Andro ratsy nivadika ho tsara
Oadray! Tafatory maraina aho nefa manana fanadinana lehibe aho androany!
Eh! Eh! Mba ento any an-tsekoly aho!
Andao ary handeha e!
Aiza koa?
Androany no andro RATSY indrindra hatrizay, ary tsy mbola mitatao vovonana akory izao!
Tamin’ny fotoana farany niainako andro ohatr’izao dia nanonona vavaka aho. Tsy niala ny olana niainako saingy nahatsapa ho nahazo aina lavitra kokoa aho.
Ray any An-danitra ô, mba ampio aho. Ataovy mivadika ho tsara ity andro ity raha sitrakao.
Camila! Afaka mankany an-tranoko ve ianao? Mba mila anao aho hampianatra ahy ny fomba hanaovana hosodoko ho an’ny tetikasako any an-tsekoly! Manana gilasy mihitsy aza aho.
Ie, tiako izany ry Emi a!
Mety hivadika ho tsara ihany angamba ity andro tsy dia tsara loatra ity.