Ilay tsiambaratelon’ny tsy fahafahana ny tsy hahomby intsony
Tsotra kokoa noho izay heverinao izany.
Sary nataon’i Eric Chow
“Tiako ny tsy fahombiazana!”
Mety zavatra tsy dia fahenonao lazain’ny olona maro izany. Tsy faly amin’ny tsy fahombiazana ny ankamaroantsika. Mety mandratra izany, manimba ny drafitra nataontsika ary indraindray dia mahamenatra mihitsy.
Fa ahoana anefa raha toa ka misy tsiambaratelo tsy hahalavo intsony?
“Aiza koa”, hoy ianao mieritreritra. “Tsy misy olona tonga lafatra. Samy manao hadisoana avokoa isika rehetra. Ahoana no mahatonga ny sasany tsy ho lavo mihitsy?”
Hitan’i Thomas Edison ilay tsiambaratelo rehefa nanandrana imbetsaka izy namorona ny takamoa. “Tsy hoe tsy nahomby in’arivo aho”, hoy izy nilaza. “Ny takamoa dia famoronana nandalo dingana arivo.”
Tsy nahomby ombieny ombieny teny foana i Edison, saingy tsy izay no fomba fijery nosafidiny. Ary izany ilay tsiambaratelo! Ovao ny fomba fijerinao! Rehefa manova ny fomba fijerinao ianao dia mety ho lasa zavatra vaovao sy tsara ny “tsy fahombiazanao”.
Ireto misy fomba efatra hanovana ny fomba fijerinao mikasika ny tsy fahombiazana:
-
Fantaro ny zavatra azonao fehezina sy ny tsy azonao fehezina. Indraindray ireo zavatra izay mampiahiahy antsika indrindra no tsy azontsika fehezina. Andao raisina ny fangatahan’asa iray ohatra. Ianao dia afaka mifehy ny ezaka atontonao amin’ny fangatahan’asa, saingy tsy afaka mifehy ny vokatr’izany. Aza mandany hery miahiahy hoe “tsy hahomby” ianao, fa andramo atontona amin’ny zavatra azonao fehezina ny herinao ary matokia ny Tompo. Nampanantena Izy fa “ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra” (Romana 8:28). Ary raha tsy azonao ilay asa? Dia tsy ianao ilay tsy nahomby! Na dia tsy azonao aza ny vokatra izay nantenainao dia nanome ny ezakao tsara indrindra ianao, ary izany no atao hoe fahombiazana!
-
Tazony izay tsara dia tohizo ny dia. Rehefa mahatsapa ho tsy mahomby ianao dia miezaha mijery lalindalina kokoa ny zavatra niainanao. Tsy tafiditra tanaty ekipam-panatanjahan-tena ve? Nahazo naoty nandiso fanantenana tamin’ny fitsapam-pahaizana iray? Ny fijerena hoe taiza ho aiza no nanahirana anao dia hanome anao fahatakarana lehibe momba ny zavatra tokony hataonao amin’ny hoavy. Raha toa ka tsy mahafinaritra anao ny zavatra niainanao dia ekeo ny fahatsapanao ary avy eo dia misafidiana ny hiroso amin’ny tsara. Raha ny marina, ny tsy fahombiazana dia afaka manampy anao hanohy handroso hatrany amin’ny làlana vaovao sy tsara kokoa.
-
Tsarovy fa tsy izany no farany. Misy fomba fiteny mahazatra hoe: “Hizotra tsara ny zava-drehetra amin’ny farany. Raha tsy mandeha tsara izany dia tsy mbola ilay farany”. Nampianatra zavatra mitovitovy amin’izany i Môrônia. Hoy izy: “Efa tonga sahady va ny farany? Indro, lazaiko aminareo, Tsia; ary Andriamanitra dia tsy mitsahatra ny ho Andriamanitry ny fahagagana” (Môrmôna 9:15). Reha matoky an’ Andriamanitra isika, mibosesika mandroso amim-pinoana ary mahatsiaro fa tsy mifarana ny tantarantsika rehefa misy zavatra tsy mety, dia mety hitranga ny fahagagana ary izay “tsy fahombiazana” mety atrehantsika dia ho lasa fahombiazana mahatalanjona amin’ny farany.
-
Mijoroa miaraka amin’i Kristy. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy misy tsy fahombiazana maharitra mandrakizay. Manana safidy ny hibebaka foana isika sy hampitodika ny fontsika hiverina any amin’ Andriamanitra, ary hangataka ny fanampiany. Nampianatra ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Na betsaka toy inona aza ny fahadisoana izay tsapanao fa efa vitanao … , dia mijoro ho vavolombelona aho fa tsy nanalavitra loatra ianao ka hoe tsy takatry ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao ka tsy ho tratran’ny hazavana tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotan’i Kristy.” Noho izany, amin’ny lafiny iray, rehefa mijoro miaraka amin’i Kristy ianao dia tsy maintsy mahomby!
Rehefa raisinao ho toy ny dingana mankamin’ny fahombiazana ny tsy fahombiazanao dia hanokatra ny tsiambaratelon’ny tsy fahafahana ny tsy hahomby marina intsony ianao.
Noho izany dia andramo kely izany! Ary raha tsy mahomby ianao? Tsarovy fotsiny—tsy tena tsy mahomby ianao. Mivoatra tsikelikely ianao, isaky ny dingana vitanao.