“Ireo fomba ifandraisan’ Andriamanitra” Liahona, mar. 2025.
Ireo fomba ifandraisan’Andriamanitra
Miteny amintsika amin’ny fomba maro Andriamanitra. Ary misy ireo zavatra azontsika atao mba hakana antoka ny amin’ny fitohizan’io fifandraisana io.
Sary nataon’i David Green
Rehefa nanomboka nanomana ny lahatenin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany nataoko voalohany aho dia tonga saina tamin’ny fahasarotan’izany andraikitra izany! Tsy omena lohahevitra ireo mpandaha-teny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ka dia nila namantatra ho ahy manokana aho ny amin’ny zavatra tian’ny Tompo holazaiko.
Nivavaka aho ary niandry fitarihana. Nony afaka elaela, i Isabelle, vadiko, izay hendry sy mahafantatra ahy tsara, dia nahita ahy sahirana tamin’ny fanombohana izany.
“Hitanao, mila manao zavatra ianao,” hoy izy. “Atombohy dia manorata zavatra!”
Ka dia izay no nataoko. Teo am-panaovana izany aho dia nanomboka tamin’ny lahateny enina na fito azo hatao. Rehefa nisaintsaina ireo lahateny azo hatao aho dia nisy iray tamin’ireo nahatsapako fiadanana anaty ka tsapako fa io ilay lahateny tokony hozaraiko. Nampitony ny fanahiko ny Fanahy ka dia nisosa ny ambiny rehetra tamin’ilay lahateny.
Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 2023 aho dia nizara fa zanak’ Andriamanitra avokoa isika. Tiany isika, fantany manokana isika ary tsy miafina Aminy ny antsipirian’ny fiainantsika. Maheno antsika Izy rehefa mivavaka isika ary maniry ny hiresaka amintsika.
Zavatra iainana manokana ny fianarana ny fomba iresahany amintsika tsirairay avy. Saingy misy fomba vitsivitsy hanamorana ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra izay tiany omena antsika mba hitahiana ny fiainantsika.
Manao asa am-pinoana ary matoky
Mitaky finoana sy fatokiana ny famantarana ny fotoana iresahan’ Andriamanitra amintsika. Miorim-paka mandrakariva ao amin’i Jesoa Kristy ny finoana. Mila matoky Azy koa isika. Nilaza Izy hoe:
“Indro, hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao.
“Ankehitriny indro, io no fanahin’ny fanambarana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3).
Saingy ny fanambarana sy ny fitarihan’ Andriamanitra dia tsy tonga fotsiny amin’ny alalan’ny fiandrasana fisehoan-javatra ara-panahy. Tsy maintsy manao asa isika. Tahaka ny nitenenan’ny vadiko ahy tamin’ny zavatra nataoko ho an’ny lahateniko ho an’ny fihaonambe, dia mila “manomboka ilay asa” fotsiny isika indraindray.
Fony aho sy i Isabelle nanompo tamin’ny naha mpitarika ny misiôna anay tany amin’ny Misiônan’i Lyon, France, dia nila namantatra ny toerana tokony halehan’ny misiônera tsirairay teo anivon’ny misiôna sy ny fotoana hanaovana ny fanendrena aho. Tsikaritro fa nitarika ahy ny Fanahy rehefa nivavaka mba hahazo fanampiana aho ary avy eo nampiasa ny fara-fahaizako mandanjalanja. Tonga avy eo ny fanamafisana raha vantany vao nipetrapetraka ny zava-drehetra.
Amin’ny antsoko amin’izao fotoana izao, izaho dia alefa any amin’ireo tsatòka manerana ny Fiangonana mba hamerina handrafitra ireo fiadidian’ny tsatòka. Rehefa manao tafa sy dinika amin’ny olona izaho sy ny mpiara-miasa amiko dia misy eritreritra sy fahatsapana ary fanentanam-panahy tonga ao an-tsainay. Miara-mifanakalo hevitra sy miara-mivavaka izahay avy eo. Amin’ny farany dia tonga ny fanambarana ary manamafy aminay ny Tompo ny amin’izay olona nantsoiny mba hanompo.
Io no dingana hahalalana ny fotoana iresahan’ Andriamanitra sy hamantarana ny sitrapony. Mila maneho isika fa vonona ny hanao asa am-pinoana sy hatoky.
Manaraka ny mpaminany
Amin’ny alalan’ny mpaminany no iray amin’ireo fomba manan-danja iresahan’ Andriamanitra amin’ireo zanany. Vaovao lehibe ny fananana mpaminany eto an-tany ankehitriny! Mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra izy mba hitarihana ny Fiangonana (jereo ny Amosa 3:7). Afaka mandray fitarihana sy fiarovana ihany koa isika amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fampianarany. Tsy mora foana izany saingy nanome torolalana antsika ny Tompo mba hanaraka ny mpaminany “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5).
“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ohatra, dia voaporofo fa vokatry ny faminaniana hatramin’ny nampahafantarana izany 30 taona lasa izay. Miresaka momba ana olana maro izay tsy ho fantatsika mihitsy izany ary manome torolalana izay tsy fantatsika fa ho ilaintsika, kanefa fantatsika ny ilàna izany ankehitriny. Mety ho tsy araka izay niriantsika ho re foana ny torolalana omen’ny mpaminany. Mety tsy hifanaraka amin’ireo soatoavin’ny fiarahamonina ankehitriny izany. Na dia izany aza isika dia hahazo fitarihana sy ho voaro rehefa manaraka ny mpaminany.
