2025
Ahoana no ahafahako ho mbola manana fanantenana sy miomana ho an’ny fianakaviako ho avy rehefa tena mandiso fanantenana izao tontolo izao?
Martsa 2025


Fanontaniana sy Valiny

“Ahoana no ahafahako ho mbola manana fanantenana sy miomana ho an’ny fianakaviako ho avy rehefa tena mandiso fanantenana izao tontolo izao?”

zatovovavy

“Nandidy antsika ny Tompo mba hihamaro sy hameno ny tany ary nampanantena ny hiaro antsika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy. Lavorary ny drafitr’ Andriamanitra. Fantatro fa rehefa manan-janaka aho, raha mankatò izay nandidiany ahy, dia voafatotra Izy hitahy sy hiaro ahy sy ny fianakaviako araka ny fahendreny.”

Ziona O., 16 taona, Hawaii, Etazonia

zatovolahy

“Mahita fanantenana aho rehefa mampihatra finoana an’ Andriamanitra sy ny drafiny ho ahy. Rehefa mandiso fanantenana izao tontolo izao dia afaka mitodika any Aminy aho mba hahazoana fiadanana. Ny tsodranon’ny patriarika nomena ahy dia manampy ahy hahafantatra fa mahafantatra ahy kokoa noho ny olona rehetra ny Raiko any An-danitra ary tia ahy. Manome fahatokiana ahy izany fa hizotra tsara ny zava-drehetra.”

Logan M., 16 taona, Texas, Etazonia

zatovovavy

“Manampy ahy ny mahafantatra fa tia ahy Andriamanitra, manana drafitra ho ahy Izy ary hanampy ahy ao anatin’ireo fotoan-tsarotra. Manampy koa ny fahafantarana fa ny fanekempihavanako dia mamatotra ahy amin’i Kristy sy manome ahy fahafahana hahazo ny heriny sy ny tanjany.”

Lydie L., 18 taona, Utah, Etazonia

zatovolahy

“Mahita fifaliana ao amin’i Kristy sy ny soratra masina ary ny vavaka. Raha afaka mianatra isika fa ny hany hevitra izay manan-danja dia ny hevitry ny Mpamonjy, dia hanamora kokoa ny fiainana izany. Ny fandraisana fanapahan-kevitra mifototra amin’ny hevitry ny olona manodidina antsika dia mety hanery antsika handray fanapahan-kevitra ratsy.”

Cash P., 16 taona, Utah, Etazonia

zatovovavy

“Tokony hametraka ny fitokiantsika amin’ Andriamanitra isika ary hikolokolo toe-tsaina tsara. Afaka maka fanentanam-panahy avy amin’ny hafa izay nandresy ireo olana mitovy amin’izany isika. Ary koa, ny fitandremana ny didy, indrindra fa ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fitazonana ny hasin’ny tena no iankinan’ny fototra mafy orina amin’ny fananganana fiainam-pianakaviana mahafa-po na dia eo aza ireo fanakiviana avy amin’ny hafa.”

Divine O., 19 taona, Lagos, Nigéria