2025
Fanontaniana sy valiny mikasika ny fahasalamana ara-tsaina
Septambra 2025


“Fanontaniana sy valiny mikasika ny fahasalamana ara-tsaina,” Liahona, sept. 2025.

Avy amin’ny Ho an’ny tanora isan-kerinandro

Fanontaniana sy Valiny mikasika ny fahasalamana ara-tsaina

Ny zavatra rehetra tsy rariny eo amin’ny fiainana dia hahitsy noho i Jesoa Kristy.

sary famantarana maneho firesahana

Mety ho toy ny tsy azo heverina indraindray ny hahita fifaliana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sady miezaka ihany mampilamina tsara ireo olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina. Ireo hery sarotra fehezina dia afaka manakana antsika tsy hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ary angamba mahatonga antsika hanontany tena hoe nahoana isika no manohy miezaka hatrany.

Na dia tsy nanambara ny valin’ny fitalahoantsika avy amin’ny fo rehetra aza ny Tompo dia nanome fitarihana, torohevitra, fampiononana ary fanantenana tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny sy apôstôliny ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana Izy.

Ireto ny sasany amin’ireo teny nentanim-panahy avy amin’izy ireo izay afaka manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana iombonana apetraky ny tanora. Raha toa ka mitambesatra ao an-tsainao koa ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo dia fantaro fa hitondra fiadanana sy fanantenana ho anao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy rehefa tsy misy zavatra hafa afaka manao izany.

Mahatsapa ny Fanahy

F: Moa ve vokatry ny fahotako ireo olana amin’ny fahasalamako ara-tsaina?

V: “Zava-dehibe ny mahafantatra fa ny [aretin-tsaina] dia tsy vokatry ny fahalemena, na hoe mazàna dia vokatry ny fahotana. … Rehefa miaraka isika dia afaka mandrava ireo rahon’ny fitokana-monina sy ny fanilihan’ny mpiara-monina ka hiala ny vesatry ny fahamenarana ary afaka ny hitranga ireo fahagagan’ny fahasitranana.”

Rahavavy Reyna I. Aburto, Mpanolotsaina Faharoa teo aloha tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 58.

F: Nahoana aho no tsy mahazo aina kokoa rehefa manao ny tsara?

V: “Aza mihevitra hoe afaka manamboatra ny zava-drehetra ianao fa amboary izay azonao amboarina. Raha toa izany ka fandresena madinika fotsiny ihany, dia aoka ianao hankasitraka noho ny amin’izy ireo, ary manàna faharetana. Impiry impiry ao amin’ny soratra masina ny Tompo no nandidy olona iray mba -hangina- na -ho tony-—ary hiandry. Ny fiaretana amim-paharetana ny zavatra sasany dia anisan’ny fampianarana antsika eto amin’ny fiainana an-tany.”

Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Tahaka ny Vilany Ariana,” Liahona, nôv. 2013, 41.

F: Ahoana no ahafahako mahafantatra fa mahazo valim-bavaka aho rehefa manasarotra ny fahafantarana izany ny fahasalaman’ny saiko?

V: “Ao anatin’ireo fisalasalana sy olana maro izay atrehantsika eo amin’ny fiainantsika dia mitaky antsika hanao ny tsara indrindra vitantsika Andriamanitra (jereo 2 Nefia 2:26), sy hatoky Azy. … Matetika isika dia mety mandroso ao anatin’ny fanantenana sy fanaovana vavaka—saingy tsy manana antoka tanteraka—fa manao zavatra araka ny sitrapon’ Andriamanitra isika. Saingy rehefa manaja ny fanekempihavanantsika sy mitandrina ny didy isika, rehefa miezaka tsy tapaka bebe kokoa hanao ny soa sy ho tonga tsaratsara kokoa dia afaka mandeha amim-pahatokiana isika fa Andriamanitra dia hitarika ny diantsika.”

Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Ny fanahin’ny fanambarana,” Liahona, mey 2011, 90.

F: Ahoana no ahafahako mahatsapa fifaliana ao amin’ny filazantsara rehefa mahatonga ny fahatsapana fifaliana ho tena sarotra ny fahaketrahana?

V: “Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra mba hahazoana fahatakarana lalina kokoa ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ianareo … ary miezaka manaraka ny ohatra nasehony, dia hiaina -ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra- [filipiana 4:7], ianareo, eny fa na dia ao anatin’ny alahelo aza. Hahatsapa amin’ny fomba lehibe kokoa ilay fitiavan’ Andriamanitra tsy misy mahatoraka azy hitombo ao am-ponareo ianareo. Ny fiposahan’ny fahazavana avy amin’ny lanitra dia hampisava ny haizin’ny fitsapana anareo, ary hanomboka hahatsapa ilay voninahitra sy zava-mahatalanjona tsy hay lazaina ao amin’ilay tontolon’ny lanitra izay tsy hita maso sy tonga lafatra ianareo. Ho tsapanareo hisandratra hiala ireo zava-dratsy misintona midina eto amin’ity tontolo ity ny fanahinareo.”

Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Fifaliana lehibe kokoa,” Liahona, mey 2024, 69.

Mahazo ny herin’i Jesoa Kristy

F: Ahoana no ahafahako mianatra matoky sy miantehitra amin’i Kristy rehefa mahatsapa aho fa tsy afaka matoky ny tenako noho ireo olana amin’ny fahasalamako ara-tsaina?

V: “Arakaraka ny ianaranao momba ny Mpamonjy no mahamora ny fitokisanao amin’ny famindram-pony, sy ny fitiavany tsy manam-petra, ary ny heriny mampatanjaka, sy manasitrana ary manavotra. …

“… Na hahafoy anao aza ny zava-drehetra sy ny olon-kafa rehetra izay itokisanao eto amin’izao tontolo izao, i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany kosa dia tsy hahafoy anao na oviana na oviana .”

Filoha Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 103, 104.

F: Tena fantatr’i Kristy ve ny zavatra tsapako?

V: “Mety tsy hisy olona ao amin’ny fianakaviana, na namana, na mpitarika ao amin’ny fisoronana, na mahay mahatakatra sy miezaka manampy tahaka ny inona aza, ka hoe hahafantatra tanteraka ny zavatra tsapanao, na hoe mahita ireo teny tena ilaina hanampiana anao ho sitrana. Saingy fantaro ity: misy Olona iray izay mahatakatra tanteraka ny zavatra iainanao, izay -mahery kokoa noho ny tany iray manontolo- [1 Nefia 4:1], ary -mahay manao mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahi[nao] na heverinao aza- [Efesiana 3:20].”

Loholona Matthew S. Holland ao amin’ny Fitopololahy, “Ilay fanomezana tena fatratra an’ilay Zanakalahy,” Liahona, nôv. 2020, 46.

Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra

F: Mbola tia ahy ve Andriamanitra na dia manana olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina aza aho?

V: “Mety misy feo maro manakivy sy haizina mitambesatra ao an’eritreritrao, hafatra izay milaza aminao fa maratra sy very hevitra, na trotraka loatra sy tsy misy miraharaha, na miavaka loatra na very lalana ianao ka tsy afaka mahazo ny fitavan’ Andriamanitra mihitsy. Raha maheno ireo hevitra ireo ianao dia mba henoy izao: diso tsotra izao ireo feo ireo. Afaka tsy miraharaha amim-pahatokian-tena ny fahatorotoroana izay manakana antsika amin’ny fomba rehetra tsy handray ny fitiavan’ Andriamanitra isika,”

Loholona Karl D. Hirst ao amin’ny Fitopololahy, “Ny tian’ Andriamanitra indrindra,” Liahona, nôv. 2024, 11.

F: Nahoana Andriamanitra no tsy manaisotra io olana io?

V: “Eo am-piezahana ny hahita fiadanana sy fahatakarana ny amin’ireo zavatra ireo, dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa isika dia miaina—ary nisafidy ny hiaina—ao amin’ny tontolo iray izay lavo, izay hisedrana sy hitsapana hatrany hatrany ny fikatsahantsika fahamasinana, noho ireo tanjon’ Andriamanitra. Ny fanomezan-toky lehibe indrindra ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia ny hoe, nisy Mpamonjy iray nampanantenaina, Mpanavotra iray, izay amin’ny alalan’ny finoantsika Azy, dia hanandratra antsika ho mpandresy eo anatrehan’ireo fitsapana sy fisedrana ireo, na dia tsy hay ho refesina aza ny saran’ny fanaovana izany na ho an’ny Ray izay naniraka Azy, na ho an’ny Zanaka izay tonga. Ny fankasitrahana an’io fitiavan’Andriamanitra io ihany no hahatonga ny fijaliantsika kely manokana, ho azo zakaina aloha voalohany indrindra, ary avy eo dia azo takarina, ary farany hitondra fanavotana.”

Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Tahaka ny vilany ariana,” Liahona, nôv. 2013, 40.

Misafidy ny ho velona

F: Raha fantatro fa ho tsara kokoa ny fiainana ho avy, dia nahoana aho no tokony hanohy hiaina ity fiainana ity?

V: “Na inona na inona ireo olana na fahasarotana atrehanareo dia miharihary fa tsy vahaolana ny famonoan-tena. Tsy hanamaivana ny fanaintainana izay tsapanao na eritreretinao fa mety efa aterakao izany. Ao anatina tontolo izay mila mafy ny fahazavana rehetra azo katsahina, dia aoka ianareo tsy hanamaivana ilay fahazavana mandrakizay izay napetrak’ Andriamanitra ao anatin’ny fanahinareo talohan’ny nisian’izao tontolo izao. Miresaha amin’ny olona iray. Mangataha fanampiana. Aza simbana ilay fiainana izay nanomezan’i Kristy ny Azy hiarovana izany. Azonao zakaina ireo fahadisoam-panantenana eto amin’ity fiainana an-tany ity satria hanampy anao hizaka izany izahay.”

Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Aza matahotra; Minoa fotsiny ihany!,” Liahona, mey 2022, 36.

“Na inona na inona ady atrehanareo ry rahalahy sy anabaviko isany—na ara-tsaina na ara-pihetseham-po na ara-batana na amin’ny lafiny hafa—aza misafidy hanohitra ny maha-sarobidy ny fiainana amin’ny alalan’ny fanaperana azy! Matokia an’ Andriamanitra. Mifikira amin’ny fitiavany. Fantaro fa indray andro any dia hiposaka ny masoandro mamirapiratra ary hisava ireo aloka maizin’ny fiainana an-tany.”

Loholona Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Tahaka ny vilany ariana,” Liahona, nôv. 2013, 42.

Manohana ireo olon-tiana

F: Ahoana no ahafahako manohana ireo olon-tiako izay miatrika ireo olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina?

V: “Ny fampianarantsika ny tenantsika momba ny fahasalamana ara-tsaina dia manomana antsika mba hanampy ny tenantsika sy ireo olona hafa izay mety manana olana. Ny fiarahana manao fifanakalozan-kevitra misokatra sy amin-kitsimpo dia hahatonga ity lohahevitra manan-danja ity hahazo ny fifantohana mendrika azy. Sady mila mahazo fampahalalana rahateo vao mahazo fitaomam-panahy sy fanambarana. Ireo olana izay matetika no tsy hita maso ireo dia mety hianjady amin’ny rehetra, ary rehefa miatrika izany izy ireo dia toy ny tsy hay resena izany.

“Isan’ireo zavatra voalohany mila fantatsika ny hoe azo antoka fa tsy irery isika. Manasa anareo aho mba handalina ilay lohahevitra momba ny fahasalamana ara-tsaina ao amin’ny fizarana Faire face aux défis de la vie ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile. Ny fianarana dia hitondra ho amin’ny fahatakarana kokoa, fanekena kokoa, fangorahana kokoa, fitiavana kokoa. Afaka mampihena ny loza izany, sady manampy antsika ihany mba hiezaka ny hanana sy hanao izay hampisy foana fanantenana zavatra tsara sy fifandraisana tsara.”

Loholona Erich W. Kopischke ao amin’ny Fitopololahy, “Firesahana momba ny fahasalamana ara-tsaina,” Liahona, nôv. 2021, 38.

F: Ny iray tamin’ireo olon-tiako dia maty noho ny famonoan-tena noho ny olana amin’ny fahasalamana ara-tsaina. Inona no hitranga aminy?

V: “Misy fomba fihevitry ny antokom-pivavahana efa hatramin’ny fahiny fa fahotana ny famonoan-tena ary ny olona iray izay [maty noho ny] famonoan-tena dia halefa sesitany any amin’ny helo mandrakizay. Diso tanteraka izany. Mino aho fa amin’ny ankamaroan’ireo toe-javatra nitranga dia ho hita fa niaina fiainana feno herim-po ireo olona ireo ary tsy ho toetra mamaritra ny mandrakizain’izy ireo ny famonoan-tena.”

Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Renlund: Understanding Suicide” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

zatovolahy mitazatazana amin’ny fotoana iposahan’ny masoandro

Mandroso sy mivoatra

Ny valinteny sasany omen’ Andriamanitra antsika dia tsy mitovy amin’ny zavatra nantenaintsika, ary tsy ho tonga eto amin’ity fiainana ity ny valinteny sasany. Na dia tsy fantatsika aza ny zava-drehetra ankehitriny momba ny antony hiatrehan’ny maro amintsika olana eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina, dia afaka mahazo hery isika ao amin’ilay fampanantenana fa indray andro any dia hanana fahatakarana lavorary momba ny zava-drehetra isika. Ny ezaka ataontsika—na tsapa ho tsy mitondra vokatra toy ny ahoana aza izany indraindray—dia hahaleo ny sarany avokoa (jereo ny Galatiana 6:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3).

Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsara ny finoana satria mitoetra maharitra izany na dia tsy tonga araka ny nantenaina aza ireo fitahiana. Tsy hitantsika ny hoavy ary tsy fantatsika ny valin’ny zavatra rehetra saingy afaka matoky an’i Jesoa Kristy isika rehefa sady mandroso no miakatra hatrany satria Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Izy.”

Rehefa mamakivaky ireo fahasarotana ateraky ny fahasalamana ara-tsaina ianao sy ireo olona tianao dia tsarovy fa ireo zavatra tsy ara-drariny rehetra eo amin’ny fiainana dia hahitsy noho i Jesoa Kristy. Mandrosoa sy mivoara hatrany—Rehefa miaraka aminao eo anilanao Izy dia afaka ny haharitra omban’ny fanantenana ianao.