2025
Amin’ny fotoana maha diso fanantenana anao
Martsa 2025


Amin’ny fotoana maha diso fanantenana anao

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manolotra fanampiana rehefa tsy mandeha araka izay niheveranao azy ny zavatra.

Tanana mihazona fanjaitra izay efa an-dalana hamaky tapoaka (bulle)

Sary nataon’i Luciana Abrão

Moa ve ianao efa diso fanantenana? Efa diso fanantenana aho. Raha ny marina dia vao tamin’ny herinandro aho no diso fanantenana. Tena matotra—nisy ranomaso sy zavatra maro.

Hoy ny Tompo tamin’i Joseph Smith: “Mahareta amin’ny fahoriana, fa ho tojo maro ianao.” Nisento lalina aho. Tsy mahafinaritra izany.

Saingy soa ihany fa mitohy tahaka izao ilay soratra masina: “Nefa iareto ireny fa indro, Izaho momba anao hatrany amin’ny faran’ny andronao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8, nampiana fanamafisana). Eny ary e! Miaina tsara indray aho.

Rehefa mieritreritra izany aho dia tsapako fa niaraka tamiko ny Tompo tamin’ny fahadisoam-panantenana tsirairay nolalovako. Misy ohatra vitsivitsy ireto:

Rehefa tsy lany ho mpilalao aho …

Fony aho 15 taona dia nandray anjara tamina fifantenana ho mpilalao an-tsehatra tao an-tsekoly. Nanandrana nilalao an’ilay mpilalao fototra aho, saingy tsy izaho no lany tamin’ny farany.

Fa ny tena loza dia efa nozarain’ilay mpampianatra ireo anjara mpilalao madinika rehetra, ka tsy nisy anjarako intsony tamin’izany. Nataony Talean’ny mpianatra aho, ary satria nahatsiaro ho meloka izy dia nanampy anjara mpilalao vaovao: tsy maintsy nila niakatra an-tsehatra nandritra ny 30 segondra teo ho eo aho, nanao masera tsy niteny na inona na inona.

Eny. Nitomany aho.

… Dia nampahery ahy ny Tompo

Rehefa manao jery todika aho dia tsapako fa nanampy ahy ny Mpamonjy tanatin’izany fotoanan’ny fahadisoam-panantenana izany. Nampahery ahy izy mba hihazona toetra tsara sy hanana fanetrentena bebe kokoa. Nankafiziko ihany tamin’ny farany ny fotoana nilalaovako an-tsehatra tao amin’ny kilasy taona fahasivy.

“Aoka isika hanao amim-pifaliana ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary amin’izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny famonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17, nampiana fanamafisana).

Rehefa tsy nandeha araka ny nantenaiko ny fanatanjahantena

Naniry ho mpilalao tao amin’ny ekipa mpilalao tennis efa sangany aho fony aho kilasy famaranana tany amin’ny lisea. Nila nandresy ilay ankizivavy laharana teo alohako aho mba ho tafiditra ao amin’ilay ekipa. Saingy rehefa nifanandrina taminy aho dia resy.

Na dia diso fanantenana aza aho dia afaka nilalao tao amin’ny ekipa zandriny. Nahazo ny laharana voalohany aho tamin’ny famaranana ny fifanintsanana ho an’ny ekipa zandriny. Saingy inona hoy ianao? Resy aho tamin’ny fiodinana farany. Nitomany indray aho.

Diso fanantenana indray aho taty aoriana. Taorian’ny nandraisako mari-pankasitrahana noho ny nahazoako naoty tsara sy ny filalaovako fanatanjahan-tena dia nanapa-kevitra ny hanaisotra ilay mari-pankasitrahana izy ireo—satria toa hoe natokana ho an’ireo mpilalao tao amin’ny ekipa sangany ihany izany.

… dia “Fotoana fohy” monja izany.

Tamin’izany fotoana izany dia ampahany lehibe teo amin’ny fiainako ny lalao tennis, ary niantraika mafy tamiko ireo fahadisoam-panantenana ireo. Ny zavatra tsy tsapako dia hoe niaraka tamiko foana ny Mpamonjy, nanampy ahy. Tsy naharitra mandrakizay akory ireo fahadisoam-panantenana goavana ireo, na dia toa izay aza no tsapa.

Fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotana fohy; ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8, nampiana fanamafisana).

Rehefa niezaka handresy ny fahadisoam-panantenana … aho

Indraindray aho dia niezaka nandositra lavitra ny fahadisoam-panantenana. Fony aho 13 taona dia tsy nahomby raha saika hiditra ho mpikamban’ny filankevitry ny mpianatra, ka dia tsy namerina nanandrana intsony, na dia mety ho nankafiziko aza izany. Nilavo lefona aho satria natahotra ho diso fanantenana indray.

… Nila ilay hoe “Aza matahotra” aho

Nila nahatsiaro aho hoe miaraka amintsika ny Tompo na dia ao anatin’ny fahadisoam-panantenantsika aza. Indraindray dia tsy mandeha araka ny antenaintsika ny zava-drehetra, saingy afaka manampy antsika Izy hiatrika fihetseham-po tsy mampahazo aina ary hanandrana zavatra vaovao.

“Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36–37, nampiana fanamafisana).

Rehefa tsy nandeha araka izay nokasaina ny fanaovana asa fitoriana

Taorian’ny sekoly ambaratonga faharoa dia nanapa-kevitra hanao asa fitoriana aho. Saingy nanana olana ara-pitsaboana tsy nampoizina aho izay tsy nahafahako nandeha tamin’ny fotoana tokony handehanako.

Nila nanam-paharetana aho, fa taty aoriana dia voantso nanompo tany amin’ny Misiônan’i Mexique Guadalajara Atsinanana. Tany aho dia nampianatra olona mahatalanjona maro ary nanampy ny sasany tamin’izy ireo mihitsy aza mba hatao batisa. Saingy na dia teo aza ny finoako sy ny fankatoavako ary ny asa mafy nataoko, dia tsy nisy nijanona ho navitrika tao amin’ny Fiangonana izy ireo.

… dia natoky ny sitrapon’ Andriamanitra aho

Matetika dia tsy azontsika fehezina ireo zava-mitranga eo amin’ny fiainana. Tsy haiko novahana teo no ho eo ny olako ara-pahasalamana. Ary tsy afaka manery ny hafa hiaina ny filazantsara aho. Saingy afaka matoky ny fotoanan’ny Tompo sy ny fombany aho.

“Koa manamasina ny tenanareo mba tsy hibanjina afa-tsy Andriamanitra ny sainareo, dia ho avy ny andro izay hahitanareo Azy; … ary izany dia ho amin’ny [fotoanany] sy araka ny fombany, ary araka ny sitrapony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68, nampiana fanamafisana).

Rehefa diso fanantenana aho tamin’ny herinandro lasa …

Olon-dehibe aho ankehitriny. Kanefa mbola diso fanantenana ihany. Raha ny marina, vao tamin’ny herinandro lasa aho no nandeha nanatrika fihaonambe ho an’ny fanaovana asa soratra. Somary nanana fahatokian-tena ihany aho mikasika ny sasany tamin’ireo asa soratra vitako, saingy nandiso fanantenana ny fanamarihan’ireo mpanoratra hafa momba izany.

… dia niaraka tamiko Izy

Ankehitriny aho dia miezaka hahatoky kokoa ny Tompo. Tsy maintsy mandalo fahadisoam-panantenana eo amin’ny fiainana. Tsy midika akory izany hoe manao zavatra ratsy ianao.

Koa iverenako ilay soratra masina tany am-boalohany. Eny, mety tojo fahoriana sy fahadisoam-panantenana “maro” isika. Saingy fantatro fa hiaraka amiko ny Tompo rehefa mandalo amin’izy ireny aho. Ary hiaraka aminao koa Izy.

“Mahareta amin’ny fahoriana, fa ho tojo maro ianao; nefa iareto ireny fa indro, Izaho momba anao hatrany amin’ny faran’ny andronao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:8, nampiana fanamafisana).