Martsa 2025 Ireo lahatsoratra misy ato Neil L. AndersenTe hiresaka aminao ny Ray any An-danitraMampianatra ny Loholona Andersen fa hiresaka amintsika ny Ray any An-danitra raha miantso Azy amin’ny alalan’ny vavaka sy mampandry sofina mba handre ny feony ary manana fo mino isika. Christophe G. Giraud-CarrierIreo fomba ifandraisan’ AndriamanitraMampianatra ny Loholona Giraud-Carrier fa fitahiana lehibe ny fifandraisana amin’ny Raintsika any An-danitra ary manoritsoritra ireo fomba hanamorana io fifandraisana io. Vehivavy manao fanekempihavananaCamille N. JohnsonAhoana no ahafahan’ireo fanekempihavanana antaontsika manampy antsika hanovo amin’ny herin’ Andriamanitra?Mampianatra momba ireo fitahiana entin’ny herin’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra izay mitolotra amintsika noho ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy ny Filoha Johnson. Shaun StahleAsa fanompoana ataon’ireo Apôstôly: Asa izay tsy misy olon-kafa afaka mahavita azyTopimaso momba ny asa fanompoana ataon’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny. Danielle ChristensenManan-toerana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy any amin’ny tempolyNa manam-bady na tokan-tena dia tsy misy olona izay mendrika ka tsy homena an’ireo fitahian’ny tempoly rehetra izay omen’ny Ray any An-danitra. Fomba fijery ara-tantara momba ny Tranon’ny TompoJonathan A. StapleyTafiana amin’ny hery avy any ambonyTahaka ireo mpianatra tao amin’ny Testamenta Vaovao, ny Olomasin’ny Andro Farany koa dia nampanantenaina fa hotafiana amin’ny hery avy amin’ny Tompo. Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany Juan GideonaIza no nameno ilay dobo fanaovana batisa?Taorian’ny naha-tapaka ny famatsian-drano tao amin’ny Tanàna iray tany Kenya dia feno rano tamin’ny fomba mahagaga talohan’ny batisa ny dobo fanaovana batisa iray. Brandon BurtonHamarino fa mihidy tsara ny vavahadyNianatra lesona iray momba ny fanoavana ny Fanahy amin’ny zava-drehetra ny misiônera iray nanompo tao amin’ny toeram-piompiana iray. Sundae Mae IndinoNy lalana nodiaviko mba ho lasa maharitra amim-paharetanaMahita tanjaka ao amin’i Jesoa Kristy sy ny tenin’ireo Apôstôly ny rahavavy iray izay manana toe-pahasalamana tsy dia tsara. Josephine Mae TannerMitoera ho mifandray amin’ny MpamonjyRaha nitaingina quad niaraka tamin’ny fianakaviany ny mpanoratra dia nianatra momba ny fiadian’ Andriamanitra sy ny fitoerana ho mifandray ara-panahy amin’ny Mpamonjy azy. William Randall (Randy) ConeManana fahatsarana ampy ve aho?Tsy amin’ny alalan’ny fiainana mifanohitra amin’ny soatoavina nentim-paharazana no nahitan’ny mpanoratra fahamarinana ara-panahy fa tamin’ny alalan’ny fanekena ny filazantsara naverina amin’ny laoniny sy ny fankanesana any amin’ny tempoly. Avia, hanaraka Ahy Ny famerenana amin’ny laoniny ny fanasan’ny TompoManampy antsika hahatsiaro ny tanjona sy ny lanjan’ny fanasan’ny Tompo ny tsipika maneho ny fizotry ny tantara. Fomba 7 hankafizana hira manentana ny fanahyHevitra vitsivitsy hitondrana hira manentana ny fanahy ho eo amin’ny fiainanao. Tanora Savannah LuntNiresaka tamin’ireo Olomasina taloha Andriamanitra. Miresaka amiko ve Izy?Afaka mandray hafatra avy amin’ Andriamanitra ho an’ny tenantsika manokana sady tena misy isika. Savanna CummingsTena afaka miantehitra amin’ny fitarihan’ny mpaminany ve aho?Mianatra momba ny maha zava-dehibe ny fitarihan’ny mpaminany ny tanora iray tamin’ny nanesorana azy niala ny misiôna nisy azy. Andian-dahatsoratra mitohy Tafaorina eto ny FiangonanaRepoblika Demôkratikan’i KôngôTopimaso mikasika ny Fiangonana ao amin’ny Republika Demôkratikan’i Congo. Mampiasa ireo gazetibokin’ny FiangonanaMifikitra amin’ireo fanekempihavanantsikaSosokevitra amin’ny fampiasana ireo gazetibokin’ny Fiangonana mba hanampiana antsika hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Zava-kanto ara-tantara an’ny FiangonanaE. B. Grandin PrintshopSary fanehoana nataon’ny mpahaikanto momba ny trano fanontanan’i E.B. Grandin printy tao Palmyra, New York, Etazonia