Avia, hanaraka Ahy
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18–28
Harena miafina
Miroboha ao anatin’ny soratra masina dia hahita ny karazan-java-drehetra ianao.
Mampazava ny soratra masina ny fanambarana maoderina.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19 dia manazava zavatra roa momba ny Mpamonjy.
Nilaza i Lioka fa ny hatsembohan’ny Tompo tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia “tahaka ny [vongan-dra] nipotrapotraka” (Lioka 22:44). Ny hoe “tahaka ny” dia toa milaza fa fomba fiteny fotsiny ihany izany.
Nohazavain’i Jesoa izany. Nilaza Izy fa ny fijaliany dia nahatonga Azy “hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18). Tsy fanoharana. Tena lehibe tokoa ny fahoriany ka tena rà ny hatsembohany.
Any amin’ny toerana hafa ny soratra masina dia mampiasa andian-teny toy ny hoe “fijaliana tsisy fiafarany” sy “famaizana mandrakizay”. Nilaza i Almà Zanany fa “nampijalian’ny fijaliana mandrakizay” izy (Almà 36:12). Saingy telo andro monja no naharetan’ny fijaliany (jereo ny Almà 36:16). Ahoana no maha “mandrakizay” izany?
Mbola nohazavain’i Jesoa indray. Koa satria mandrakizay sy tsisy fiafarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa, n’inona n’inona sazy omen’izy ireo, araka ny famaritana, dia “mandrakizay” na “tsisy fiafarana,” na manao ahoana na manao ahoana ny faharetany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:6–12). Ny fijalian’ireo zanaky ny fahaverezana ihany no hany haharitra mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:30–38).
Ampy ny batisa iray, saingy mitaky fahefana izany.
Matetika ireo olona eo an-dalan’ny fiovam-po no manontany ireo misiônera hoe: Ahoana raha efa natao batisa tany amin’ny fiangonana iray hafa aho? Mbola mila averina atao batisa indray ve aho?
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazava fa raha tsy misy ny fisoronana—dia ilay fahefana hanao asa amin’ny anaran’ Andriamanitra—“na dia hatao batisa injato aza ny olona iray dia tsy mahasoa azy izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:2).
Noho izany ny valiny raha zoviana dia hoe: “Ny batisanao taloha dia asa tsara mifototra amin’izay fantatrao tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny ianao dia mahafantatra misimisy kokoa ka tian’ny Tompo hanao asa araka izany fahalalana izany.”
Tsy misy olona mahay ny zava-drehetra izany. Ary tsy maninona izany.
Tsy nahay raharaham-barotra na ny resaka toe-karena ny Mpaminany Joseph Smith. Raha araka ny fiteny eo amin’izao tontolo izao dia tsy mba nahomby izy.
Nilaza taminy ny Tompo fa izay no ho izy: “Amin’ny anjara fanompoanao ho an’izao fiainana izao, dia tsy hatanjaka ianao, satria tsy izany no antsonao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:9).
Hisy namanao sy mpiara-mianatra aminao izay handeha any amin’ny oniversite tsara kokoa noho ianao, ka hahazo asa malaza kokoa noho ianao, ary hahita fahombiazana araka izao tontolo izao mihoatra noho ianao.
Dia maninona?
Tsy fifaninanana ny fiainana. Tokony hanandrana hanao izay fara herinao ianao, mazava ho azy. Saingy aza mikoropaka ianao raha mahita ny hafa misongona anao eo amin’ny lalan’ny fiainana. Mety tsy mankany amin’izay toerana itodiana ny lalan-kizoran’izy ireo! Tohizo ny fanaovana izay tian’ny Tompo hataonao, dia ny “antsonao”, ary aza sahirantsaina amin’ny drafiny ho an’ny olon-kafa.
Ny tranon’ Andriamanitra dia tranon’ny filaminana.
Matetika ny Mpamonjy no nampahatsiahy ny Mpaminany Joseph Smith fa ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao “amim-pilaminana” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68; 28:13; 58:55; 107:84). Mila fitsipika ianao raha tsy izay dia manjaka ny korontana.
Saingy tsy midika akory izany fa tsy misy hahafahana mandefitra mihitsy. Ohatra, nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo fa “tsy mampaninona izay hohaninareo na izay hosotroinareo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianareo”—raha mbola manao izany ianareo ho fahatsiarovana ny fijaliany sy ny Sorompanavotany (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:2).
Rehefa ny mikasika ny fitarihana ny Fiangonana kosa anefa dia tsy misy izany amboamboarina izany. Olona iray isaky ny mandeha ihany no afaka mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana: i Joseph Smith no voalohany Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2); avy eo dia izay rehetra notendren’ny Tompo “eo amin’ny toerany” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:7), toa an-dry Brigham Young, John Taylor, ary toy izany hatrany amin’ny mpaminany ankehitriny.
Ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana izay nentanim-panahy dia afaka mampianatra, sy manoro hevitra ary manome torohevitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:4–5). Saingy ny Filohan’ny Fiangonana irery ihany no afaka miteny ho an’ Andriamanitra mikasika ireo zavatra izay misy fiantraikany amin’ny Fiangonana iray manontolo.