2025
Manan-toerana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy any amin’ny tempoly
Martsa 2025


“Manan-toerana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy any amin’ny tempoly,” Liahona, mar. 2025.

Manan-toerana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy any amin’ny tempoly

Fitsipika telo izay mampatsiahy antsika fa afaka mandray ireo fitahiana omen’ Andriamanitra ireo zanany isika rehetra.

Tempolin’i Barranquilla Colombie

Sarin’ny Tempolin’i Barranquilla Colombie, nalain’i Leslie Nilsson

Niara-nipetraka tamina vondron’ny mpikamban’ny Fiangonana aho. Tsy mbola nihaona mihitsy izahay taloha saingy nisy zavatra iray niraisanay rehetra: samy tokan-tena izahay.

Izao aho dia te hiverina kely amin’ilay zavatra nolazaiko teo aloha. Ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia tsy voafaritry anarana apetaka isika. Ny maha isika antsika marina, araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, dia ny hoe: “zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny” isika. Takatro fa rehefa latsaka an-katerena isika dia tsy maintsy miantso ny mpikamban’ny Fiangonana sasany hoe tokan-tena. Misy antony tsara azo ampiasana izany. Saingy indraindray, tahaka ny amin’ny ity toe-javatra ity, dia mety hahatonga ny mpikambana hahatsapa ho vahiny izany. Mety hahasarotra ny fahafahan’izy ireo mahatsapa ho isan’ireo afaka misitraka ireo fitahiana ho an’ny fanavotana sy ho an’ny fisandratana izay omen’ Andriamanitra mihitsy aza izany.

Hitanao, niresaka momba ny tempoly izahay, ka ny olona sasany tao amin’ilay vondrona dia nahatsapa fa ny hoe tokan-tena dia mahatonga azy ireo ho tsy afaka mandray amin’ny fahafenoany ireo fitahian’ny tempoly. Takatro izany; rehefa tsy manambady ao anatin’ny fianakaviana izay mifototra amin’ny Fiangonana ianao dia mety ho sarotra ny hahita anao ho manana ny toeranao ao am-piangonana. Saingy fantatro ihany koa fa tsy mifototra amin’ny endrika ivelany na anarana apetaka no hitsaran’ny Tompo ny olona iray hoe mendrika na tsia ny handray ireo fitahiana nampanantenaina. “Mijery ny fo” Izy (1 Samoela 16:7) ary manolotra ireo fitahiana rehetra avy Aminy ho an’ireo rehetra izay manaraka Azy. Mino izany amin’ny foko manontolo aho. Koa raha mifototra amin’izany, dia indreto misy fitsipika telo mba hanampy ny Olomasin’ny Andro Farany izay tokan-tena hahafantatra fa manan-toerana izy ireo ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra sy ny tempoly.

1. Nanamboatra ny drafiny mba ho an’ny tsirairay avy amin’ireo zanany Andriamanitra.

Noho ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ilaina ho an’ny fisandratana, dia mety ho toa tsy natao ho an’ireo izay tokan-tena ny drafitr’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–3). Saingy nampianatra ny Loholona Patrick Kearon hoe: “Ny drafitra mahafinaritra an’ilay Raintsika, ilay drafitra -mahavariana[ny]-, dia novolavolaina mba hitondrana anao hiverina any Aminy, fa tsy hanakana anao hiditra akory. Tsy misy na iza na iza nametraka sakan-dalana ary nijoro teo hamerin-dalana anao sy handroaka anao. Ny mifanohitra amin’izany aza no misy raha ny tena marina. Tsy mitsaha-mikatsaka anao Andriamanitra. [Tiany] ny zanany rehetra hisafidy ny hiverina Aminy-, ary manao izay fomba rehetra azo tanterahina Izy hitondrana anao miverina.”

Tsy nanao drafitra Andriamanitra mba handroahana ireo izay tokan-tena tsy handray amin’ireo fitahiana omeny. Ny Filoha M. Russell Ballard (1928–2023), Filoha Mpisolo toerana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nampianatra hoe: “Ny soratra masina sy ireo mpaminanin’ny andro farany dia manamafy fa izay rehetra mahatoky amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara dia hanana fahafahana ny hahazo fisandratana.” Lehibe ny hasarobidin’ny fanahy tsirairay eo imason’ny Ray any An-danitra; eny, sarobidy loatra, hany ka nalefany Ilay Zanany Lahitokana mba ho faty sy hanavotra antsika rehetra amin’ny fahotana mba hahafahantsika mahazo ilay fanomezana lehibe, dia ny fiainana mandrakizay izany (jereo ny Jaona 3:16–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–12).

Rehefa mamoaka zavatra hafa noho izay nandrasantsika ny fiainana, dia mety ho lasa misalasala ny amin’ny tanjontsika ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra isika. Kanefa tsy nanome toky na oviana na oviana Izy hoe hitovy avokoa ny fiainantsika rehetra. Tsy haintsika izay ho zava-maharavo, na zava-mahasorena, na ho fahombiazana na ho zavatra mahavaky fo ho sendra antsika. Toy izao no nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Marobe ny zavatra tsy fantatsika, ka ny hany tena azontsika hianteherana dia ny fatokiana ny Tompo sy ny fitiavany ny zanany.”

