“Hazo Bonzaï sarobidy sy fijoroana ho vavolombelona sarobidy,” Liahona, sept. 2025.
Hazo Bonzaï sarobidy sy fijoroana ho vavolombelona sarobidy
Ny fijoroana ho vavolombelona tsirairay dia fanomezana sarobidy izay mitaky fanoloran-tena manokana sy finoana mba haharetany ho toy ny zavatra mahafinaritra sy mahafaly.
Sary nahazoana lalana avy tamin’ny mpamorona
Tao afovoan’i Tokyo, Japana, dia nahita zavatra tao amin’ny zaridaina mahafinaritra iray izay nahatalanjona ahy aho. Teo akaikin’ny lalana iray mamakivaky ny valan-java-boary dia nisy rindrina izay hiantonan’ny tavy kely am-polony ary samy nahitana hazo bonzaï iray. Ny hazo manana hatsaran-tarehy manokana tsirairay dia samy nanana famantarana kely izay nampiseho ny taonany. Mihoatra ny 100 taona ny ankamaroany.
Ny iray, 390 taona, dia mbola nitondra voa. Ny iray hafa dia nanana vatan-kazo roa mifamatotra—ny iray maty, ilay iray hafa kosa velona. Nanana taona nahagaga 590 izany.
Nalaiko sary an-tsaina ny fomba tsy maintsy nambolena sy nanetezana nyhazo bonzaï tsirairay tamin’ny voalohany tamim-pireharehana sy fifaliana lehibe. Taty aoriana dia lasa lovam-pianakaviana sarobidy ireo hazo. Nieritreritra ireo ray aman-dreny efa antitra manome ny zanany andraikitra amin’ny fikolokoloana amim-pitiavana ny hazo bonzaï aho, hiarovana azy amin’ny loza sy hitehirizana izany ho an’ny taranaka ho avy.
Ireo hazo kely tany Tokyo ireo dia tafavoaka velona tamin’ny ady mahatsiravina sy fotoanan’ny fiadanana, tamin’ny tafio-drivotra lehibe sy ny fotoanan’ny toetr’andro tony. Testamenta mahatalanjona ho an’ny fanoloran-tena sy ny fomban-drazana ary ny fikarakarana amim-pitiavana izy ireo.
Fanomezana sarobidy
Hatry ny nahitana ireo hazo Bonzaï ireo dia nahaliana ahy ny nieritreritra ny fomba nanombohan’ny taranaka fianakaviana marobe tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho nan’ny Olomasin’ny Andro Farany niaraka tamin’ny alalan’ny olona iray mpisava lalana tao amin’ny fianakaviana izay nahazo fijoroana ho vavolombelona sarobidy momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.
Ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpikambana vaovao tsirairay ao amin’ny Fiangonana dia manomboka rehefa “manome toerana“ na mamboly ny tenin’ Andriamanitra ao am-pon’izy ireo izy ireo ary avy eo mikolokolo izany (jereo ny Almà 32:28). Rehefa mitombo ilay fijoroana ho vavolombelona, dia volavolaina sy rantsanana amin’ny fomba hafa eo amin’ny fiainana ny zavatra ataon’io mpikambana vaovao io.
Amin’ny alalan’ireo fitsapana sy tafio-drivotra maro eo amin’ny fiainana dia mitombo tanjaka ny fijoroana ho vavolombelona voakolokolo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany. Tahaka ny hazo Bonzaï, ny fijoroana ho vavolombelona dia zaraina ary ampitaina ho toy ny fanomezana sarobidy ho an’ireo taranaka mifandimby mba hitombo sy hokolokoloina ihany koa.
Ny taranaka tsirairay dia manana andraikitra lehibe ny hanao izany fijoroana ho vavolombelona izany ho an’ny tenany manokana. Fanomezana tsy voavidy vola nefa marefo izany. Mitaky fanoloran-tena manokana lalina sy finoana izany mba haharetany ho toy ny zavatra mahafinaritra sy mahafaly.
Tsy fantatsika hoe manao ahoana ny halehiben’ilay hazo izay hitan’i Lehia tao amin’ny nofiny. Saingy fantatsika fa tsara tarehy izaitsizy tokoa izany ary tsy nahandry ny hizarana ny voany tamin’ny fianakaviany izy (jereo ny 1 Nefia 8). Ny fianakavian’i Lehia dia lasa ohatra mivaingana amin’ny fianakaviana misy taranaka maro—indraindray nahomby tamin’ny fampitana ireo fomba amam-panao marina, ary indraindray, indrisy, nahita ny fijoroana ho vavolombelona nalazo ary maty teo anoloan’ny fahoriana sy ny tsy fankatoavana ary ny fitsapana.
Mifaly isika amin’ireo izay,mikolokolo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana masina, amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany voalohany azy ireo ao amin’ny fianakaviany. Ary misaotra ireo Olomasina mpisava lalan’ny Fiangonana ireo isika noho ny fomba nampitany ny fitiavan’izy ireo an’ Andriamanitra amin’ireo taranaka ho avy.
Ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny zatovo, ary ny tanora izay manao ho laharam-pahamehana ireo fivoriana isaky ny alahady, ny asa fanompoana any amin’ny tempoly, ary ny fanatrehana seminera, institiota ary fihaonambe ho an’ny zatovo sy ny tanora—ny fihazonana ny Mpamonjy ho lohalaharana eo amin’ny fiainan’izy ireo—dia manome ny tany sy ny sakafo ara-panahy mba hitomboan’ireo fijoroana ho vavolombelona mbola marefo.
Tahaka ireo hazo Bonzaï hitako tany Tokyo, ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny dia fananana tsy voavidy vola izay hitahy ireo olona tiantsika. Afaka ny ho tonga lova avelantsika izy ireny rehefa mikolokolo sy mankamamy ary mizara izany amin’ny taranaka fara mandimby isika.