2025
Mandresy ireo zavatra manakana mba tsy hivavaka
Martsa 2025


Mandresy ireo zavatra manakana mba tsy hivavaka

Ahoana no handravantsika ireo sakana tsy hivavaka?

zatovolahy iray mitsambikina amin’ny sakana ary mivavaka

Sary nataon’i Andrew Bosley sy Derek L. Smith

“Mivavaha mandrakariva.” Im-polo ny Mpamonjy no manome io torolalana io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Takatsika fa ara-keviny fotsiny izany—tsy afaka ara-bakiteny handohalika hivavaka isaky ny fotoana ifohazana isika—fa indraindray sarotra na dia ny mivavaka indroa isan’andro! Ahoana no handresentsika ireo sakana?

Sakana: Fanadinoana

Olombelona isika. Mitranga izany.

Vahaolana iray azo heverina:

Ampifandraiso amin’ny zavatra hafa fanaonao andavan’andro ny vavaka ataonao ka rehefa mieritreritra ny anankiray ianao dia lasa mieritreritra an’ilay iray hafa. Raha hitanao fa rendremana loatra ianao ilay mifoha iny na rehefa alohan’ny hatory, ka tsy afaka manao vavaka manan-danja, dia ampifandraiso amin’ny zavatra hafa fanaonao isan’andro izay manaitra kokoa ny sainao ny vavaka ataonao, toy ny hoe miborosy nify na mihinam-panafody. Na asio fanairana ny telefaoninao!

Sakana: Tsy manan-javatra hatao tatitra

Inona no azo ambara amin’ny maraina rehefa tsy nanao afa-tsy natory ianao taorian’ny vavaka nataonao farany?

Vahaolana iray azo heverina:

Amin’ny maraina, isaory Andriamanitra noho ireo fitahiana azonao, anisan’izany ireo olona izay nitondra fitahiana teo amin’ny fiainanao. Mivavaha ho an’ireny olona ireny. Lazao an’ Andriamanitra ny zavatra nomaninao hatao anio ary angataho ny fitarihany. Manaova tatitra indray amin’ny alina. Lazao Azy izay zava-drehetra nitranga nandritra ny andro izay naha-feno fankasitrahana anao, na nianaranao zavatra, na izay hitanao fa nahaliana.

Sakana: Fahatsapana ratsy

Mety hahatsapa ho tsy mendrika ianao noho ny zavatra iray vitanao, na eritreretinao hatao. Mety hoe tezitra amin’ Andriamanitra angamba ianao noho ny zavatra iray. Mety hoe tsy ao tsara fotsiny ny toe-ponao.

Ny vahaolana: Mivavaha ihany

Na inona na inona fahatsapanao dia afaka manala azy ireny Andriamanitra. Tsy misy olona “tsy mendrika” hivavaka izany mihitsy, ary ny devoly no maniry anao hihevitra izany (jereo ny 2 Nefia 32:8). Aleon’ny Rainao mandre ny vavaka tsy lavorary sy tsy feno ataonao—ilay karazany hoe hanaovanao fanahy iniana tsy ilazana ilay Zavatra Goavana izay tsy mbola tianao horesahina—toy izay tsy mandre anao mihitsy.