“Raha nanana Fiangonana teto an-tany Andriamanitra,” Liahona, sept. 2025.
Fanehoana ny finoana
Raha nanana Fiangonana teto an-tany Andriamanitra
Nolazaiko ireo misiônera mba tsy handany ny fotoanany, fa manana ny finoako manokana aho. Saingy nahafantatra aho avy eo fa ny fampianaran’izy ireo dia mifanaraka amin’ny finoako momba ny fianakaviana, ny Ray any An-danitra be fitiavana, ary ny Fiangonan’ny Mpamonjy.
Fony aho mbola kely dia nitondra ahy tany amin’ny fiangonana samihafa ny ray aman-dreniko. Taty aoriana, fony aho zatovo dia nanomboka nitodika tamin’ Andriamanitra aho ary nanomboka namaky ny Baiboly. Nahatsapa ho nahazo aina aho.
Rehefa nieritreritra momba an’ Andriamanitra sy ny tanjon’ny fiainana aho dia tsapako fa zava-dehibe ny fananana fianakaviana. Nino aho fa ireo mpitarika fiangonana dia tokony hampianatra amin’ny alalan’ny ohatra, saingy tao amin’ny fiangonana izay natrehako dia tsy nanambady ireo mpisorona. Tsy nitombina izany tamiko. Nino aho fa tsara ny manambady sy manana fianakaviana.
16 taona aho tamin’izany. Nanana olon-tiana tena tiako be aho, saingy nandao ahy izy. Mafy tamiko izany. Nijaly mafy nandritra ny herintaona teo ho eo aho. Noho izany zavatra niainako izany dia naniry ny hahatakatra ny toerana niaviako aho, ny antony naha-teto an-tany ahy, ny tanjon’ny fiainana, ary ny zava-mitranga aorian’ny fahafatesana. Te hahita ny valin’ireo fanontaniana ireo irery aho. Saingy rehefa avy nieritreritra azy ireo nandritra ny fotoana ela aho dia nitodika tamin’ Andriamanitra indray ary niteny tamin’ny tenako hoe: “Ny Mpahary ny fiainana dia mahafantatra tsara kokoa ny fiainana mihoatra noho izaho. Tokony hahita valiny avy Aminy aho.”
Rehefa namaky ny Baiboly aho dia nianatra fa niantso Apôstôly roa ambin’ny folo i Jesoa. “Raha nanana fiangonana Andriamanitra ankehitriny,” hoy aho an’eritreritra, “dia tokony hanana Apôstôly izany.“ Lasa voasarika tsikelikely amin’ny fivavahana aho ary te hatao batisa.
Rehefa niresaka momba an’ Andriamanitra tamin’ny raiko aho dia nilaza tamiko izy fa marina Andriamanitra. Nilaza izy fa na ianao atao batisa dia hovonjena, na voaheloka ho any amin’ny helo mandrakizay. Tsy te hino aho fa ny Ray any An-danitra be fitiavana dia finaritra amin’ny fandefasana ireo zanany any amin’ny helo mandrakizay satria tsy vita batisa fotsiny izy ireo. Ahoana ny amin’ireo izay tsy nanana fahafahana hatao batisa?
Any Frantsa dia vitsy ny mpino. Nanana namana tsara fanahy aho, saingy tsy vita batisa izy ireo. Nanatsoaka hevitra aho fa tsy mety ny mieritreritra fa handeha any amin’ny helo avokoa izy rehetra.
Noho izany dia nanapa-kevitra ny hanangana ny finoako manokana aho. Nino Andriamanitra iray aho izay tonga lafatra ny fitiavany ary hanao izay rehetra tratry ny heriny mba hamonjena ireo zanany. Raha tsy te handray ny voninahiny ireo zanany dia safidin’ireo manokana izany. Saingy homeny fahafahana izy ireo.
