“Asa fanompoana ataon’ireo Apôstôly: Asa izay tsy misy olon-kafa afaka mahavita,” Liahona, mar. 2025.
Asa fanompoana ataon’ireo Apôstôly: Asa izay tsy misy olon-kafa afaka mahavita
Mitondra fahasoavana eo amin’ny fiainan’olona maro be ny asa fanompoana maneran-tany ataon’ireo Apôstôlin’ny Tompo ankehitriny.
Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Miavaka sy mavesatra ny antson’izy ireo. Rehefa voantso hanompo izy ireo dia miala amin’ny anton’asa miavaka ananan’izy ireo mba hanokana ny fotoanan’izy ireo manontolo sy ireo talentany mba hitahiana ny hafa. Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ananany amin’ny antsony, izay volavolain’ny fanompoana mandritra ny androm-piainana sy ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ary ny fandresena ireo olana amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo.
Raha iny vao naka toerana hipetraka mba hihaino ny rindran-kiran’ny Krismasy karakarain’ny sekoly nianaran’ny zafikeliny iny ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy i Mélanie vadiny dia nanatona ny talen’ny sekoly ka nangataka raha toa ka afaka manolotra teny fandraisana ny mpanatrika ny Loholona Rasband.
Rehefa nitsangana izy ka nijery tany amin’ny vahoaka sy ilay tarika, izay tsindrin-daona ny amin’ny hanombohan’ny fandaharam-potoana avokoa, dia nihevitra ny hiarahaba fotsiny an’ireo vahiny sy hirary takariva mahafinatra azy ireo izy. Saingy tsaroany avy eo ny antsony amin’ny maha apôstôly azy mba hijoro mandrakariva amin’ny toerana rehetra amin’ny maha vavolombelona manokana azy. “Tompokolahy sy tompokovavy,” hoy izy, “tsy azoko avela mandalo fotsiny izao soa fanararaotra [mandritra ity] vanin’andron’ny nahaterahan’i Kristy ity izao mba hijoro ho vavolombelona ny amin’ny Anarany sy ny asa fanompoana nataony.”
Na aiza na aiza alehan’izy ireo, na iza na iza tafahaona amin’izy ireo, ny hafatr’ireo Apôstôly dia fanambarana ny amin’ny maha Zanak’ Andriamanitra mpitondra fanavotana an’i Jesoa Kristy. “Voalohany indrindra, amin’ny fotoana rehetra, izahay dia vavolombelon’ny fisian’i Jesoa Kristy Tompo velona,” hoy ny Loholona David A. Bednar.
“I Jesoa Kristy no antony mampisy anay eto,” hoy ny Loholona Dale G. Renlund tamin’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy iray tany Londres tamin’ny taon-dasa. “Fantatro marin-drano fa velona Izy! … Tena misy fahagagana mitranga eo amin’ny fiainanao rehefa ianao mihitsy no mahafantatra izany.”
“Ahoana no ahafahako manampy azy ireo hanorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy?” hoy ny Loholona Quentin L. Cook tamin’ireo mpikambana any Sydney, Australie raha nitantara ny amin’ny fomba nanefen’io fanontaniana io ireo hafatra nozarainy nandritra ny taona maro.
Hita taratra amin’ny hafatr’izy ireo ny hamehana sy ny faniriana fatratra tsapan’izy ireo ny mba hahafahan’ny hafa hijoro amim-pahamasinana mba hahita sy hahatsapa ny Mpamonjy ary hiaina ny famindram-pony manavotra (jereo ny 3 Nefia 11:15). Hipoka fitiavana sy ny fahatakarana ny fampianaran’izy ireo. Malemy paika kanefa hentitra ny fanasan’izy ireo mba hibebaka. Mibaribary sy tsy azo lavina ny fanirian’izy ireo fatratra ny mba hivoaran’ny mpikambana ao anatin’ireo zavatr’ Andriamanitra. Rehefa mandre ny fijoroana ho vavolombelona ataon’ny Apôstôly iray ny olona dia fo maro no ho voakasika ary fiainan’olona maro no mety hiova.
