2025
Gilasy sy finamanana ary fitiavana ny manodidina anao
Martsa 2025


Fampiasana ny torolalàna

Gilasy sy finamanana, ary fitiavana ny namanao

Tsy dia sarotra araka ny heverinao ny mitandrina ilay didy lehibe faharoa.

Zatovovavy mitondra gilasy amin’ny cornet

Sary nataon’i Valentina Vinci

Rehefa mandalo fotoana tena sarotra ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana, moa ve ianao efa nanontany tena hoe ahoana no hamahana ny olan’izy ireo? Mety ho hevitra tsara izany raha ny fahitana azy amin’ny voalohany.

Saingy alaivo sary an-tsaina hoe nisara-panambadiana ny ray aman-drenin’ilay namanao. Na misy mampijaly ny zandrinao vavy any am-pianarana. Na miady amin’ny rarin-tsaina lalina ny raibenao. Ahoana no fomba hanitsianao izany rehetra izany?

Ny valiny fohy dia hoe tsy vitanao izany. Ary tsy maninona izany. Etsy ankilany koa anefa, afaka manampy foana ianao. Ary ho taitra ianao hoe hatraiza ny fahafahan’ny fanampiana kely hampitsimbadika ny rasa.

Olana lehibe, hatsaram-panahy tsotra

Lehibe tao amin’ny tranon‘ny ray aman-dreny tokan-tena iray i Foni P. Nandritra ny fahazazan’i Foni sy tamin’izy zatovo dia nandinika ny reniny izy izay sahirana namelona samirery zaza telo. Vokatr’izany dia lasa nanana fahatsapana ratsy momba ny rainy i Foni. Avy teo, vao tsy ela izay, rehefa feno 19 taona izy dia nanomboka nanatona azy ny rainy mba hanandrana ny hifandray.

“Tezitra aho”, hoy i Foni. “Ny eritreritro tamin’izany dia hoe: -nanana 19 taona izy mba handraisana anjara teo amin’ny fiainako saingy tsy nanao izany. Dia nahoana no amin’izao fotoana izao?-” Na dia nivavaka sy nisaintsaina aza i Foni dia mbola tsy nahita fiadanana. Ny firesahana tamin’ny reniny sy ny nenitoany dia nanampy kely, saingy mbola nahatsapa ireo fahatsapana ratsy ara-batana sy ara-pihetseham-po nolalovany vokatr’ilay toe-java-nitranga ihany izy. Avy eo dia nisy zavatra mahatalanjona (nefa tsotra) nitranga: ny naman’i Foni akaiky indrindra dia nanasa azy hiara-hihinana gilasy sy hiantsena.

“Maro no hijery izany ary hieritreritra fa tsy dia mankaiza akory izany”, hoy i Foni, “saingy tena nanan-danja tokoa izany! Nahatsapa ny hafanan’ny masoandro teo amin’ny hoditro aho. Nitsangatsangana teny ivelany izahay ary nahita ireo hazo. Henoko ny rivotra ary tsapako niaraka tamin’izay ihany koa ny Fanahy. Tena nahatalanjona izany.”

Zatovovavy mitondra gilasy amin’ny cornet

Moa ve io fiantsenana tampotampoka io no namaha ny olan’i Foni? Raha ny marina, tsia. Miaiky i Foni fa mbola sarotra ny fifandraisany amin’ny rainy. Saingy izany fihetsika tsotra feno hatsaram-panahy nataon’ilay namany izany dia nahafahan’i Foni nahatsapa indray ny Fanahy Masina. Dia lasa afaka niatrika tsara kokoa ny olany izy omban’ny hery fanampiny. “Fantatro fa notaomin’ny Fanahy Masina izy hitaona ahy hivoaka ny trano”, hoy i Foni nizara.

Iza no mila anao anio?

Ao amin’ny boky torolalana Ho zatovo mahery!, dia asaina isika “[hanolo-tanana] ireo izay mahatsapa ho manirery, na mitoka-monina, ary tsy afa-manoatra. Ampio izy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra amin’ny alalanao” (Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy [2022], 12). Izany fihetsika tsotra maneho finamanana izany dia nanampy an’i Foni hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra tao anatin’ny toe-javatra mafy iray. Iza no azonao ampiana mba hahatsapa izany fitiavana izany anio?