manodidina antsika” isika.

Hitako teo amin’ny fiainako ireo fitahiana ireo rehefa nanaraka ny torohevitry ny mpaminany aho. Fantatro fa mitolotra amin’ny olon-drehetra izay mametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra sy ny mpaminaniny ireo fitahiana ireo.