Vavolombelon’i Jesoa Kristy
Ny Apôstôly tsirairay dia mitondra talenta sy traikefa miavaka hoenti-manatanteraka ny andraikiny. Samy sangany tamin’ny asany izy tsirairay avy. Tsy mitovy ny toetrany sy ny fomba fiasan’izy tsirairay avy kanefa manana hatsarana iraisana izy ireo. Olona faly sy mahita ny lafin-tsaran-javatra izy ireo ary mampahery anao. Matetika tokoa, ireo izay tafahaona amin’ny Apôstôly iray an’i Jesoa Kristy no miaiky ny fahaiza-miaina asehon’izy ireny sy ny fahatsoran’ny toetran’izy ireo.
Mahatsapa hamehana ireo Apôstôly amin’ny famitana ny zavatra tokony hatao: antony manosika hitahy sy hitondra fampiononana ary hijoro ho vavolombelona.
“Nandritra ny telopolo taona, dia voninahitra sy tombontsoa ho ahy ny miara-miasa amin’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany,” hoy ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Tsy misy an-kanavaka fa ny tsirairay avy amin’ireo lehilahy ireo dia nanampy ahy ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy tsara kokoa.
“Tamin’izahay tafavory vao haingana izay mba haka sary, dia nahatsapa fankasitrahana lehibe aho ny amin’ny maha mpikambana ahy ao amin’ny lamina fahiny izay mitohy mandraka ankehitriny amin’ny mpianatr’i Jesoa Kristy.
“Ny anarana aman’endrik’ireo … ao amin’ity kôlejy ity dia miova rehefa mandeha ny fotoana, saingy izay zavatra manan-danja dia mitoetra: ny apôstôly tsirairay avy dia nanaiky ny andraikitra mba ho -vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao- [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23]. Tsy misy asa mamy azo omena olona iray na vondron-dehilahy iaraha-misalahy amin’izany.”
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nandaha-teny nandritra ny fihaonambe miavaka iray nataon’ny Distrikan’i Jerosalema tao amin’ny Ivon-toerana Jerosalema ao BYU tamin’ny 22 aprily 2023.
“Heniky ny fahatsapana fankasitrahana ny Mpamonjy aho androany raha nisaintsaina momba ny Sorompanavotany tany amin’ny toerana roa miavaka izahay,” hoy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf nandritra ny fitsidihany toerana masina tany Isiraely tamin’ny 2023. “Nitsidika ny Zaridainan’ny Fasana izay mety ho nandrian’ny vatan’i Kristy izahay.
“Nitsidika ilay faritra izay noheverin’ny olona sasany ho ny Sahan’i Getsemane. Raha nandehandeha teo anivon’ireo hazon’oliva niaina aman-jato taonany izahay dia nihiaino ireo andinin-tsoratra masina izay mamariparitra ny sorompanavotana mendri-kaja nataon’ny Mpamonjy ho antsika tao amin’ilay saha sy teo amin’ny hazofijaliana.
“Mendrika ny fanajantsika tanteraka sy ny haja ambony indrindra azontsika omena ny traikefa feno fanaintainana niainan’i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana. Torak’izany koa, ireo tranga mahatalanjona izay nitranga tamin’ny andro fahatelo taorian’ny fanomboana Azy dia mendrika ny hanan-toerana mahatalanjona sy fankasitrahana mandrakizay ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika.
“Amin’ny maha mpianatr’i Kristy ahy, izaho dia manana tombontsoa hanambara ny tenivavolombeloko fa velona Izy!”
Tao anatina fanambarana natao tamin’ny tamba-jotran-tserasera momba ny fanehoam-panajana ny Tompo, ny Loholona Gerrit W. Gong dia namporisika toy izao: “Andeha isika hiresaka amim-pitiavana arahim-pankasitrahana feno fanajana momba ny asan’ Andriamanitra sy ny voninahiny sy ny hatsarany, ny famindram-po ary ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotana nataony.”
Manomana Apôstôly iray
“Mitaky fotoana lava ho an’ny Tompo ny mampianatra sy manomana olona iray mba ho Apôstôly,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson. “Rehefa antsoina ho isan’ny Roambinifololahy ny lehilahy iray, ny Tompo dia manana zavatra manokana andrandrainy avy amin’izany lehilahy izany ho anjara birikiny.”