Mametraka fanontaniana sy mikatsaka valiny
Tany am-piandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia matetika Andriamanitra no niresaka ho valin’ireo fanontaniana napetraky ny Mpaminany Joseph Smith sy ny hafa tamin-kitsim-po. Raha teo am-panaovana ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna i Joseph sy i Oliver Cowdery dia tonga teo amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fotopampianarana mikasika ny batisa izy ireo (jereo ny 3 Nefia 11:23–33). Naniry ny hahafantatra misimisy kokoa izy ireo ka nandeha tany an’ala mba hivavaka. Tsy ela taorian’izay dia niseho i Jaona Mpanao Batisa ka namerina tamin’ny laoniny ny fahefana hanaovana batisa asitrika ho famelana ny fahotana.
Tamin’ny fotoana iray hafa, i Emma vadin’i Joseph dia naneho ny fanahiany mikasika ny fako navelan’ireo lehilahy izay nifoka pipa sy nihinam-paraky nandritra ireo fivoriana. Nentin’i Joseph teo anatrehan’ny Tompo ny zava-nitranga ka nandray fanambarana izy, dia ny “ny Tenin’ny Fahendrena” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89:1), izay miompana amin’ireo fomba amam-panao ho an’ny tombontsoa ara-batana sy ara-panahin’ireo zanak’ Andriamanitra.
Ireo tranga ireo, sy ny maro hafa, dia mampatsiahy antsika fa TSY MANINONA ny manana fanontaniana raha mbola mikatsaka valiny any amin’ny loharanom-pahamarinana koa isika. Rehefa any amin’ny Tompo no ametrahantsika ny fanontaniantsika dia hahita valiny isika. Indraindray ireo valiny no tonga avy hatrany. Matetika kokoa, anefa, ireo valiny no tonga amin’ny alalan’ny “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra … Fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” (2 Nefia 28:30). Mety ho mila miandry ny valiny isika mba hanampy antsika hianatra sy hivoatra, saingy Andriamanitra dia tena hamaly antsika araka ny sitrapony sy ny fombany ary ny fotoanany.
Mahatsiaro ireo zavatra niainana fahiny
Rehefa tsy maintsy miandry izay iresahan’ Andriamanitra amintsika isika dia manan-danja ny miezaka mahatsiaro ireo zavatra fantatsika sy ireo zavatra niainantsika. Raha tsy izany dia mety hamery ireny isika. Tsy tiantsika ny hisalasala ny amin’ireo zavatra niainantsika fahiny tamin’ny alalan’ny Fanahy satria fotsiny hoe mety mandalo olana isika amin’izao fotoana izao. Amin’ireny fotoana ireny dia tokony hitodika amin’ny ao an-tsaintsika isika ka hahatsiaro ny zavatra tsapantsika tamin’ny fotoana nahatsapantsika ho akaiky an’ Andriamanitra.
Indray mandeha i Almà dia nametraka ireto fanontaniana mampandinin-tena ireto tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà:
“Efa naterak’ Andriamanitra araka ny fanahy ve ianareo? Moa va ny endriny efa nisoritra teo amin’ny tarehinareo? Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo? …
“Ary ankehitriny, indro lazaiko aminareo, … fa raha efa nandalo fiovam-po ianareo ary raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra ianareo, dia hanontany aho, tsapanareo ve izany ankehitriny?” (Almà 5:14, 26).
Tokony haka antoka isika fa mahatsiaro ireo zavatra niainana ara-panahy fa tsy manilika azy ireny. Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Tsapako ve izany ankehitriny?” Manampy antsika izany ao anatin’ireo fotoana izay toa ahatsapana an’ Andriamanitra ho mangina. Afaka mamantatra tsara kokoa ireo fotoana izay iresahany amintsika ihany koa isika.
Tsy manapaka fifandraisana
Zavatra velona ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra. Manao ny anjarantsika isika mba hamelomana tsy tapaka izany amin’ny alalan’ny fitadiavana sy famoronana amin’ny nahim-po fahafahana ifandraisana amin’ Andriamanitra. Afaka mivavaka tsy tapaka sy amin-kafanam-po amin’ Andriamanitra isika mba hahazo fiadanana sy fampiononana ary fitarihana. Afaka mandalina ny teniny ao amin’ny soratra masina sy mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy isika. Afaka manaraka ny torolalan’ny mpaminany ihany koa isika.
Rehefa mitoetra ho mifandray amin’ny Raintsika any An-danitra be fitia isika dia afaka ny ho fitaovana eo an-tanany mba hanampy Azy amin’ity asa mahatalanjona ity. Rehefa manongilan-tsofina amin’ireo hevi-baovao sy fitarihana voaraintsika isika dia afaka manampy ny hafa hahatsapa fa Andriamanitra dia mahafantatra sy tia azy ireo ary maniry ny hiresaka amin’izy ireo.
Fitahian-dehibe ny toky fa mandre sy miresaka amin’ireo zanany Andriamanitra. Manome ny torolalana ilaintsika hoentintsika mamakivaky ny lalam-piainantsika ny fifandraisana masina tsy tapaka ataontsika Aminy.