2025
Mitoera ho mifandray amin’ny Mpamonjy
Martsa 2025


“Mitoera ho mifandray amin’ny Mpamonjy,” Liahona, mar. 2025.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Mitoera ho mifandray amin’ny Mpamonjy

Rehefa nanomboka nidina avy teny an-tampon’ny havoana aho dia nipitika tampoka avy tao amin’ny fiaran’izy ireo ny dadako sy ny rahavaviko.

olona roa manao ankanjo fiarovana rehefa manao fanatanjahantena mitsangana eo amin’ny lalam-potaka, ka misy quad mivadika eo akaiky eo

Sary nataon’i David Miles

Tamin’ny fotoam-pahavaratra iray izay, ny fianakaviako dia nandeha nanao fialantsasatra tany amin’ny faritra atsimon’i Chine, toerana izay nitondranay fiara tsy mataho-dalana (quad) nanivatsiva ala mikitroka iray. Nony tonga teo amin’ny tobin’ny quad izahay dia taitra raha nomen’ireo mpisera dia akanjo fiarovan-tena mandrakotra ny vatana manontolo niaraka tamin’ny fiarovan-doha ary solomaso mafonja. Toa somary betsaka loatra izany ho ana mpitaingina môtô mandritry ny andro mafana sy mando saingy nanaovanay ihany ilay akanjo fiarovana.

Taorian’ny nandraisanay ireo torolalana momba ny familiana dia nanainga izahay ary nony farany dia tody teny amin’ny manasa-dalan’ny dianay izay teny an-tampon’ny havoana iray. Niato teo izahay mba hisotro rano sy hamafa ny hatsembohana teny amin’ny tarehinay.

Nohazavain’ny mpisera dia miandraikitra anay fa ho sarotra kokoa ny midina. Nila nifanakaiky sy mitandahatra ny quad entinay, ka ny quad tsirairay dia mitehaka amin’ny fiara eo aloha sy ao aoriana mba hihazonana ilay vondrona tsy hivilivily.

Rehefa nanomboka nidina izahay dia nifampiantso mba handrindrana ny fidinanay. Nisaraka tsimoramora izahay, kanefa izany dia nampisy banga teo anelanelan’ny fiarako sy ny quad nentin’ny dadako sy i Vivi zandrivaviko. Tampoka teo dia nipitika avy tao amin’ny fiaran’izy ireo i Vivi sy ny dadako. Nitsambinkina teo ambonin’i Vivi ara-potoana ny dadako mba hiarovana azy tamin’ilay quad izay nitsimbadimbadika nankeny aminy.

Nahatsapa ho maivamaivana izahay rehefa nahita ny dadako sy i Vivi nitsangana ary namafa ny vovoka hiala teny amin’ny patalohan’izy ireo. Noho ilay akanjo fiarovana nanaovan’izy ireo dia ratra kely fotsiny no nahazo ny dadako. Nivarahontsana i Vivi saingy tsy naratra. Rehefa tafavory izahay dia nampahatsiahy anay tamin’ny feo hentitra ilay mpisera dia fa tsy maintsy nihazona ny quad nentinay ho mifandray izahay raha tsy te hianjera avy eny an-tampon’ilay havoana indray izahay.

Eo amin’ny fiainana, dia indraindray isika alaim-panahy hieritreritra fa afaka manao zavatra samirery. Mihevitra isika fa tsy mila mitafy ny fiadiana fiarovantena an’ny filazantsara, izay mety tsy hampahazo aina. Torak’izany koa, dia mety ho hitantsika hoe sarotra amintsika indraindray ny mitoetra ho mifandray amin’ny Raintsika any An-danitra. Rehefa tsy manao izany isika dia mety hitety samirery ireo lalana mampatahotra sy mampidi-dozan’izao tontolo izao, izay mety hahatonga loza sy ratra ara-panahy.

Raha mampiasa ny fiarovana atolotry ny filazantsara isika ary mitoetra ho mifandray amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia afaka miatrika ireo fanamby izay manoloana antsika eo amin’ny fiainantsika isika. Na mampatahotra toy inona na sarotra toy ny ahoana ny lalana dia afaka ny hahomby isika rehefa miaraka amin’ Izy Ireo.