Misy fitsapana tonga eo amin’ny lalan’ny Apôstôly tsirairay, dia “fitsapana ny risi-po sy ny faharetana”, izay mampandinin-tena sy manatandindomin-doza ny aina indraindray.
“Misy fitsapana foana,” hoy ny Filoha Nelsona raha nanoritsoritra ny asa atao amin’ny fanompoana ny Tompo. “Moa ve ianao vonona ny hanao zavatra tena sarotra? Vantany vao nampiseho ianao fa vonona ny hanao ny anjaranao dia hanampy anao Izy.”
Raha niresaka tamin’ireo mpikambana tany Aostralia ny Loholona Cook dia nizara sombiny kely tamin’ny traikefany tamin’ny fitantarana fa tahaka ireo mpitarika eny anivon’ny paroasy indraindray, izy ireo dia nahatsapa ho tsy vonona sy tsy ampy fahaizana . “Ny maha Apôstôly, manompo ny Tompo, dia mampanetry tena tokoa,” hoy izy.
Fony izy vao nantsoina ho Apôstôly, ny Loholona Neil L. Andersen dia nanazava fa na dia nahatsapa ho tsy ampy fahaizana sy naetry aza izy dia nahazo fampiononana tamin’ny nanomezan’ny Tompo azy fahaiza-manao iray farafahakeliny: “Fantatro mazava tsara sy azoko antoka tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanaka Malalan’ Andriamanitra.”
“Nisy nanontany aho hoe toy ny ahoana izany Apôstôly vaovao indrindra izany,” hoy ny Loholona Patrick Kearon iray andro taorian’ny nantsoina azy ho isan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
“Nahatsapa izay mety ho karazana fihetseham-po rehetra aho ary fantatro fa mihoatra lavitra noho izay zavatra vitako samy irery ny antso amin’ny maha apôstôly. Saingy hitalaho fanampiana aho. Matoky tanteraka ny fisian’ny Ray any An-danitra be fitia sy ny Zanany, Mpamonjy antsika aho. Ary fantatro fa hanampy ahy Izy Ireo. Ary miantehitra amin’izany aho. Ary hanao izay tsara indrindra vitako aho, rehefa mandeha ny fotoana, mba ho lasa mitovitovy amin’ny Apôstôly izay mety ho saininareo.
“Koa noho izany amin’izao andro manahirana ahy izao, 24 ora aorian’ilay antso, mba hanekena izany, raha mandalo andro iray ianao izay hahatasapanao fa angatahana aminao … ny hanao zavatra mihoatra noho izay inoanao fa ho vitanao, dia mitovy ny fahatsapantsika .”
Ny Filoha Russelll M. Nelson dia nitarika andiana solontenan’ny mpitarika ato amin’ny Fiangonana, anisan’izany ny Loholona Gerrit W. Gong, tamin’ny fitsidihana ny mpanjakalahy sy mpanjakavavin’i Tonga tamin’ny 2019. Mihaona amin’ireo manam-boninahitra sy filoham-pirenena ireo Apôstôly ao anatin’ny anjara andraikitr’izy ireo mba hanokatra varavarana ho an’ny fitoriana ny filazantsara any amin’ny firenena maro. Mitaky taona maro ny fanomanana Apôstôly ho amin’ny andraikitra lehibe sahanin’izy ireo, hoy ny Filoha Nelson.
Ambasadaoro any amin’izao tontolo izao
Raha niresaka momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23, izay ahitana ny Tompo miantso ny Roambinifololahy mba ho “vavolombelona manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao,” dia nanambara toy izao ny Filoha Nelson: “Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kôlejin’ny Roambinifololahy dia Apôstôly ho an’izao tontolo izao. Izy dia mila mianatra momba ny lafy valon’izao tontolo izao mbamin’ny olona sy ny fiteny ary ny tantara.”
Manenika izao tontolo izao ny asa ataon’izy ireo. Mihaona amin’ireo filoham-pirenena, ireo manam-boninahitra eo an-toerana sy ny haino aman-jery ary ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny sehatra mivelatra sy mitokana izy ireo. Mety haharitra ora maro sy ho sarotra tokoa izany. Amin’ny maha ambasadaoron’i Jesoa Kristy Tompo azy ireo, dia tsy tompon’ny ainy intsony izy ireo.
