2025
Feon’ny zatovo
Martsa 2025


Feon’ny zatovo

Tsy haninona aho

Zatovovavy mijery solosaina

Sary nataon’i Katelyn Budge

Mikorotan-tsaina aho rehefa manatrika lesona sy seminera ato am-piangonana ary rehefa manao lahateny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Fa tiako ny mitadidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88 manao hoe: “Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo.”

Rehefa mamaky na mahatsiaro io soratra masina io aho dia mahatsapa hoe mijery sy manohana ahy i Jesoa. Manampy ahy izy rehefa manao fahadisoana aho.

Tsapako fa nanomana ireo fahafahana ireo ho ahy ny Ray any An-danitra. Nataony ho azo tanterahina ho ahy izany hahafahako manao izay tsara indrindra vitako na dia sarotra aza izany.

Na inona na inona mitranga dia tsy haninona aho satria hanampy ahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa manao asa amim-pinoana aho.

Emma Y., 15 taona, Ibaraki, Japana

Tia milalao jeux de société sy jeux video, manao fanatanjahan-tena miaraka amin’ny fianakaviany, mijery sarimihetsika ary manao asa tanana ho an’ireo fiaraha-mientan’ny zatovo izy.