“Niresaka tamin’ireo Olomasina taloha Andriamanitra. Miresaka amiko ve Izy?,” Liahona, mar. 2024.
Tanora
Niresaka tamin’ireo Olomasina taloha Andriamanitra. Miresaka amiko ve Izy?
Niresaka tamin’izy ireo Izy. Hiresaka amintsika Izy! Mila mihaino Azy fotsiny isika.
Andrim-pahazavana. Feo avy any an-danitra. Fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Maro ireo tantara momba ana tanora toa an’i Joseph Smith sy ny hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izay nangataka fanampiana sy fitarihana tamin’ Andriamanitra. Na dia traikefan’ny tena manokana aza ny fandraisana fanambarana avy amin’ Andriamanitra dia voarakitra ombieny ombieny ao amin’ny soratra masina ny dingana arahina hahazoana izany.
Na dia tsy mifanerasera isan’andro amin’ny mpaminany na mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana aza isika, Andriamanitra dia afaka miresaka amintsika tahaka ny nataony 200 taona lasa. Nandray hafatra natao ho an’ny tenany manokana avy tamin’ Andriamanitra ireo Olomasina ireo, dia torak’izany koa isika.
Ny vavaka feno fanetrentena nataon’i Joseph
Niantomboka tamin’ny fanontaniana iray ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Ary lasa “fitobahan’ny fahazavana sy fahamarinana” araka ny namariparitan’ny Loholona Alexander Dushku ao amin’ny Fitopololahy azy. Nitondra ho amin’ny famangiana mamy avy amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy ny vavaka feno fanetrentena nataon’i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:14–17). Tahaka ny tsy mampino izany hoe miresaka mivantana amin’ Andriamanitra izany, dia mahalana sy masina ireny zavatra iainana masina ireny.
Na dia tsy hanana ilay fahafahana mitovy tamin’ny nananan’i Joseph aza isika rehetra, “isika koa dia afaka hanana ny andrim-pahazavantsika manokana—tara-pahazavana iray isaky ny mandeha.” Rehefa mametraka fanontaniana iray isika ary mandohalika mba hivavaka am-panetrentena dia handray valiny avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Sarin’ny dobo fanaovana batisa ao amin’ny Tempolin’i Ogden Utah
Ny hery avy amin’ny Tempoly
Nahafoy fotoana sy vola ary hasasarana ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio mba hananganana ny tranon’ny Tompo. Tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland, i Joseph Smith dia nivavaka mba hitahian’ Andriamanitra ireo Olomasina mahatoky ireo amin’ny hery rehefa miditra sy mitsaoka ao izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13). Ny tempoly dia natao ho “tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadian-kanina, tranon’ny finoana, tranon’ny voninahitra sy an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:16).
Amin’ny andro farany isika dia tahiana amin’ny alalan’ny fisian’ny tempoly manerana izao tontolo izao. Ampanantenaina isika fa handray fanambarana rehefa mankao amin’ny tempoly. Vao haingana ny Filoha Russell M. Nelson no nilaza fa “any amin’ny tempoly isika dia afaka -mandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:15]. Alaovy sary an-tsaina ny dikan’izany fampanantenana izany amin’ny lafin’ny fananana ny lanitra misokatra ho an’ny mpikatsaka tsirairay avy amin-kitsim-po ny fahamarinana mandrakizay.”
Ny fanontanian’i Hyrum ho an’ny mpaminany
Efa nanontany tena ve ianao hoe toy ny ahoana izany mangataka ny mpaminany izany mba hiresaka amin’ Andriamanitra ho anao? Izany mihitsy no nataon’i Hyrum, rahalahin’ny Mpaminany Joseph. Tamin’ny alalan’i Joseph no nandraisany ity torohevitra avy amin’ Andriamanitra ity: “Indro ianao no Hyrum, zanako lahy; katsaho ny fanjakan’ Andriamanitra, dia hanampy ho anao, araka izay rariny ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:23).
Indraindray ny fitarihana no tonga amin’ny alalan’ny olon-kafa. Nanoro hevitra antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba “[hikatsaka fitarihana] avy amin’ireo feo azonareo itokisana, avy amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara sy avy amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina.” Na dia tsy afaka mametraka mivantana ireo fanontaniantsika amin’ny mpaminany aza isika rehetra, dia afaka mandray valiny ho an’ireo fanontaniana ananantsika manokana isika.
Sarin’i Oliver Cowdery, nataon’i Lewis A. Ramsey
Ny fandalinana tamim-pinoana nataon’i Oliver
Fanampiana sarobidy tamin’i Joseph Smith i Oliver Cowdery nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Saingy nahatsapa ho sorena izy tamin’ny 1829. Nahoana izy no tsy afaka nandika teny? Nomen’ny Tompo torohevitra miavaka vitsivitsy mikasika ny fomba fahazoana valiny ho an’ny fanontaniany i Oliver; torohevitra izay mbola mihatra amintsika amin’izao fotoana izao.