Nandritry ny fandaharam-potoana tery dia tery iray, 12 andro nanompoana nitetezana izao tontolo izao tamin’ny taon-dasa nanerana ny firenena enina tany Eorôpa, izay matetika no nandritry ny alina tanaty sidina hankanesana any amin’ireo firenena no hakan-tory, ny Loholona D. Todd Christofferson dia nihaona tamin’ireo mpitarika governemanta sy misiônera manompo amin’ny fotoana feno ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana.
Nisongadina tamin’izany ny fihaonana tamin’ny Minisitry ny kolontsaina sy ny fanaovan-gazety tany Kroasia, izay nanolorany fanampiana avy amin’ny Fiangonana mba hanampiana ireo mpitsoa-ponenana nandrakotra ny firenena avy any Okraina izay rotiky ny ady. “Izahay … dia nahita fa nisy fomba maro … azonay niaraha-niasa, indrindra fa [tamin’ny fanampiana] ireo izay tao anatin’ny fahasahiranana mafy,” hoy ny Loholona Christofferson.
Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpitarika teo an-toerana tany Dar es Salaam, Tanzania, mba hanambarana fanomezana omen’ny Fiangonana ho ana tetikasa iray goavana hoenti-manasoa vahoaka tamin’ny 2024, ny Loholona Gary E. Stevenson dia nihaona tamin’ireo mpikambana sy misiônera.
Nandritra ny dia iray izay naharitra sivy andro nankanesana tany amin’ny firenena maro tany Afrika tamin’ny taon-dasa, ny Loholona Gary E. Stevenson dia nitsidika ny Tobim-pahasalamana Makuburi tany Dar es Salaam, Tanzania, izay ivon-toerana ampian’ny Fiangonana mba hitatra. “Rehefa nahita ny asa fanompoana natao tamin’ireo reny sy zaza tatỳ izahay,” hoy ny Loholona Stevenson, dia “ontsa ny fonay.”
Ho fanamarihana ny faha-30 taonan’ny niorenan’ny Fiangonana tany Cambodge, ny Loholona Renlund dia nihaona tamin’ny praiminisitr’i Cambodge, izay nosoritsoritany ho “olona miavaka.”
Ilay Apôstôly, izay mpitsabo fo teo aloha, dia nilaza tamin’ilay praiministra fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nanolotra vola nitentina nanodidina ny 2,2 tapitrisa dolara amerikana mba hisian’ny ivon-toerana fitsaboana fo iray ao amin’ny hôpitaly iray ao Siem Reap, izay hita any amin’ny 320 km eo ho eo any avaratr’i Phnom Penh, mba hanomezana fikarakarana tsaratsara kokoa ny fahasalamana ho an’ireo olona tahaka an’ny dadatoan’ilay praiminisitra izay nindaosin’ny fahafatesana noho ny aretim-po mahery vaika [syndrome coronaire aigu].
Mifandray tanana amin’i Samdech Moha Borvor Thipadei HUN Manet, Praiminisitry ny Fanjakan’i Cambodge, ao amin’ny Phnom Penh ny Loholona Dale G. Renlund ny 22 janoary 2024. Ilay fihaonana manan-tantara dia maneho ny fotoana voalohany nihaonan’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana tamin’ny lohan’ny governemantan’ny Fanjakan’i Cambodge.
“Tombontsoa ho ahy ny maha-mpikambana sy mpitarika ary misiônera ahy tany Ulaanbaatar, Mongolia, sy tany Kyoto, Hiroshima, Fukuoka, Sapporo, ary Tokyo, Japana,” hoy ny Loholona Ulisses Soares taorian’ny fitsidihany ny Vondromparitra Avaratr’i Azia tamin’ny 2024. “Isaky ny misy fivoriana na fifampiresahana manokana aman’olona dia nahatsapa ny fitiavana sy ny finoana mahatalanjona nananan’ireo olona ireo ho an’ny Tompo aho. Nanohina mafy ahy sy nampahatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina amin’ny laoniny teto an-tany ny tantaran’ny fiovam-po mahagagan’izy ireo.