Mety ho tsy fantatsika ny antony mahatonga ny lalan-kizorantsika ho amin’izay misy azy amin’izao fotoana ankehitriny izao. Saingy ny fitokiana amin’ Andriamanitra sy ny fitiavany dia afaka mitondra fahazavana mikasika ny fomba nanaovan’ Andriamanitra ny drafiny ho an’ny zanany rehetra, anisan’izany ianao.

Vehivavy iray mijoro eo anoloan’ny sarivongana Christus

Sary ao anatin’ny Ivon-toerana ho an’ny mpitsidika ao amin’ny Tempolin’i Roma, Italia, nalain’i Massimo Criscione

2. Manana fitahiana manokana ho an’ny olon-drehetra ny tempoly.

Mety hieritreritra isika hoe natao ho an’ny mpivady ihany ireo ôrdônansin’ny famehezana. Kanefa ankoatra ny fampitambara ny mpivady amin’ny Tompo, ireo ôrdônansin’ny famehezana dia mampitambarana ny fianakaviana ho mandrakizay. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famehezana, ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia afaka mianoka ireo fitahiana mandrakizay raha mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo.

Ny herin’ny famehezana no mampanan-kery ireo ôrdônansin’ny fisoronana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Nampianatra toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “[Ny herin’ny famehezana dia] mahatonga ny famonjena ny olona sy ny fisandratan’ny fianakaviana ho azon’ny rehetra izay zanak’ Andriamanitra tratrarina na aiza na aiza ary na oviana na oviana izy no niaina teto an-tany. Tsy misy teôlôjia na filôzôfia na fahefana hafa azo ampitahaina amin’ny fahafahana mihatra ho an’ny rehetra toy izany. Io fahefan’ny famehezana io dia endrika tonga lafatra isehoan’ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny famindram-pony ary ny fitiavany.” Ireo fitahiana atolotry ny Tompo dia mihatra ho an’ny rehetra, hany ka afaka mahazo izany ny olon-drehetra izay hanao fanekempihavanana Aminy sy hitandrina izany.

Mety ho takatsika kokoa ny mahatonga ny drafitr’ Andriamanitra ho mihatra ho an’ny rehetra rehefa mitsaoka Azy any amin’ny tranon’ny Tompo isika. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy sy hahatakatra tsikelikely momba ny tena maha-izy anao sy izay olona mety hahatongavanao ary ny karazana fiainana mety ho azonao mandrakizay ny fotoana lany ao amin’ny tempoly.” Nohazavainy koa fa ny fitsaohana ataontsika any amin’ny tempoly dia hanome antsika fiarovana, fijoroana ho vavolombelona mafy orina, fahalalana sy hery mitombo ary fahatakarana lehibe kokoa mikasika ny drafitr’ Andriamanitra.

Na manam-bady ianao na tokan-tena, ny tempoly dia manana hery ara-panahy ho an’ny tena manokana izay tombontsoa ho antsika rehetra. Eny, izany dia toerana izay mampahatanjaka sy manome hery an’ireo rehetra izay maniry ny hanakaiky an’ Andriamanitra. Raha te hahalala misimisy dia jereo ilay sisin’ny pejy mitondra ny lohateny hoe: “Mahazo hery avy amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly.”

3. Any amin’ny tempoly isika dia afaka manamafy orina ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy.

Any amin’ny tempoly dia i Jesoa Kristy no tena ifantohana. Izy no ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ary anton’ny ahafahantsika rehetra mandray fanavotana sy fisandratana. Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Ny tranon’ny Tompo dia tranon’ny fianarana. Mampianatra araka ny fombany manokana ny Tompo any. Ny ôrdônansy tsirairay atao any dia mampianatra momba ny Mpamonjy. Ianarantsika any ny fomba hanokafana ny voaly sy hifandraisana mazava kokoa amin’ny lanitra. Ianarantsika any ny fomba hitenenana ny fahavalo sy hampiasana ny herin’ny fisoronan’ny Tompo mba hampatanjahana antsika sy ireo olona tiantsika. Akory ny tokony haha dodona antsika tsirairay avy hitady fialofana any.”

Afaka ny mahita fialofana sy manana ny toerantsika isika any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fitadiavana ny Mpamonjy ao anatin’ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana. Rehefa manao izany isika dia hahita porofo fa tia antsika Izy ary “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” (jereo ny 2 Nefia 26:33). Noho io fitiavana ananany ho antsika io, dia tiany isika mba hanamboatra “fatotra mandrakizay” miaraka Aminy sy afaka ny handray “fitiavana sy famindram-po manokana” amin’ny alalan’ireo fanekempihavanantsika. Raha manao sy mitandrina ny fanekempihavanan’ny tempoly isika dia afaka manamafy orina ny fifandraisantsika Aminy isika ary izany dia mitondra “fanantenana sy fifaliana ary fijery tsara mandritra ny androm-piainantsika ”, na inona na inona toe-javatra iainantsika.