Valiny fohy sy mivantana
Ahoana ny fomba hiainantsika eto amin’izao tontolo izao sy “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao”?
The Disciples Whom He Had Chosen [Ireo mpianatra izay nofinidiny], nataon’i Casey Childs
Hoy ny Tompo: “Hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao ianao ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10). Tsy midika akory izany fa tsy miraharaha ny zavatra ilaintsika ara-nofo sy ara-pitaovana isika, saingy midika kosa izany fa tsy mametraka ny fontsika amin’ny harena, na amin’ny hery, na amin’ny toerana hazonina, na amin’ny fankatoavan’izao tontolo izao isika. Ireto misy fitsipika vitsivitsy nampianarina antsika momba ny fiainana eto amin’izao tontolo izao:
Ataovy lohalaharana izay an’ Andriamanitra. “Fa katsaho aloha ny fanjakan’[Andriamanitra] sy ny fahamarinany” (Matio 6:33). Ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika, dia ny didin’ Andriamanitra sy ny fanekempihavanana nataontsika Taminy no laharam-pahamehantsika.
Katsaho ny hianatra. “Rehefa mianatra momba ny tontolo manodidina anao ianao dia mianara ihany koa momba ny Mpamonjy. … Arakaraka ny ianaranao no ahafahanao manampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra sy mitaona izao tontolo izao amin’ny tsara” (Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy [2022], 31, 32).
Manaova asa. “Fitsipika manan-danja ao amin’ny filazantsara ny asa. Miteraka fivoarana sy mampivelatra antsika izany. … Tsy vitan’ny hoe tian’ny Tompo hamatsy ny fianakaviantsika fotsiny isika fa tiany koa -hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27]” (“Employment” Topics and Questions, Gospel Library).