“… Fitahiana lehibe ho ahy ny nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo sy ny fitiavany teo anivon’ireo mpianatra mahatalanjon’i Kristy tany amin’ireo firenena ireo.”
Asan’ireo Apôstôly
Ny fanokafana varavarana ho an’ny fitoriana ny filazantsara any amin’ny firenena samihafa no andraikitra fototry ny apôstôly : “Ny Roambinifololahy mihazona ny fanalahidy mba hanokatra ny varavarana amin’ny alalan’ny fitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:35).
Tamin’ny mpikambana tao amin’ny kôlejin’ny Roambinifololahy an’ny Filoha Nelson dia nisokatra tamin’ny fomba samihafa ireo varavarana ho an’ny fitoriana ny filazantsara. Indraindray ny Fanahy dia niasa tao amin’ny mpitarika iray tao amin’ny governemanta mandra-“panombohany hiova hevitra momba antsika,” hoy ny Filoha Nelson. Amin’ny fotoana hafa ny lehilahy iray izay tsy vonona ny hiresaka tamin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia nesorina tamin’ny andraikiny ary ny Tompo dia nanome “anay lehilahy iray azonay iresahana.” Tamin’ny toe-draharaha tsirairay avy, dia hoy ny Filoha Nelson: “nitovy ny hafatra nalefa [avy any an-danitra] ho ahy: -Miezaha mafy ianao. … Manaova vivery ny ainao. Rehefa tsy misy na inona na inona azonao atao intsony dia hampiako ianao.-”
Ny fifaliana entin’ny asa ataon’ny Apôstôly, hoy izy ireo, dia misy rehefa voalanjalanja ireo filàna miresaka amin’ny vondron’olona maro be sy ny fanompoana olon-tokana, izay manahirana tokoa. Mamangy ireo mpikambana any an-tokantranony izy ireo mba hanome tsodrano na haneho fankasitrahana na hanome torohevitra izay nilaina mafy.
Hoy ny Loholona Bednar: “Ny Tompo dia mandefa mpikambana iray ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy any amin’ny toerana voafaritra amin’ny fotoana manokana ka amin’izany izahay dia mifanehitra amina Olomasin’ny Andro Farany mahatoky sy olon-kafa izay matetika no manana olana na mila fampiononana sy fanomezan-toky. Andriamanitra no mandamina sy mahatonga ireny fifaneraserana ireny.”
Ny Loholona David A. Bednar sy i Susan vadiny dia niarahaba ny olona taorian’ny fivoriana iray tany Toluca, Mexique tamin’ny 5 nôvambra 2023.
Indraindray ny asa fanompoan’izy ireo dia atao imasom-bahoaka tokoa, tahaka ny tamin’ny fotoana nandraisan’ny Loholona Stevenson anjara tamin’ny valan-dresaka avo lenta natao tamin’ny mpanao gazety tany Nairobi, Kenya, izay nampitaina nivantana tao amin’ny fahitalavitra nasiônaly. “Mety ho toy izao ny fanontaniana ao … an-tsainareo: -Fa inona izany Apôstôly izany?-” Hoy ny Loholona Stevenson nandritra ilay fampitana. “Izahay … dia nantsoina handeha any amin’ny firenena manerana izao tontolo izao sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra an’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ilay Andriamanitra velona.”
“Tsy misy afa-tsy Izy,” hoy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf. “Misolo tena Azy izahay. Tsy misy afa-tsy Andriamanitra sy ny halehibeny ary ny maha-zava-dehibe Azy ho an’ny fahasambaran’ireo zanany.”
Miantraika amin’ny tena manokana ara-bakiteny indraindray ny asan’ Izy Ireo. Nanamboatra ny tafontranony ny Loholona Bednar indray andro ka nandeha tany amin’ny toeram-pivarotana iray teo an-toerana mba hividy fitaovana vitsivitsy. Nanao akanjo fanao rehefa manao raharaha izy: pataloha sy kiraro tsotra, T-shirt ary kasikety.
