2025
Manana fahatsarana ampy ve aho?
Martsa 2025


“Manana fahatsarana ampy ve aho?” Liahona, martsa 2025.

Fanehoana ny finoana

Manana fahatsarana ampy ve aho?

Noheveriko fa amin’ny alalan’ny fiainana mifanohitra amin’ny soatoavina nentim-paharazana no hahitako finoana sy fitiavana ary fahamarinana ara-panahy. Fa tsy nahita aho. Tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy tao amin’ny tempoly no nahitako azy ireo.

lehilahy iray mipetraka eo amin’ny sezan’ny birao ao an-trano

Sary nalain’i Leslie Nilsson

Fony aho zatovo tamin’ny taona 1960, dia nangotraka ny Ady tany Vietnam. Nisy namono i John F. Kennedy, sahala amin’izany koa i Martin Luther King Jr. sy i Robert Kennedy. Nikomy tamin’ny ray aman-dreniko sy ireo fomba nentim-paharazana sy andrim-panjakana rehetra nisy tamin’izany andro izany aho. Tsy te hanambady na hanan-janaka teo amin’ny tontolo iray izay feno herisetra sy fitaka ary tsy nandeha tamin’izay laoniny aho.

Kilasy faha 9 teny amin’ny lisea aho no nijanona tsy nianatra ary nifindra tany Haight Ashbury Distrikan’i San Francisco, Californie, Etazonia ka niaina ny fiainan’ny hippie nanomboka tamin’ny 1969 ka hatramin’ny 1972. Niara-nonina tamin’ny vondron’olona aho, nanao izay asa hitako aho ary nanaiky sy nandala ny fiainan’ny idealista sy ny an’ny mpampanarana fahafinaretana, anisan’izany ny fidorohana zava-mahadomelina.

tovolahy lava volo sy misy volom-bava

Fony i Randy zatovo, dia noheveriny fa tsy hanana hoavy sambatra ny fiainany. “Nikomy tamin’ny ray aman-dreniko sy ireo fomba nentim-paharazana sy andrim-panjakana rehetra nisy tamin’izany andro izany aho,” hoy izy.

Nifanindran-dalana tamin’izany, dia nikatsaka finoana sy fitiavana ary fahamarinana ara-panahy aho. Nandinika sy nandalina karazam-pinoana aho ary naka tamin’izy ireny ny zavatra izay hitako ho marina na sarobidy. Niafara tamin’ny fahasorenana avokoa anefa ny fikarohana rehetra nataoko. I John zokiko lahy izay nahafantatra ny fikarohana nataoko dia nandefa ny Bokin’i Môrmôna tany amiko.

“Mila mamaky an’ity ianao,” hoy ny nosoratin’i John, izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana taloha kelin’izay.

Rehefa voaroaka tamin’ny asa aho noho ny famakiako ny Bokin’i Môrmôna tany amin’ny toeram-piasako tany amin’ny toeram-pamatsiana solika dia hoy aho hoe: “Tsy mba tsara ity ka.” Nariako tany amin’ny fako ilay boky.

Tsy ela taorian’izay dia nilaza tamiko i John fa ho avy any amin’ny faritr’i San Francisco Bay hiaraka amin’ny tarika mpihira iray avy tao amin’ny Onivesite Brigham Young.

“Mba te hahita anao aho,” hoy izy sady nanipy hevitra ny mba hihaonanay tany amin’ny Tempolin’i Californie Oakland.

Rehefa nandeha fiara nanodidina ny faritr’i San Francisco Bay aho dia nahita matetika ny tempoly. Nanintona ny fanahiko ilay izy ka dia namaky ny momba azy io aho ary naniry ny hankao anatiny. Indray maraina izaho sy i John dia nihaona teo an-tokotanin’ny tempoly. Taorian’ny fifampiresahanay dia hoy izy hoe fotoana amin’izay izao hidirany sy ny tarika nisy azy ao amin’ny tempoly.

“Randy a, tsy afaka ny hiditra ao amin’ny tempoly ianao,” hoy i John mantsy ahy.

“Fantatro e, hippie aho,” hoy izy namaly, “saingy nandalina momba ireo fivavahana Tatsinanana aho, tsy mihinan-kena, miara-monina amin’ny vondron’olona izay ifampizarako ny manta sy masaka aho ary manana 20 dolara. Mety ho ohatrinona no fidirana?”

