2025
Nanampy ahy hiova ny Mpamonjy
Martsa 2025


Feon’ny zatovo

Nanampy ahy hiova ny Mpamonjy

Zatovovavy hita ho tezitra

Sary nataon’i Katelyn Budge

Izaho moa somary manana an’ilay endrika hoe rehefa tsy mitsiky dia ohatran’ny hoe tezitra. Nanontanian’ny olona hoe:“Fa maninona ianao no mikentrona? Inona no olanao?” Dia niteny aho hoe: “Tsy mikentrona aho ka.” Saingy lasa nampahatezitra ahy ny fanontanian’izy ireo raha ny marina.

Niahiahy ny momba ahy ny dadako. Nantsoiny tao an’efitranony aho nilazany hoe: “Hitanao! Tsy tsara ny hananao an’izao toetra tezi-dava izao. Inona no manahiran-tsaina anao?” Nanapa-kevitra ny hiova aho.

Nivavaka sy nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra aho mba hanampy ahy. Nanomboka nahatsapa fiovana aho rehefa nandeha teny ny fotoana. Tsy dia mora tezitra loatra intsony aho, lasa nitsiky matetika kokoa, ary lasa tia kokoa ny hafa. Nilaza daholo ny olona hoe: “Niova ianao.” Fantatro lalina tao anatiko fa tsy noho ny heriko manokana izany. Fa avy amin’ilay hery manampin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Sarotra ny ho lasa ilay olona tianao hahatongavana. Tsy afaka miteny aho hoe efa tafita amin’izany saingy miezaka ny ho tonga amin’izany aho. Natao hiaraka amin’i Jesoa Kristy ny diantsika. Tokony hanasa Azy hiaraka amintsika isika.

Victoria E., 16 taona, Lagos, Nizeria

Tia milalao fanatanjahan-tena, mamaky boky, mihira, manao volo, ary mianatra zavatra vaovao izy.