“Mifikitra amin’ireo fanekempihavanantsika,” Liahona, mar. 2025.
Mampiasa ireo gazetibokin’ny Fiangonana
Mifikitra amin’ireo fanekempihavanantsika
Ireo lahatsoratra ao anatin’ny gazetibokin’ny Fiangonana amin’ity volana ity dia afaka manampy anao eo am-pikatsahanao ny “[hifikitra] amin’ny fanekempihavanana izay efa nataonao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13).
Mianatra avy amin’ity laharana ity
Henoy ny feon’ny lanitra
Ao amin’ny pejy 2, ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mampatsiahy antsika fa ireo kotaban’izao tontolo izao dia manelingelina antsika tsy handre ny feon’ny Fanahy. Moa ve misy zavatra manelingelina eo amin’ny fiainanao izay mahatonga ny fifandraisana amin’ Andriamanitra ho sarotra? Azonao atao ny mametraka tanjona iray amin’ity volana ity mba hampihena ireo zava-manelingelina ireo, toy ny manokana fotoana misimisy kokoa ho an’ny fitsaohana any amin’ny tempoly na tsy mampiasa ny tamba-jotrantserasera.
Ampio ny hafa handray ireo fitahiana avy amin’ Andriamanitra
Ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy 18 amin’ity lahatsoratra ity dia miresaka mikasika ny fomba afahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana mahita fifaliana sy mahatsapa ho manana ny toerany any amin’ny tempolin’ny Tompo, na manambady izy na tsia. Inona no azonao atao mba hanampiana ireo Olomasina namanao hahatakatra sy handray ireo fitahiana nomen’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra izay mitandrina ny fanekempihavanana natao Taminy?
Mandray sy mamantatra fanambarana
Vakio ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy 44 izay nosoratan’ny Loholona Christophe G. Giraud-Carrier ao amin’ny Fitopololahy mba hahitana ireo hevitra dimy ho an’ny fandraisana sy famantarana fanambarana. Inona ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao izay ilànao torolalana avy amin’ Andriamanitra? Hevero ny hampihatra ireo fitsipika nampianarin’ny Loholona Giraud-Carrier eo am-pikatsahanao fitaomana avy amin’ Andriamanitra amin’ity volana ity.
Nalaina tao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!
Mandresy ireo zavatra manakana tsy hivavaka
Mitadiava hevitra tsotra hoenti-mandresy ireo sakana mahazatra izay manakana tsy hivavaka.
Eo am-pirosoana miaraka amin’ny Fanahy
Vakio ireo torohevitra kely ireo mba hanampiana ny zatovo hamantatra ny fomba iresahan’ny Ray any An-danitra amin’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Ilay tsiambaratelon’ny tsy hahalavo intsony
Ampio ny zatovo hanova ny fomba fijeriny mahakasika ny tsy fahombiazana sy ny fahadisoam-panantenana.
Zatovo mpandihy antsin’afo
Ankafizo ny tantara an-tsary momba ireo antsin’afo any Hawaii, Etazonia sy ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny filazantsara tamin’ny alalan’ny talentan’izy ireo tsy manan-tsahala.
Nalaina tao amin’ny gazetiboky Namana
Ampiasao ny tsipika maneho ny fizotry ny tantara ao amin’ny fizarana Avia, hanaraka Ahy ho an’ity volana ity mba hanampiana ireo zanakao hianatra ny fomba niantombohan’ny Bokin’i Môrmôna.
Mandre ny Fanahy Masina
Vakio ireo tantara ary mihirà hira vaovao avy ato amin’ny laharana ho an’ity volana ity mba hanampiana ireo zanakao hianatra ny fomba iresahan’ny Ray any An-danitra amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Ankizy salama sy faly
Mahità loharanom-pitaovana momba ny fahasalamana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina ao amin’ny fizarana Ho an’ny ankizy lehibe.
Fantaro i Lauren namantsika ary fantaro ny fomba fanarahany an’i Jesoa. Avy eo dia vakio misimisy kokoa ny momba an’i Madagasikara sy ny fitombon’ny Fiangonana any.