“Iza no nameno ilay dobo fanaovana batisa?” Liahona, mar. 2025.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Iza no nameno ilay dobo fanaovana batisa?
Koa satria moa tsy misy rano avy tany amin’ilay tanàna dia amin’ny fomba ahoana no hanaovana batisa an’i Megan?
Sary nataon’i David Miles
Rehefa tsy nahatratra bus tany Nairobi, Kenya, dia nanapa-kevitra izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko ny hizara ny filazantsara tamin’ny olon-drehetra hitanay mandra-piandrinay ny bus manaraka mankany amin’ny faritray. Olona naherin’ny 400 isa no niresahanay.
Iray tamin’izy ireny i Bernard, izay nanao asa fananganan-trano teo akaiky teo. Nomenay ny Bokin’i Môrmôna izy ary nasainay izy mba hamaky izany isan’andro sy hanontany an’ Andriamanitra raha marina izany.
Efa-bolana taty aoriana dia nafindra tany Nairobi aho. Nahita an’i Bernard aho tamin’ny fanasan’ny Tompo voalohany natrehako. Nanomboka tamin’iny izy no natao batisa ary notendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna.
Nasain’i Bernard tamim-pientanentanana izahay mba hitsidika ny tokantranony sy hampianatra an’i Megan vadiny. Rehefa nihaona tamin’i Megan izahay dia taitra tamin’ny finoana lehibe nananany. Rehefa nivavaka izy mba hahafantatra raha toa ka marina ny hafatray dia namaly ny vavaka nataony Andriamanitra.
Nasainay mba hatao batisa ny alahady nanarak’izay i Megan. Tamin’io herinandro io anefa dia nanambara ny tanànan’i Nairobi fa ho tapaka mandritra ny 10 andro ny rano! Taorian’ny sabotsy nanaovana ny tafa sy dinika ho an’ny batisan’i Megan dia nivavaka izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko mba ho afaka hiroso amin’ny batisany izahay ny ampitson’io.
Nifady hanina izahay, nila hevitra tamin’ireo mpitarika anay ary nanandrana fomba samihafa mba hahazoana rano, fa nandamòka izany rehetra izany. Niomana ho amin’ilay batisa ihany izahay io alina io. Dia nandohalika sy nivavaka indray izahay. Nahatsapa fitaomam-panahy izay mba hamatotra ny tendrony iray tamin’ny fantsona malemy fandefasana rano iray teo amin’ny paompy iray ritra tao an-dakozian’ny trano fiangonana ka nametraka ilay tendrony ilany tao amin’ny dobo fanaovana batisa. Nanonona vavaka iray hafa izahay, nohidianay ny trano dia nandeha nody izahay.
Ny ampitso maraina rehefa niditra ny trano fiangonana izahay dia talanjona fa feno rano ilay dobo! Nohamarininay ny paompin’ny lakozia fa mbola tsy nisy rano nivoaka tao. Tsy nisy na iza na iza tao amin’ny sampana nahafantatra na dia kely akory aza hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafeno ilay dobo.
Vita batisa tamin’io andro io i Megan. Tonga nanatrika ny batisany ny iray paroasy manontolo ary nandray azy ho isan’ny Fiangonana. Ritra ilay paompy kanefa mandon’ny ranomasom-pankasitrahana ny mason’ny olon-drehetra.
Nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “ NyTompo dia hitahy anareo amin’ny fahagagana raha toa ka mino Azy ianareo, -tsy miroanahana akory- [Môrmôna 9:21]. Ataovy ny asa ara-panahy hikatsahana fahagagana.” Fantatro fa noho izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko nanao ny asa ara-batana sy ny asa ara-panahy, nivavaka, nanandrana zavatra isan-karazany ary nanaraka fitaomam-panahy, dia nahita fahagagana avy tamin’ny Tompo izahay.