2025
Aiza no ahafahanao mahazo hery rehefa mahatsapa ho lavina ianao?
Martsa 2025


Aiza no ahafahanao mahazo hery rehefa mahatsapa ho lavina ianao?

zatovolahy

Taona vitsy lasa izay dia nandray anjara tamin’ny fiaraha-mientana iray niarahana tamina zatovo hafa sy misiônera maromaro aho. Ny tanjonay dia ny hanasa ny olona ho avy sy hanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo miavaka iray.

Nientanentana aho hipetraka eo amin’ny toeran’ireo misiôneranay. Vitanay ny nizara ireo fanasanay tamin’ny olona vitsivitsy izay nifanena taminay. Rehefa tonga ny fotoana nizarana ny karatra fanasana farany dia nibitsika tamiko ny Fanahy hanatona olona iray manokana. Saingy naneho fihetsika ratsy izy tamin’ny fanasanay ary nandroaka anay.

Nampahory ahy ny nahita io olona io nandà ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika. Fantatro fa betsaka ny olona no mandà ny fanasan’i Kristy hanatona Azy. Saingy fantatro ihany koa fa amin’ny alalan’ny fanolorana io fanasana io fotsiny dia mamafy voa ao am-pon’ny olona isika. Nanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona izany zavatra niainana izany na dia nolavina aza ny fanasako. Fantatro fa rehefa miaraka amin’i Kristy dia tsy misy zavatra tsy azo tanterahina, ary nanohy niomana ny hanao asa fitoriana sy hitondra ny hafa ho any Aminy sy ny Raintsika any An-danitra aho.

Jalil T., 17 taona, Faritany Atsimo, Nouvelle Calédonie

Mankafy mozika sy baolina kitra ary lasy sy mihanika tendrombohitra miaraka amin’ny fianakaviany izy.