Eo am-pirosoana miaraka amin’ny Fanahy
Te hiresaka aminao ny Ray any An-danitra. Ireto misy fomba hanohizana izany fifandraisana Aminy izany hizotra.
Mahafantatra sy tia anao ny Rainao any An-danitra. Maheno anao Izy rehefa mivavaka ianao ary te hiresaka aminao Izy. Manan-danja ny famantarana ny fomba firesahany; ary tsy mitovy izany ho antsika rehetra. Saingy matetika ianao dia afaka mahatsikaritra ny Ray any An-danitra miresaka ao an-tsainao sy ao am-ponao rehefa mandroso ianao—miaina ny fiainanao sy manao asa amim-pinoana.
Hazony tsy ho tapaka ny fifandraisana
Afaka mihazona ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra hisokatra hatrany ianao rehefa mivavaka tsy tapaka sy amin-kitsimpo Aminy. Alalino ny teniny ao amin’ny soratra masina. Henoy sy araho ireo mpanompo nofinidiny, dia ireo mpaminany sy apôstôly izany. Ary ataovy izay tsara vitanao hanarahana ny didiny.
Mitondra fahasambarana sy dikany eo amin’ny fiainantsika ny fihazonana ny fifandraisana amin’ny Ray any An-danitra. Manampy antsika hahatakatra kokoa ny drafiny sy hahatsapa ny fitiavany izany. Fantatsika Izy rehefa miteny raha miezaka ny hanana fahasalamana ara-panahy tena tsara isika.
Mitonia
Mampahatsiahy antsika ny Tompo ao amin’ny soratra masina hoe: “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra” (Salamo 46:10; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16). Feno tabataba sy zavatra manelingelina izao tontolo izao, saingy ny Ray any An-danitra dia tsy mba miteny mafy na mitabataba. Miteny amin’ny “feo mitsoka malefaka” Izy (1 Mpanjaka 19:12). Afaka mahafantatra ny fitaomany isika rehefa tony.
Ohatra, mitadiava toerana mangina hivavahana, makà fotoana iriariavana eo anivon’ny hatsaran’ny zavaboarin’ Andriamanitra eny amin’ny natiora, na mankafiza zava-kanto sy mozika feno fanentanam-panahy. Manampy amin’ny fihazonana ny saintsika sy ny fontsika hisokatra amin’ny traikefa manokana miaraka amin’ny Ray any An-danitra ireo zavatra ireo.
Araho ny bitsiky ny Fanahy
Mazàna ny Ray any An-danitra no miresaka amintsika amin’ny alalan’ny bitsika. Saingy ahoana no ahafahantsika mamantatra amin’ny fomba azo antoka fa avy Aminy ny bitsika iray? Manome torolalana tsara ny mpaminany Môrmôna hoe: “Ny zavatra tsirairay izay manainga sy mitaona hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra ary hanompo Azy, dia avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra” (Môrônia 7:13). Nilaza ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) indray mandeha hoe: “Io ilay fizahan-toetra, rehefa voalaza sy natao avokoa ny zava-drehetra. Mandresy lahatra hanao ny tsara, hitsangana, hijoro, hanao izay tokony hatao, ho tsara fanahy, ho feno fahalalahan-tanana ve ilay izy? Raha izay no izy dia Fanahin’ Andriamanitra izany.”
Matetika ny bitsika iray dia ny “handeha […] ary hanao” (jereo ny 1 Nefia 3:7) na hilaza zavatra. Rehefa manaraka ireo bitsika ireo isika, indrindra fa amin’ny fotoana voalohany hahatsapantsika izany dia hisy traikefa hafa maro kokoa ho tonga. Koa raha mahatsapa ianao fa tokony hiteny na hanao zavatra iray tsara sy mampivoatra dia ataovy izany! Ho tonga ny fanamafisana fa eo amin’ny lalana marina ianao rehefa manomboka manao zavatra.
Mandrosoa amim-pinoana sy amim-pitokiana
Dingana izorana ny famantarana ny fotoana itenenan’ Andriamanitra. Sady mitaky finoana no mitaky fatokiana fa ny Ray any An-danitra dia hiresaka aminao sy hanampy anao hanao zavatra mihoatra lavitra noho izay azonao atao samirery. Zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa ny Ray any An-danitra dia matoky anao tsy hikatsaka fotsiny ny fitarihana anao eo amin’ny fiainanao manokana fa ny hitahy sy hankahery ireo manodidina anao ihany koa.
Tsy hanana ny valiny rehetra foana ianao. Tsy andrandraina avy aminao izany. Saingy amporisihina ianao hanao asa amim-pinoana. Rehefa manao izany ianao dia ho hitanao fa afaka miresaka amin’ny fomba maro kokoa noho izay azonao heverina Andriamanitra. Rehefa mandeha ny fotoana dia ho lasa mazava kokoa ny feony, hiharihary kokoa ny fitarihany ary ho tsikaritra kokoa ny fanatrehany mba hanampiana anao ho tonga amin’izay fantany fa mety hahatongavanao.