2025
Nanao izay nahafaly ny renibenao ianao
Septambra 2025


“Nanao izay nahafaly ny renibenao ianao,” Liahona, sept. 2025.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nanao izay nahahafaly ny renibenao ianao

Tsy fantatry ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny renibeko ny lanjan’ny fanomezany sy ny hafany tamiko.

sary mariazin’ny reniben’ny mpanoratra

Sary mariazin’ny reniben’ny mpanoratra

Ny fitomboana niaraka tamin’ny ray aman-dreny izay marenina dia nampahalala ahy tsara fa niavaka ny fianakaviako. Fony aho mbola kely dia tsy nisy na iza na iza nandika teny ho an’ny ray aman-dreniko nandritra ireo fivoriam-piangonana na fiaraha-mientana, koa tsy nanatrika matetika izahay.

Nahatsapa ho toy ny olona ivelany mitazana ny ao anatiny foana aho, naniry ny zavatra nananan’ny hafa tao amin’ny paroasiko—fianakaviana izay niara-nivavaka sy niara-nianatra.

Tany akaikin’ny fifaran’ny kilasy famaranana tany amin’ny lisea anefa dia lasa nazoto kokoa tao amin’ny Fiangonana izahay. Nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona ny ray aman-dreniko ary nofehezina tamin’izy ireo izaho sy ny roa tamin’ireo iray tam-po amiko efatra.

Dimy taona taty aoriana dia niomana ny handray fanafiana masina sy hanambady tany amin’ny tempoly aho. Ny alina talohan’ny famehezana ahy tany amin’ny tempoly dia nandeha tany amin’ny tempoly ny anadahiko sy ny vadiny mba hanatanteraka asa isoloana tena ho an’ny ray aman-drenin’ny reniko ho fanomanana ny famehezana azy ireo ny ampitson’io. Niova fo efa ho 20 taona ny reniko tamin’izany fotoana izany, ary naniry mafy ny hanomboka ny tantaran’ny fianakaviany sy ny asa atao any amin’ny tempoly izy.

Ny ampitson’io dia nofehezina ny raibe sy renibenay ary nijoro ho mpisolo tena indray ny anadahiko sy ny vadiny. Marina fa andro nanambadiako izany, saingy nanana dikany fanampiny ho ahy izany. Nifampizara tamiko ity andro miavaka ity ireo raibe sy renibeko izay tsy mbola nihaona tamiko na oviana na oviana.

Andro vitsy taty aoriana, rehefa nanokatra fanomezana tamin’ny mariazy izaho sy ny vadiko dia nanokatra anankiray tena miavaka avy tamin’ny zanaky ny mpiray tam-po amin’ny renibeko voalohany izahay. Vehivavy mpivavaka izy izay akaiky ny renibeko. Sarin’ny renibeko tamin’ny andron’ny mariaziny ilay fanomezana. Hoy ny karatra iray nampiarahana taminy: “Tena nahafaly ny renibenao anao ary mibanjina anao izy.”

Tsy fantatr’io zanaky ny mpiray tam-po amin’ny renibeko io ny halehiben’ilay hafatra tamiko. Ary tsy fantany koa ny asa atao any amin’ny tempoly izay notanterahina vao haingana ho an’ny renibeko. Fantatro tao am-poko tamin’izay fotoana izay fa nahafaly ny renibeko aho ary faly izy fa nanomboka ny dia manan-danja eo amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ny fianakavianay.

Fianakaviana mandrakizay izahay amin’izao fotoana izao, eo amin’ny lalan’ny fanangonana ireo razambenay ary tarihin’ny reniko mba hitahy ny fianakavianay any amin’ny lafiny ilan’ny voaly.