Fantaro ny fomba ifandraisan’ny dihy antsin’afo Samoana amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’ny zatovo fito any Hawaii, Etazonia.
Sary nalain’i Leslie Nilsson sy Marissa Couto
Ny olona sasany dia mitendry pianô. Ny sasany dia tia mamaky boky. Ny sasany manao gym na baolina kitra na échec. Tsy dia mahazatra loatra, ary tena sarotra inoana aza fa ny olona sasany dia tia mandihy sady manodinkodina antsy mirehitra.
Ny Tantaran’ny fandihizana antsin’afo
Ny dihy antsin’afo Samoana na ny ailao afi, dia dihy maoderina nalaina avy tamin’ny dihy nentin-drazana fanao amin’ny ady. Talenta miavaka izany, karazana zava-kanto sy fampisehoana, ary ho an’ny maro dia fomba iray hanajana ny kolontsain’izy ireo izany.
Toy izao no hanazavan’ny zatovo telo avy any Hawaii, Etazonia izany:
Vivian, 18 taona: “Raha ny nentin-drazana dia zavatry ny miaramila izany, izay nampiarahana tamin’ny antsy fotsiny. Taty aoriana dia nampiana afo sy hazo izany. Tena mitovy amin’ny kibay ahodikondina izany fa misy afo fotsiny eo amin’ny tendrony roa.”
Tui, 12: “Ny dihy antsin’afo dia mila hafanana be. Mihodinkodina be ihany koa izany. Atsipinao mihitsy aza ny antsy ary afindranao izany amin’iny izy mihodinkodina iny.”
Joseph, 18: “Rehefa mihetsika ny afo, dia mitambolona ny rivotra ka velesina ny amponga, somary mafy ihany izany. Saingy raha tsorina dia toy ny fotoana ara-panahy mangina ho ahy izany, satria tena misy dikany lehibe amiko izany. Fomba iray ifandraisako amin’ny fianakaviako sy ny kolontsaiko ny antsin’afo.”
Ho an’ireo zatovo ireo dia tsy hoe talenta mahatalanjona sy tsy fahita firy fotsiny ny dihy antsin’afo. Nampianatra lesona manan-danja maro azy ireo teo amin’ny fiainana momba ny fijanona ho akaikin’ny Tompo ihany koa izany tamin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara sy ny fanampiana ny hafa.
Matoky ny Tompo
Joseph A., 18 taona
Rehefa mandihy ny antsin’afo ianao dia maro ireo zavatra mety ho diso. Mety hiraraka eraky ny tahony ny solika ka lasa mahatonga izany halama. Mety hanova zavatra ihany koa ny rivotra ary hahatonga ilay antsy ho sarotra tratrarina. Fanampiana lehibe ho ahy ny fahatokiana ny Tompo rehefa mandihy.
Iray amin’ireo soratra masina tiako indrindra ny Ohabolana 3:5, izay miresaka momba ny fatokiana ny Tompo amin’ny fonao manontolo. Heveriko fa zava-dehibe izany satria ao anatin’ny fotoana anaovanao ilay seho dia tsapanao fa atontonao ao daholo ny zavatra nanaovanao fanazaran-tena rehetra, kanefa sady miankina aminao izany no miankina amin’ilay antsin’afo sy ny Ray any An-danitra.
Tiako ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra hoe: “Eny ary, efa niomana mafy aho, tariho amin’izay ny tanako amin’izao fotoana izao.”
Manisy toerana ho an’ny Tompo
Gary K., 16 taona
Betsaka ny fiomanana atao rehefa hanao fifaninana antsin’afo. Manao fanazaran-tena isan’andro aho mandritra ny enim-bolana eo ho eo alohan’ny fifaninanana.
Mety ho sarotra ihany koa izany satria tena feno be ny fandaharam-potoanako. Saingy manisy toerana ho an’ny Tompo foana aho amin’ny alalan’ny fandehanana any am-piangonana sy ireo fiaraha-mientan’ny Zatovolahy ary ny seminera, sy amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina sy ny vavaka ataoko. Rehefa manao ireo zavatra ireo aho dia mahatsikaritra fiovana amin’ny androko. Mizotra tsara fotsiny ny zava-drehetra.
Tena tsapako tanteraka fa eo i Kristy ho ahy. Raha matoky ny Tompo ianao ary miezaka mametraka Azy ho lohalaharana dia hanampy anao amin’izay tokony hataonao Izy.
Mahazo fahatokian-tena sy manainga fanahy ny hafa
Vivian K., 18 taona
Fony mbola kely aho dia nijery ireo dadatoako sy anadahiko mandihy manao antsin’afo. Nihevitra aho fa tena nahafinaritra izany, saingy tsy fantatro aho raha afaka nanao izany. Tany amin’ny lisea dia nataoko ho anisan’ireo tanjoko ny hianatra ny fanaovana izany. Rehefa nahay aho, dia nataoko mazava kokoa ny tanjoko: naniry handray anjara amin’ny fifaninanana manao antsin’afo.
Nanampy ahy hahazo fahatokian-tena ny fanaovana antsin’afo. Rehefa mandihy ianao dia misy fihetsika sasany izay hanipazanao ilay antsy eny ambony, dia mandinika azy eny ambony eny ary avy eo misambotra izany. Ny fanaoko dia mandositra ireo lelan’antsy rehefa nanipy azy ambony. Nampianatra ahy ny raiko fa mila manolo-tena aho hanao ireo fihetsika ary matoky tena.
Rehefa nahazo aingam-panahy tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviany i Vivian dia nahazo fahatokian-tena hilanja ilay lelafo.
Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka nilanja izany tamim-pahatokian-tena kokoa aho rehefa manao fampisehoana sy amin’ny zavatra hafa rehetra. Tena mahafinaritra izany ankehitriny satria indraindray ireo zazavavy dia manatona ahy rehefa avy nanao fampisehoana, ary milaza fa nahazo aingam-panahy izy ireo ary te hanandrana hanao ny dihy mampiasa antsin’afo ihany koa. Tena mientanentana aho fa hoe izaho no manainga fanahy ny olona hafa hanao zavatra iray izay noheverin’izy ireo fa mety tsy ho vitan’izy ireo.
“Ny fivavahana dia miaro ahy ary manampy ahy hanao dihy tsara”, hoy i Tui.
Mandresy ny tahotra amin’ny alalan’ny vavaka
Tui M., 12 taona
Rehefa manao fampisehoana aho dia tsy mahatsapa mitaintaina. Mientanentana aho. Nianatra aho fa na dia misy tsy mety aza ny ataoko dia azoko avadika ho zavatra tsara tarehy izany. Kely sisa dia hitovy amin’ireny manao sary hosodoko ireny ilay dihy antsin’afo. Rehefa misy mpanao hosodoko manao fahadisoana dia azony atao zavatra vaovao iny. Indraindray aho mandatsaka ny antsin’afoko, saingy raisiko indray ilay izy ary tohiziko ny dihy.
Nanampy ahy betsaka tamin’ny tahotro ny famporisihan-tena. Raha tokony hieritreritra toy ny hoe: “Ahoana raha mandiso aho?” Dia miezaka aho ny mieritreritra kokoa hoe: “Eny ary, dia ahoana raha mety tsara ny ataoko!”
Lasa fomba fanaoko ihany koa ny manao vavaka kely isaky ny alohan’ny fampisehoana antsin’afo. Miaro ahy ny vavaka ary manampy ahy hanao dihy tsara. Rehefa mivavaka aho dia mahatsapa fahatokian-tena fa hanao tsara.
Manasseh T., 12 taona
Alohan’ny hanaovako fampisehoana antsin’afo dia mazàna aho no mitaintaina. Isaky ny alohan’ny hanohy dia manao vavaka aho. Indray mandeha, talohan’ny nanohizako dia nanao vavaka aho, dia nahatsapa hafanana tao anaty ary tsy natahotra. Rehefa nandihy aho dia nahatsapa toy hoe nisy olona nijoro teo anilako.
Tena manampy ahy tsy hitaintaina ny vavaka. Rehefa avy mivavaka aho dia mahatsapa fa zavatra mahafinaritra fotsiny no ataoko!
Mizara hafatra mitory fitiavana
Kawiki A., 15 taona
Tamin’ny fahavaratra lasa teo izahay dia nanao fampisehoana antsin’afo tany Roumanie sy Bulgarie. Ataon’ny dadako foana izay hahaizanay ny “Fitia ao an-tokantrano” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 88) amin’ny fitenin’ireo firenena izay tsidihanay. Manao izany izahay mba hahafahanay mianakavy miara-mihira izany aorian’ny fampisehoana ataonay.
Mihevitra aho fa zava-dehibe ny hafatry ny fitiavana ao an-tokantrano satria mampahatsiahy antsika izany mba hanana fitiavana na aiza na aiza alehantsika. Mahatsapa ho toy ny mankahery ny hafa aho ary mitondra hafaliana ho azy ireo. Ary na dia tsy afaka miteny ny fiteniko aza izy ireo indraindray dia fantatro fa mahatsapa ny filazantsara nozaraina tamin’ny alalan’ny talentanay.
Nainoa A., 13 taona
Zava-dehibe ny hafatry ny fitiavana ao an-tokantrano satria raha tsy fantatry ny olona hoe misy fitiavana manodidina azy ireo dia mety ho fadiranovana izy ireo. Rehefa misy fitiavana ao an-tranoko dia mahatsapa fiadanana aho ary mahatsiaro tony.
Mizara hazavana amin’ny alalan’ny talenta
Ny dihy antsin’afo dia fomba iray hampamirapiratan’ireto zatovo ireto ny fahazavany sy hizaran’izy ireo ny talentany amin’ny hafa. “Manao fampisehoana sy mizara ny talentako manerana an’izao tontolo izao miaraka amin’ny fianakaviako aho. Mahatonga ahy hahatsapa fifaliana ao anaty ny fahafantarana fa raha mizara ny talentanao ianao dia hampitraka ny hafa”, hoy i Nainoa.
I Kawiki zokilahin’i Nainoa, dia milaza fa ny dihy antsin’afo dia mampahatsiahy azy ny fomba handresen’ny fahazavana ny haizina. Ho azy, ny fizarana ny talentany dia toy ny mizara ny fahazavany amin’ny hafa.
Nilaza i Joseph fa rehefa mamirapiratra isika dia mamirapiratra ho an’ny Ray any An-danitra. “Rehefa mizara ny zavatra ananantsika isika, dia tsy vitan’ny hoe mitondra fitahiana ho an’ny tenantsika fotsiny, na hoe mitondra fitahiana ho an’ireo izay izarantsika ny talentantsika, fa karazan’ny manome dera ho an’ny Ray any An-danitra ihany koa.”
Nilaza i Vivian fa ny dadabeny dia mizara foana ny soratra masina Matio 5:16, izay miresaka momba ny famelana ny fahazavantsika hamirapiratra eo anoloan’ny olona. “Mihevitra aho fa soratra masina tsara izany satria tsy voatery mahay antsin’afo ianao vao hizara ny filazantsara. Afaka mahay ny zavatra rehetra ianao ary mampiasa ny talentanao mba hizarana ny filazantsara amin’izany fomba izany.”