“Nisy lehilahy iray nanatona ahy raha izaho teo am-pifantenana fitaovana iny ka niteny hoe: -Loholona Bednar, tsy mahay manova endrika ianao.- Nihomehy izahay ary nanontany izy avy eo hoe: -Tsy mampaninona anao ve raha ametrahako fanontaniana iray ianao?-
“Novaliako hoe: -Ka izany no antony maha eto ahy.-
“Fanontaniana no namaliany ahy: -Inona no tianao holazaina?-
“Nolazaiko hoe: -… Eto aho satria fantatr’ Andriamanitra fa hifanena isika ato amin’ity toera-mpivarotana ity ary nanana zavatra tianao anontaniana ianao. Ento ary ny resakao raha sitrakao ary zarao amiko ilay fanontanianao.-
“Niresaka nandritry ny 15 minitra teo amin’ilay toerana nisy ny fitaovana notadiaviko izahay ary niezaka aho ny hanampy azy hitady ny valin’ny fanontaniany. Moa ve kisendrasendra fotsiny ny fihaonako tamin’io lehilahy tsara io tao amin’ilay toeram-pivarotana teo an-toerana? Sa ve izany fisehoan-javatra narindran’ Andriamanitra, dia ny Mpamonjy be fitia izay… namaly ny zava-nanahiran-tsaina ny lehilahy mahatoky iray, eny olon-tokana?
“Mino aho fa ao amin’ny asan’ny Tompo dia tsy misy izany atao hoe fifandrifian-javatra izany. Lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.”
Ny Loholona Neil L. Andersen dia naka sary tamin’ny 22 february 2024, tany Jaime Cardinal Sin Village, Manila, Filipina, ary namboarin’ny Fingonana ny siniben-drano telo tao.
Miatrika ireo olana am-pinoana ny Tompo
Miatrika olana goavana sy saro-bahana ireo Apôstôly ankehitriny. Mikatsaka fitaomam-panahy izy ireo rehefa mampianatra sy manompo mpiangona maneran-tany ahitana mpikamban’ny Fiangonana mihoatra ny 17 tapitrisa izay mandalo fitsapana entin’ny fanamby toy ny korontana ara-politika, na ny pôrnôgrafia, na ny tsindry totokafon’ny tamba-jotran-tserasera na olana ara-toekarena tsy ampoizina. Manapaka ny asa ny fifandirana eo amin’ny firenena. Manohintohina ny filaminan’ny fiarahamonina ny fitotonganan’ny soatoavina nentim-paharazana.
Ireo mpikambana ao amin’ny Rombinifololahy dia malina amin’ny andraikitr’izy ireo ary dodona ny hanorina finoana eo anivon’ny tontolo iray izay miha-tsy manam-pinoana hatrany.
“Hita mibaribary fa mitaona ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana sy manaitra azy … amin-kamehana ny herin’ny Tompo,” hoy ny Filoha M. Russell Ballard (1928–2023), fony izy Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny fanontaniana tsy maintsy apetratsika amin’ny tenantsika dia ny hoe: -Moa ve isika manao tongotra miara-mamindra amin’ireo [mpitarika antsika]?- Tsy maintsy mivonona ny hamaly io fanontaniana io ny tsirairay avy amintsika. Afaka manome toky anareo aho fa anton-dresaka lehibe eo anivon’ny Kôlejin’ny Apôstôly izany. … Tsy fotoana hakana aina izao na hanaovana alasafay ny antsontsika. …”
“… Tsy maintsy vonona isika ny hanao tongotra miara-mamindra amin’ireo mpitarika antsika, manaraka izay halavan’ny dingana rehetra ataon’izy ireo.”
“Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika dia mikatsaka ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy sy manaraka ny ohatra nataony isika amin’ny zavatra rehetra ataontsika,” hoy ny Loholona Uchtdorf. “Hatramin’ny fotoana nanombohantsika nandia ny lalan’ny maha mpianatra no anombohan’ireo fitahiana hita maso sy tsy hita maso avy Andriamanitra ho tonga amintsika.
“Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainana misy anao amin’izao fotoana izao, izaho sy ianao dia afaka mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana anio. Ndeha isika hanetry tena, ndeha isika hivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny fontsika manontolo ka hilaza ny faniriantsika hanakaiky Azy sy hianatra Aminy.”