“Mihoatra lavitra noho izany,” hoy i John namaly. “Tsy ampy ny hatsarana ananao.”

Tamin’izany fotoana izany aho dia nandray ny tenako ho lasa lavitra tamin’ny lafiny ara-paharanitan-tsaina, ara-pandinihana ary ara-panahy. Ahoana no mahatonga ahy ho tsy ampy hatsarana?

Feno fanantenana

An-taonany maro ireo ray aman-dreniko no tsy nahalala hoe taiza no nisy ahy. Izy ireo dia olona tsara izay niezaka ny hanome ny fianarana tsara indrindra araka izay tratra ho ahy ary azoko tsara raha diso fanantenana ny amin’ny safidiko izy ireo. Rehefa lasa narary ny raiko dia nandresy lahatra ahy mba hiverina any an-trano tany Washington, D.C. ny reniko. Rehefa tonga aho dia nahitan’i John asa tao amin’ny ekipa iray nanamboatra ny Tempolin’i Washington D.C. aho.

Tsy fantatro fa nataony izay hiarahako hiasa amin’ny ekipa iray ana misiônera nahavita asa fitoriana. Zendana aho nahita fa i John Howell, ilay lehiben’ny famitana ny tetikasa, no nangataka mpikambana iray tao amin’ilay ekipa hivavaka hanombohana ny andro tsirairay iasana; zavatra izay tsy mbola hitako mihitsy teo amin’ireo ekipa niarahako niasa taloha.

Indray andro tany am-piasana dia maro taminay no nampiakatra ny iray tamin’ny ireo varavarana anoloana mavesatry ny tempoly ka nianjera ilay izy ary dia nitontona teo amin’ny rantsantanako iray hany ka fisaka dia fisaka ilay izy. Niolomay nanatona i John, nijery ny rantsantanako, nampaka menaka nohamasinina ary nanome ahy tsodrano. Nalaky sitrana ilay rantsantanako ka tsy nila nankany amin’ny dokotera akory aho.

Tamin’ny fotoana iray hafa, dia nomena hareza aho ka nasaina hikiky ireo sombina potipoti-javatra hiala teo amin’ireo gorodona vita simenitra.

“Fa maninona?” Hoy aho nanontany ireo mpikambana tao amin’ny ekipanay. “Fa angaha tsy asian-dry zareo karipetra eto?”

“Randy, tsy fantatrao angaha hoe an’iza ity trano ity?” hoy ny navaliny. “Manao izay hahatonga lafatra azy ho an’ilay Olona Iray Tonga lafatra isika.”

Notambesaran’ny fiahiahiana, fahatezerana sy fankahalana ary tahotra izao tontolo izao kanefa ny ohatra sy ny fampianarana nomen’ireo tovolahy niara-niasa tamiko dia nameno fanantenana ahy. Rehefa nizara tamiko ny zavatra inoany ireo mpikambana tao amin’ilay ekipa dia fantatro fa niteny tsy ankifonofono sy tamim-pahamarinana izy ireo. Nanome roa taona tamin’ny androm-piainany izy ireo mba hanompo ny hafa ary narani-tsaina nomban’ny fijery tsara. Tiako raha mba marina ny fampianaran’izy ireo. Tsapako ho nahazo ilay fahazavana nokatsahiko hatrizay aho sady nanomana ahy ara-panahy ny Tompo.

Nanipy hevitra i John Howell ny mba hihaonako tamin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno. Ho soloin’izany dia nisafidy aho mba ho ny rahalahiko sy ny iray amin’ireo namany, izay misiônera iray hafa efa nahavita asa fitoriana, no hampianatra ahy. Rehefa nampianatra ahy izy ireo dia nila porofo tsy azo lavina avy amin’ny ankolafy iray hafa aho fa marina ny zavatra nianarako. Raha tsy nisy io porofo io dia tsy te hitozo amin’ireo fampianarana aho.

Rehefa nanontaniako azy ireo ny fomba nahafantarany ny fahamarinana dia toy izao no navaliny: “Namaky sy nivavaka izahay ka nahatsapa ny tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina.” Nolazain’izy ireo aho fa nila io tenivavolombelona io.

