“Ny Fiangonana any Mongolie,” Liahona, sept. 2025.
Ny Fiangonana any Mongolie
Nitombo tsy ankijanona Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany hatramin’ny fotoana nahatongavan’ireo misiônera mpivady zokiolona voalohany tamin’ny taona 1992. Natao batisa tamin’ny taona 1993 ireo olona niova fo voalohany tany Mongolie, ary ny sampana voalohany dia natsangana tamin’io taona io ihany. Tamin’ny taona 1995 no naorina ny misiôna voalohany. Ankehitriny, ny Fiangonana any Mongolie dia ahitana:
-
Mpikambana miisa 12.400 (eo ho eo)
-
tsatòka 2, paroasy sy sampana 24, ary misiôna 1
-
tempoly 1 (haorina ao Ulaanbaatar)
Fitahiana ara-panahy
Hoy i Munkh-Od Altansukh (etsy ambony, ankavanana) avy ao amin’ny Tsatòkan’i Ulaanbaatar Atsinanana hoe: “Mahazo traikefa ara-panahy sarobidy aho amin’ny alalan’ny zavatra atao isan-karazany toy ny fandalinana soratra masina, ny fanompoana ny hafa, ary fitsaohana any amin’ny tempoly. Fantatro fa ireo zava-madinika sy tsotran’ny filazantsara izay ampiharina tsy tapaka dia hanampy antsika handroso mankany amin’ny fisandratana amin’ny maha-fianakaviana antsika.”