Mampifandray
Maja C.
16 taona, Drave, Slôvenia
Sary nalain’i Christina Smith
Nisaraka ny reniko sy ny raiko fony aho roa taona sy tapany. Mandeha mamangy ny raiko aho isam-bolana, ary fony aho mbola kely dia tena nahafinaritra izany. Saingy rehefa nihalehibe aho dia betsaka ny tsy fitovian-kevitra teo aminay ka niharatsy hatrany ny fandehan-javatra.
Tsaroako aho nitomany tamin’ny reniko hoe tsy te hitsidika ny raiko intsony. Hoy izy: “Mivavaha, dia hihatsara ny zava-drehetra.” Dia nataoko izany.
Nanampy ahy sy ny raiko Andriamanitra. Tsara kokoa izao ny fifandraisanay. Miresaka izahay, ary miantso ahy izy rehefa mandeha any amin’ny firenena niaviany, any Masedônia, mba hahafahako miresaka amin’ireo fianakaviako any.
I Jesoa Kristy foana no heriko hatrizay. Rehefa nanana olana lehibe aho tany an-tsekoly na tany an-trano dia teo foana Izy ho ahy. Nahatsapa foana aho fa nanohana ahy Izy.
Feno fankasitrahana aho fa nampahafantatra ahy ny Fiangonana sy Andriamanitra ny reniko, satria tena nanampy betsaka anay izany nandritra ny taona maro. Mitady antsika foana Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.