Ny alin’io aho dia nankany an’alakely tsy lavitra teo amin’ny manodidina ahy. Tsy fantatro hoe adiny firy no nivavahako fa nataoko tamin’ny nahim-po tanteraka izany. Naverimberiko nangatahana tamin’ Andriamanitra tsy nisy nanovana ireto fanontaniana efatra ireto: “Tenin’ Andriamanitra ve ny Bokin’i Môrmôna? Niseho tamin’i Joseph Smith ve ianao sy ny Zanakao lahy? Ity ve no Fiangonana marin’i Jesoa Kristy? Moa ve ampy ny hatsarana ananako mba hahatongavako ho mpikambana?”

“Eny” inefatra no Tonga tao amin’ny aty fanahiko tamin’ny alalan’ny bitsika ny valin’ny tsirairay avy amin’ireo fanontaniana ireo, dia “Eny” inefatra izany. Narahina fahatsapana tony sy tapitra ohatra ireo bitsika ireo.

Teo am-panondrehana ny lohako aho sady teo am-pandohalihana nivavaka, hotsaky ny ranomaso, no nihiaka hoe: “Raha izao no valin-teny omenao Ahy dia ekeko izany ary hanolotra ny fiainako manontolo ho Anao sy ity filazantsara ity araka ny nanambaranao izany tamiko.” Tsy nisy teny afaka mahalaza ireo eritreritra sy fahatsapana ary fahamarinana izay nandrakotra ahy.

Tsy azo lavina ny tenivavolombelona noraisiko tamin’io alina io ary mbola matanjaka mitovy ny tamin’izany ihany izany ankehitriny. Hatramin’io vavaka io dia noporofoin’ Andriamanitra tamiko tamin’ny alalan’ny fahagagana anarivony sy tamin’ny fomba afaka nampiasana azy ireo valiny ireo.

ny mpanoratra fony izy zatovolahy

“Fahagagana ny Fiangonana,” hoy i Randy, izay hita eto amin’ity sary ity, iray volana taorian’ny batisany. “Ary fahagagana hatrany ny fiainako tato am-piangonana.”

Afo miredareda ao anatiko

Fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa ahy tamin’ny 1974 dia niaraka tamin’i John rahalahiko nanatrika ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany voalohany indrindra natrehako aho. Gaga aho rehefa nandre ny Loholona Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay nihaona tamin’ny nenitoako tany amin’ny Tanànan’i New York telo andro nialoha ny fihaonambe, niresaka momba ahy sy i John tao anatin’ny lahateny nataony nandritry ny fivoriana alahady maraina.

Nindrana ny tenin’ny nenitoako ny Loholona Packer nanao hoe: “Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana misy anao ny zana-drahavaviko roa lahy. Saika tsy mampino ahy mihitsy ny fiovana nentin’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo.”

Noho io fiovana mahery vaika io (jereo ny Almà 5:14), dia nisy afo niredareda tao anatiko ka tiako hozaraina. Vetivety dia lasa misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tany Idaho ny tenako. Teny amin’ny antsasaky ny fotoana nitoriako, dia nodimandry ny raiko, izay maherifo lehibe indrindra ho ahy sy namana akaiky ahy indrindra. Niantso ny filohan’ny misiôna nisy ahy ny reniko ka nangataka raha toa ka afaka mody aho hanao ny kabary fanomezam-boninahitra. Rehefa napetraky ny filoha tamiko ny fanapahan-kevitra handeha hody na tsia dia nolazaiko taminy fa te hivavaka aho ary hifady hanina mandritry ny 24 ora nialoha ny nandraisako fanapahan-kevitra.

Nanofy aho tamin’io alina io. Niseho tamiko ny raiko. Tao afovoan’io fifampiresahana tapitra ohatra sy manan-danja taminy io dia nilaza tamiko izy nanao hoe: “Anaka, mijanòna aty amin’ny misiônanao.”

Narahiko ny torohevitr’i Dada ka dia nijanona aho.

Zatovolahy fony izy misiônera

Noho io fiovana mahery vaika taorian’ny fiovam-pony io dia nisy “afo niredareda tao anatin’” i Randy izay niriany hozaraina tamin’ny naha-misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno azy.