Rehefa manana fanontaniana isika dia amporisihana isika mba hisaintsaina izany sy hanam-pinoana ary hiantehitra amin’ireo fahatsapana azo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:6–9). Mety ho tonga amin’ny alalan’ny endrika fihetseham-po, na fahatsapana tsara, na fiadanan-tsaina ireo fahatsapana azontsika. Toy izao no nolazain’ny Loholona Mathias Held ao amin’ny fitopololahy: “Rehefa atambatra miaraka ao amin’ny fanahintsika amin’izay [ny fandinihana araka ny lôjikan’ny saina sy ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina] ny sary feno iray dia mampiseho ny zava-misy momba ny zavatra araka ny maha-izy azy ireo.”
Sary nalain’i Craig Alan Shelley
Zatovovavy mamaky ny tsodranon’ny patriarika noraisiny
Efa hatry ny andron’ny Testamenta Taloha ny tsodrano avy amin’ny patriarika no efa nisy tato amin’ny Fiangonana (jereo ny Genesisy 48). Nony tafatsangana ho amin’izao andro farany izao ny Fiangonana dia nasain’ Andriamanitra i Joseph mba hiantso an-drainy, i Joseph Smith Rainy, ho patriarika tamin’ny 1834. Telo andro taty aoriana, ny fianakaviana Smith dia nifamory mba hahafahan’i Joseph Smith Rainy manome tsodrano avy amin’ny patriarika ny tsirairay avy tamin’ireo zanany sy ny vadin’izy ireo avy. Nanolotra torohevitra sy fampiononana teo amin’ny fiainan’izy ireo ireo tsodrano ireo.
Ankoatra ny fanambarana ny rohim-pirazanana, ny tsodrano avy amin’ny patriarika dia “soratra masina an’ny tena manokana ho anao.” Rehefa mandalina ny tsodranontsika avy amin’ny patriarika isika dia “tokony hankamamy ny teny ao anatin’izany, hisaintsaina izany, ary hiaina mba ho mendrika handray ireo fitahiana nampanantenaina eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay.”
Sarin’i Emma Smith, nataon’i Lee Greene Richards
Fitarihana manokana noraisin’i Emma avy tamin’ Andriamanitra
Tamin’ny naha vadin’ny mpaminany azy, dia matetika i Emma Smith no nitolona tamin’ireo fitsapana sy ady izay nasaina nozakain’izy ireo. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25 isika dia afaka mamaky ireo teny fampiononana sy mankahery nomen’ny Ray ho an’i Emma.
Rehefa mikatsaka ireo hafatra feno fampiononana avy amin’ny Ray any An-danitra ho antsika isika dia afaka mangataka tsodranon’ny fisoronana. Araka ny nampianarin’ny Filoha James E. Faust (1920–2007), Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Ny fisoronana dia afaka manampy antsika amin’ireo fanapahan-kevitra bitika sy lehibe eo amin’ny fiainantsika. Raha toa isika, amin’ny alalan’ireo tsodranon’ny fisoronana raisintsika, ka afaka mahita na dia ny ampahany kely monja aza mikasika ilay olona tian’ Andriamanitra hahatongavantsika, dia hisinda ny tahotra ananantsika ka tsy hisalasala na oviana na oviana intsony.”
Joseph F. Smith, nataon’i Albert Salzbrenner
Ny fandalinan’i Joseph F. Smith ny soratra masina
Rehefa nandravarava izao tontolo izao ny aretina sy ny ady ary ny fahafatesana tamin’ny 1918, dia nitodika tamin’ny soratra masina ny mpaminany Joseph F. Smith mba hahazoana valim-panontaniana. Taorian’ny nandalinany ireo tenin’i Petera tao amin’ny Testamenta Vaovao, dia nanomboka nieritreritra sy nisaintsaina izy. Niroboka tanteraka tao anatin’ny fahitana iray ho an’ny Fiangonana izy; fahitana izay nahitany ny Mpamonjy nandrafitra ny asa fitoriana tany amin’ny tontolon’ny fanahy. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138.)
Araka ny nampianarin’ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Rehefa te hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika.” Tenin’ Andriamanitra noraketina an-tsoratra ny soratra masina, ka amin’izao vanim-potoanan’ny nomerika misy antsika izao, dia lasa mora tsy misy toa izany ho antsika ny mahazo azy ireny. Rehefa mamaky sy mandalina ny soratra masina isika dia hahita ny fanampiana avy any an-danitra izay ilaintsika.
Sary nalain’i John McKinney
Ezaka atao amin’ny nahim-po mba hihainoana Azy
Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Eo am-pikatsahantsika ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia vao mainka tokony ho avy amin’ny nahim-po kokoa ny ezaka ataontsika hihainoana Azy. Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny teniny sy ny fampianarany, ary ireo fahamarinany.” Tahaka an’ireo Olomasina tany amboalohany, isika dia afaka mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra ho an’ny tenantsika manokana sady tena misy.
Niresaka tamin’izy ireo Andriamanitra. Hiresaka amintsika Izy! Mila mihaino Azy fotsiny isika.