2025
Te hiresaka aminao ny Rainao any An-danitra
Martsa 2025


Te hiresaka aminao ny Rainao any An-danitra

Manàna finoana fa miresaka aminao ny Rainao any An-danitra. Eo Izy ary tiany amin’ny fomba tsy hay lazaina ianao.

Zatovolahy iray mivavaka

Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika, miara-monina eto an-tany, lavitry ny fonenantsika any an-danitra. Izao no fiainana an-tany, fotoana handraisana ny vatantsika, hisafidianana ny tsara toy izay ny ratsy, hampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny Sorompanavotany masina ary ankamamiana ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana.

Noho isika tsy mahatadidy ny fiainantsika talohan’ny fiainana an-tany dia indraindray isika mahatsapa ho manirery noho ilay tontolo nilaozantsika. Nomen’ny Raintsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy isika mba hahafahana mifandray Aminy hatrany ary mba handraisana fitarihana sy torolalana ary fampaherezana avy Aminy. Fantatsika tsara io fanomezam-pahasoavana io; antsoina hoe vavaka izany.

Jesoa Kristy

For Those Who Will Believe in Me [Ho an’ireo izay hino Ahy], nataon’i Dan Wilson, tsy azo anaovana tahadika

Mivavaha amin’ny Rainao any An-danitra.

Nisy anjely iray nampianatra an’i Adama sy i Eva sy ireo rehetra izay hanaraka azy ireo mba “hibebaka sy hiantso an’ Andriamanitra amin’ny anaran’ny Zanaka hatrizao” (Mosesy 5:8).

Nampianatra i Jesoa hoe:

  • “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dòndòny dia hovohana ianareo” (Matio 7:7).

  • “Raha mivavaka, … mivavaha amin’ny Rainao … ao amin’ny mangingina” (Matio 6:6).

  • “Koa amin’izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao” (Matio 6:9).

Nivavaka tsy tapaka tamin’ny Rainy i Jesoa (jereo ny Lioka 6:12; Marka 6:46). Tao Getsemane dia nilaza tamin’ny mpianany Izy hoe: “Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako” (Marka 14:32). Raha mbola teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa dia nivavaka ho an’ireo miaramila izay nanombo Azy nanao hoe: “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).

Toroina hevitra isika mba “hivavaka mandrakariva.” Isika rehefa “mila hevitra amin’ny Tompo amin’ny ataon[tsika] rehetra dia hotarihany amin’ny tsara [isika]” (Almà 37:37). Ankoatra izany isika dia “manatitra ny fisaorana sy ny fiderana rehetra araka ny hery ananan’ny fanahin[tsika]” (Môzià 2:20).

Kanefa na dia be voninahitra kokoa aza ny Raintsika any An-danitra dia mamaly ny vavaka ataontsika Izy! Fanontaniana iray mampisaintsaina antsika ny hoe ahoana no ahafahantsika mandray sy mahatakatra tsara kokoa ireo valim-panontaniana sy fitarihana ary fampiononana avy amin’ny Raintsika?

Manomboka amin’ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ny fandraisana ny valin’ny vavaka ataontsika. Matoky ny Raintsika isika, manao izay tsara indrindra vitantsika mba hitandremana ny didy sy hiaikena ny tanany amin’ny zava-drehetra (jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21).

Hijoro eo anilanao ny Rainao any An-danitra, hanamafy orina ny fahaiza-manaonao, hampionona anao ary “hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao” (2 Nefia 2:2) rehefa miantso Azy ianao.

Zatovolahy mamaky soratra masina

Mandre ny feony

Rehefa mampihatra finoana an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny isika dia lasa mahay ho azy mihaino ny feony amin’ny fomba tsara kokoa.

Tamin’ny 1993, ny Filoha James E. Faust (1920–2007), izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nanasa ahy sy i Kathy vadiko mba hanatrika fampaherezam-panahy iray niaraka taminy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young. Izany fampaherezam-panahy izany dia nitranga ela be talohan’ny nielezan’ny finday avo lenta sy ny tambajotran-tserasera, ary ny internet.