Enim-bolana taorian’ny asa fitoriana nataoko dia nohazoniko ny tanan-dreniko raha iny teo am-pialana aina iny izy. Folo taona maro taty aoriana, i Lisa vadiko dia nahita taratasy iray avy tamin’ireo ray aman-dreniko tao anatina vata tonta iray. Nosoratan’i Dada ho ahy nandritra ny asa fitoriana nataoko ilay izy saingy maty izy talohan’ny nandefasana izany.

“Heniky ny fitiavana anao ny fonay taloha sy mandraka ankehitriny ary mandrakariva. Fantatro fa tsy tonga lafatra foana ny zava-drehetra, saingy izay ilay fiainana e. … Tsy niteny akory i Kristy hoe: -Araho aho fa ho mora izany.- Fa hoy Izy: -[Ento] ny hazofijalia[nao] ka [manaraha] Ahy- [Matio 16:24]. Nentiny ilay hazofijaliana saingy samy manana sombiny amin’izany isika rehetra. Hiankina amin’ny fahazakàntsika ny antsika angamba ny toerana hisy antsika any an-danitra. Anaka, tianay be ianao.”

Ny zavatra nokatsahiko

Fony aho mbola kely dia somary mafy ihany ny nitondrako ireo ray aman-dreniko kanefa tsy nampisalasala ahy na oviana na oviana ny fitiavan’izy ireo. Hatramin’ny nahitana ny Fiangonana dia niasa mafy aho mba hisaotra azy ireo sy hanaja azy ireo.

Tamin’ny 17 febroary 2018, roa herinandro nialoha ny nanakatonana ny Tempolin’ny Washington D.C. mba hanavaozana izany dia nofehezina tamin-draiko sy ny reniko aho, 42 taona taorian’ny niampitan’izy ireo ny voaly mba hiaina mandrakizay. I William zanako lahimatoa no nisolotena an-draiko ary i Lisa no nisolotena an-dreniko. Tsapako fa nanatrika teo ny fanahin’ireo ray aman-dreniko izay nofehezina niaraka taloha kelin’izay.

Ao amin’ny tempoly no ahitantsika ireo tady izay mampifamatotra antsika mandrakizay amin’ireo olona ankamamian’ny fontsika. Azoko antoka izany.

Fony aho mbola kely dia tsy naniry ny hanambady na hanan-janaka. Saingy ankehitriny dia ny vady aman-janako mbamin’ireo zafikeliko no harena sarobidy indrindra ho ahy. Fahagagana ny Fiangonana ary fahagagana hatrany ny fiainako tato am-piangonana. Miombom-peo amin’i Joseph Smith aho manao hoe: “Raha tsy niaina ny zavatra niainako aho dia mba tsy ho nino izany koa.”

Dimampolo taona lasa izay no naha mpiasa mpanamboatra trano ahy tao amin’ny Tempolin’i Washington D.C. Resy lahatra aho tamin’izany fa tsy nanana hoavy sambatra ny fiainako. Ankehitriny aho dia mpanao ôrdônansy ao amin’io tempoly io ihany, nanaiky ilay fanasana nataon’ny Tompo mba hanaraka Azy, mandray ny fanasitranany sy mianoka amin’ireo ôrdônansiny ary milofo mba ho lasa tahaka Azy.

Mpivady miara-mijoro sy mitsiky

I Randy sy ny vadiny dia manompo ao amin’ny Tempolin’i Washington D.C., izay nitondrany fanampiana ny fanamboarana azy 50 taona lasa izay.

Sary nalain’i Leslie Nilsson

Ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny dia tsy tsangan-kevitra, na filôzôfia, na vondrom-piarahamonina na kolontsaina fotsiny. Inty no Fiangonana marin’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Nihevitra aho fa ho hitako tany San Francisco ny zavatra notadiaviko. Fa tsy nahita aho. Tao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no nahitako izany ary tao tranon’ny Tompo, izay “ampahany manan-danja indrindra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny.”

Fanamarihana

  1. Boyd K. Packer, “Where Much Is Given, Much Is Required,” Ensign, Nov. 1974, 87.

  2. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 525.

  3. Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 120.