2025
Fanampiana ho amin’ireo andro sarotra
Martsa 2025


Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Fanampiana ho amin’ireo andro sarotra

Tsy mandeha araka ny fomba anantenantsika azy foana ny fiainana. Tia ireo andro feno fankalazana sy fifaliana avokoa isika rehetra, saingy misy andro sasantsasany izay feno fahadisoam-panantenana. Ato amin’ity laharana ity ianao dia hahita fanampiana ho amin’ireny andro ireny (jereo ny pejy 8, 14, ary 22).

Ny iray amin’ireo soratra masina tiako indrindra dia ahitana torohevitra kely sy fampanantenana ho an’ireo andro sarotra. Mivaky toy izao izany: “Mahareta amin’ny fahoriana, fa ho tojo maro ianao; nefa iareto ireny fa indro, Izaho momba anao hatrany amin’ny faran’ny andronao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8). Ilay torohevitra dia ny hoe maharitra.

Ny fototenin’ny hoe maharitra dia midika hoe fijanoana ho mafy orina ao anaty. Mety ho sarotra ny manao izany, ka izany no antony hitiavako ilay fampanantenana hoe “Izaho momba anao”. Izany fampanantenana izany dia midika fa tsy voatery hiatrika irery ireo andro sarotra isika. Hanampy antsika hanampy antsika hitoetra ho mafy orina ao anaty ny Tompo.

Na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainantsika, ny fomba tsara indrindra ifandraisana amin’ ny Ray dia ny mivavaka. Tena eo Izy. Hihaino sy hamaly ireo vavaka ataontsika Izy. Mahaino sy miresaka amin’ireo Zanany Andriamanitra amin’ireo andro tsara sy amin’ireo andro ratsy (jereo ny pejy 2). Nampanantena Izy ny handeha hiaraka amintsika

Amim-pitiavana,

Emily Belle Freeman

Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany