“Hamarino fa mihidy tsara ny vavahady,” Liahona, mar. 2025.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Hamarino fa mihidy tsara ny vavahady
Nandritra ny fanompoako tao amin’ny toeram-piompiana iray dia nianatra lesona sarobidy momba ny fanarahana mandrakariva ireo fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina aho.
Sarin’ny mpanoratra ao amin’ny toeram-piompiana, nalain’i Shaun Sutton
Rehefa akaiky hifarana iny ny fotoana naha-misiônera tanora mpanao asa fanompoana ahy dia nanaraka fitaomam-panahy iray aho mba hanompo nandritra ny roa andro isan-kerinandro tany amin’ny toeram-piompian-tsoavaly iray ho an’ny mpialasasatra tao Utah, izay natao ho an’ireo fianakavian’ny miaramila sy fianakaviana navelan’ireo miaramila maty an’ady. Tsy nanana traikefa velively tamin’izay mety ho zavatra nifandray tamin’ny fiompiana aho kanefa faly.
Fotoana fohy nanompoako tany dia nasaina nanadio ireo fahitra an-tsoavaly aho. Nampiandraiketina ny hampiseho ahy ny zavatra hatao i Elder Saltern, namana tsara sy mpiara-manompo, izay niara-nandeha nampianatra tamiko isan-kariva.
Raha tonga teo amin’ilay fahitra farany nodiovina nandritra ny iray andro aho dia niara-niditra tao tamin’i Elder Saltern aho. Nandray fitaomana malefaka tao an-tsaiko aho mba hanontany raha toa ka nidy ny vavahady tao aorianay. Navelako tany ilay eritreritra dia nanomboka nanao ny asa fanadiovana aho.
I Shrek, ilay soavaly tao amin’ilay fahitra no soavaly lehibe indrindra tao amin’ilay toeram-piompiana. Nanomboka ho nihetsiketsika tsy nahatombintsiraka izy raha iny izahay teo am-panadiovana iny. Tampoka teo i Shrek dia niridana nivoaka ilay fahitra teo amin’ny vavahady nisokatra ka nirifatra nandalo ireo soavaly hafa teny ivelan’ny fefy.
Soa ihany fa naka lavoanina iray siny ny iray tamin’ireo mpiasa be traikefa tao amin’ilay toeram-piompiana mba hanintonana ilay soavaly hiverina. Rehefa naveriny tao amin’ny fahitra nisy azy i Shrek dia nijery ahy sady nanontany tamim-pihomezana hoe: “Inona no zavatra nianaranao?”
Ny lesona hita nibaribary dia ny manidy vavahady mandrakariva. Nampahatsiahivina ahy ny soratra masina iray novakiako tamin’io maraina io mihitsy izay nampianatra ahy mba hanaraka “fitaoman’ny Fanahy Masina” (Môzià 3:19).
Tamin’i Elder Saltern niditra ny fahitr’i Shrek dia tsy noraharahiako ilay fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanidy ny vavahady. Ny Fanahy dia noferako tamin’ny fanoroana hevitra ahy tamin’izay noheveriko ho “ara-panahy” izay mifandray amin’ny soratra masina na ireo didy. Nampanetry tena ahy io traikefa io. Tsapako fa lehibe mihoatra noho izay niheverako azy ny fahalalan’ny Fanahy, eny fa na dia mikasika ny fiompiana aza izany!
Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe: “Tsarovy fa tsy ahy sy anao irery ihany ity asa ity. … “Rehefa manompo ny Tompo isika, dia mahazo ny fanampian’ny Tompo.”
Mety hoe tsy nampianatra filazantsara aho tao amin’ilay toeram-piompiana, tahaka ny nataoko niaraka tamin’i Elder Saltern tamin’io hariva io, kanefa nahazo fanampiana sy fitarihana avy amin’ Andriamanitra aho; dia nandritry ny fanadiovana ireo fahitra ana soavaly izany.