Tamin’ny lahateniny ny Filoha Faust dia nampitandrina hoe: “Amin’ny taranaka misy anareo dia hototoran’ny feo maro ianareo izay milaza aminareo ny fomba tokony hiainana, ny fomba hanomezana fahafaham-po ny fahababoam-ponareo , ny fomba hahazoana mora foana ny zavatra rehetra irina.” Saingy “ny feo izay tsy maintsy ianaranao ny mihaino azy dia ny feon’ny Fanahy”. Mba hanaovana izany dia “tsy maintsy manokatra ny sofintsika … isika, mampitodika ny masom-pinoantsika mankany amin’ny loharanon’ilay feo, ary mijery tsy tapaka any an-danitra.”

Taona maro taty aoriana dia nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha toa ianareo miraika kokoa amin’ireo zavatra ao amin’ny tambazotra ifaneraserana noho ny amin’ny bitsiky ny Fanahy, dia lasa mametraka ny tenanareo amin’ny loza ara-panahy ianareo.”

Ny feon’ny Fanahy dia sady mipaka amin’ny saintsika no mipaka amin’ny fahatsapantsika. “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2). Henoy ny feon’ny fieritreretanao—matetika eo no manomboka ny fanambarana.

Vehivavy mitazana eo am-baravarankely

Mivavaha amin’ny fo be finoana

Tsy azo terena ny valinteny sy ny fahatsapana avy amin’ Andriamanitra. Mivavaka isika dia avy eo miandry amin’ny fo be finoana. Ny valiny sasany dia tsy ho tonga eto amin’ity fiainana ity, fa amin’ireo olo-marina dia handefa mandrakariva ny fiadanany ny Tompo (jereo ny Jaona 14:27). Indraindray ireo valiny dia tonga “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12).

Ny feon’ny lanitra dia mety ho tonga amin’ny fomba tsy ampoizina, matetika amin’ny toerana mangina sy toerana masina. Ao anatin’ny fahatonian’ny vavaka sy fisaintsainana ataoko vao maraina no ahitako fitahiana tsy mahazatra. Ny famakiana soratra masina isan’andro tsy tapaka ataon’ny tena manokana, na dia toa fahazarana fotsiny aza indraindray, dia afaka mitondra ny feon’ny Fanahy ho ao am-pontsika toy ny afo amin’ny fotoana hafa.

Raha mitambolona manodidina antsika ny tabataba sy ny fanelingelenan’izao tontolo izao dia nanome torolalana ny mpaminaniny ny Tompo hanorina tempoly maro kokoa hatrany. Ampianarina an’ireo fahamarinan’ny mandrakizay isika ao anatin’ireo trano masin’ny Tompo ireo rehefa mametraka ireo olantsika any ivelany ka miditra miaraka amin’ireo vavaka sy zava-manahirana antsika. Herintaona lasa izay dia nampanantena ny Filoha Nelson fa rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly isika dia “Tsy misy na inona na inona hanokatra kokoa ny lanitra. Tsy misy!”

Mitondra fitahiana be dia be ihany koa ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tsirairay. Amin’ny volana aprily ho avy izao dia hihaona indray isika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany hihaino ny feon’ny Tompo. Mampanantena aho fa raha miomana ianareo sy tonga manatrika ombam-bavaka amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia hahita ny valin’ireo olanareo ary hahafantatra fa eo aminareo ny “tanan’ny lanitra.”

Manàna finoana fa miresaka aminao ny Rainao any An-danitra. Tena manao izany Izy! Aoka ny finoanao Azy sy ny Zanany Malalany hanampy anao hanokatra ny voaly sy handre ny feon’ny Rainao. Mijoro ho vavolombelona aho fa eo Izy ary tia anao amin’ny fomba tsy hay lazaina.