2025
Repoblika Demôkratikan’i Kôngô
Martsa 2025


“Repoblika Demôkratikan’i Congo,” Liahona, mar. 2025.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Repoblika Demôkratikan’i Kôngô

Sarintanin’izao tontolo izao ahitana faribolana manodidina ny Repoblika Demôkratikan’i Congo
Tontolo taka-maso ao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo, ahitana volkano ao ambadika.

Ireo olona niova fo voalohany tany amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo dia natao batisa ivelan’ny firenen’izy ireo talohan’ny niverenan’izy tao amin’ny tanindrazany ka nizarany ny finoan’izy ireo tamin’ny hafa. Rehefa tonga tany RDC ireo misiônera tamin’ny 1986 dia efa nisy vondron’olona efa niova fo nivory isan-kerinandro. Tamin’ny 1996 no noforonina ny tsatòka voalohany ary tamin’ny 2019 no nanokanana ny tempoly voalohany teo amin’ny firenena. Ankehitriny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo dia manana:

  • Mpikambana miisa 115.000 (eo ho eo)

  • Tsatòka miisa 27, paroasy sy sampana miisa 289 ary misiôna miisa 5.

  • Tempoly 1 (Kinshasa) sy 3 nambara (Lubumbashi, Kananga ary Mbuji-Mayi)

Zatovolahy mitsiky

Feno fankasitrahana noho ny amin’ny drafitry ny famonjena

Tamin’i John Lwamba avy any Lubumbashi nanao asa fitoriana dia maty ny zokiny lahy. Hoy izy: “Somary sarotra ho ahy ny nanaiky izany satria izy no olona maty voalohany tao amin’ny fianakaviako. Niaraka tamin’ny fanampian’ny filohan’ny misiônako sy ny soratra masina dia afaka nanaiky izany aho ary hatramin’izay andro izay, dia nampanakaiky ahy an’ny Mpamonjy io traikefa io. Fantatro fa noho Izy dia nitsangana tamin’ny maty, ireo olona rehetra ao amin’ny fianakaviako izay efa nodimandry dia hitsangana amin’ny maty indray.”