Hitsin-dalana mankany amin’ny fiovam-po
Indray andro dia nisy misiônera roa nanompo tamin’ny fotoana feno izay niasa tao amin’ny tanàna nisy ahy nahazo bitsiky ny Fanahy mba hanitsy lalana hody. Teny an-dalana hody dia nihaona tamin’ny reniko izy ireo. Nosakanany izy ireo ary nanamboatra fotoana hihaonako amin’izy ireo izy. Tsy nahafaly ahy izany. Tsy te hiresaka tamin’izy ireo aho. Nieritreritra aho fa hiteny izy ireo hoe: “Tsy maintsy mihaino anay ianao. Tsy maintsy mino ny zavatra holazainay anao ianao.”
Rehefa tonga tamin’ny fivorianay ireo misiônera dia hoy aho tamin’izy ireo hoe: “Aza mandany ny fotoanareo. Manana ny finoako manokana aho. Tsara ny zavatra ataonao, saingy mino aho fa tena zava-dehibe ny fianakaviana. Mino aho fa tokony hanambady ireo mpitarika fiangonana. Mino aho fa tokony hanana Apôstôly roa ambin’ny folo ny fiangonana iray. Mino aho fa hamonjy ny maro amin’ireo zanany araka izay tratrany Andriamanitra. Ary tsy mino ny fifohana sigara sy ny fisotroana toaka aho.”
Taitra aho raha nahafantatra fa mifanaraka amin’ny finoako ny fampianaran’izy ireo. Nanome Bokin’i Môrmôna iray ho ahy izy ireo ary nangataka ahy sy hivavaka momba izany. Nahatsapa ny Fanahy aho rehefa namaky ilay boky, ary nahatsapa ny Fanahy aho niaraka tamin’ireo misiônera. Saingy nieritreritra aho hoe: “Angamba mety noforoniko fotsiny ireo fahatsapana tsara ireo.”
Nivavaka aho ary nahazo valiny tao anatin’ny nofy iray. Tao anatin’ny nofiko dia nanokatra ny Baiboly aho. Tao anatin’ny Baiboly dia nisy ireo takelaka boky samihafa ao amin’ny Baiboly. Ny takelaka farany dia nilaza hoe “Môrmôna.” Io hafatra io dia nanampy ahy hahatakatra fa ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra filazantsara iray ihany (jereo ny Ezekiela 37:15–19).
Nihanatanjaka bebe kokoa ny fijoroana ho vavolombelona nananako tamin’ny alalan’ireo zavatra niainana hafa teo am-pamakiana sy am-pandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa nanasa ahy hatao batisa ireo misiônera dia nanaiky tamim-pifaliana aho. Natao batisa aho herintaona katroka taorian’ny nandaozan’ny olon-tiako ahy. Nanamarika fiovana lehibe teo amin’ny fiainako ny batisako. Very namana vitsivitsy aho rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, saingy nahita olona vaovao tao amin’ilay sampana izay nisy ahy.
“Nitondra fahazavana sy fahasambarana be ho ahy ny filazantsara,” hoy i Nicolas. “Notahian’ Andriamanitra aho. Nihaona tamina vehivavy tsara iray aho ary manana zanakavavy mahafinaritra telo izahay.”
Nitondra fahazavana sy fahasambarana maro ho ahy ny filazantsara. Heniky ny Fanahy sy fifaliana aho. Nieritreritra aho hoe: “Izay rehetra nijaliako taloha no nitondra ahy teto.”
Notahian’ Andriamanitra aho. Nihaona tamina vehivavy tsara aho ary manana zanakavavy mahafinarirtra telo izahay. Ny roa tamin’izy ireo dia efa nanao asa fitoriana, nanampy ny hafa hahatakatra ny zavatra lasa takatro taona maro lasa izay: “Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany,” “ny maty izay mibebaka dia ho voavotra amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’ Andriamanitra“ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:58), ary ny Tompo dia miantso apôstôly sy mpaminany amin’izao androntsika izao mba hitarika ny Fiangonany (jereo ny Efesiana 2:20).